09/08/2026
10 AOGOSITRA – ANDRON’I AFRIKA HO AN’NY SORA-PIANKOHONANA SY NY ANTONTAN’ISA:
Ankalazaina isan-taona, isaky ny 10 Aogositra, ny Andron’i Afrika ho an’ny Fisoratana ny Zava-misy eo amin’ny Sora-piankohonana sy ny Antontan’isa, eo ambany fiahian’ny Vondrona Afrikanina (Union Africaine).
Andro iray manan-danja ho an’ireo Kaominina aty Afrika izy ity, satria ny Kaominina no manana anjara toerana lehibe amin’ny fisoratana ny fahaterahana, fanambadiana ary fahafatesana, ary amin’ny fiantohana ny maha-izy ara-dalàna sy ny zo fototry ny olom-pirenena.
Ny sora-piankohonana sy ny antontan’isa azo itokisana dia fototra iray lehibe amin’ny fandrafetana ny fampandrosoana, ny fanatsarana ny tolotra ho an’ny mponina ary ny famolavolana politika mifanaraka amin’ny tena filàn’ny vahoaka.
Ho an’ny Kaominina Bemasoandro Atsimondrano, Madagasikara, fotoana iray hanamafisana hatrany ny ezaka amin’ny fanatsarana ny Sampan-draharahan’ny Sora-piankohonana, ny fanavaozana ny fomba fiasa ary ny fampiasana ny teknolojia nomerika, mba hanomezana tolotra tsara kokoa ho an’ny mponina.
Sora-piankohonana voalamina sy antontan’isa azo itokisana : fototry ny maha-olom-pirenena sy ny fampandrosoana. Mankasitraka ny Fitondrampanjakana miahy antsika amin'ny Rafitra misy eo anivon'ny Ministera .
10 Aogositra – Andron’i Afrika ho an’ny Sora-piankohonana sy ny Antontan’isa.
Maire Bemasoandro
Jimmy RANITRATSILO