21/03/2024
MITAHY VÉ NY RAZANA?
Anisan'ny fanehon-kevitra nalaza be tatoato ity resaka RAZANA mitahy sy tsy Mitahy ity ka mba arosoko eto KOA ny fanehon-kevitro!
Voalohany indrindra aloha dia tsy olona maty REHETRA no lasan-korazana,fa ireo Fanahy Izay lasa manakaiky kokoa ny Mpahary ,na KOA hoe Andriamanitra hoy ny ankamaroantsika izay nanao ny Tsara tety ambonin ny tany!
Faharoa dia Izao sy ianao,izy sy ireo olona efa lasa rehetra dia manana,nanana adidy sy andraikitra tokony hataony ety ambonin'ny tany,dia adidy amin ny maha-olona ,Taranaka,ary ny Tany Masina!Ao ireo nahavita ,ao koa ireo tsy nahavita!
Fahatelo,dia tsy hanangom-bola aman Karena fotsiny no antom-pisianao sy izaho ety fa hanatanteraka ny adidy Izay foton-dia ety!(Samy MANANA ny anjara tandrify Azy)
FEHINY :MITAHY NY RAZANA AMIKO SATRIA:Izy no nialoha Lalana ahy tety,maro no EFA nandalovany,ary ny fiainana ety dia toy ny kodiaran-Tsarety !Miodina miverimberina Ka mety misy ny fiverenan ny toe-javatra efa lasa sy ny ankehitriny ary ny amin'ny ho avy!Misy koa ny Tontolo tsy Hita maso,ary afaka mifandray ireo satria ny Fanahy tsy mety Maty!
Tsisy idiran ny kamboty,vola,Harena fa Lalana !Ny razanao dia afaka miaro anao am Lalana andehananao mba tsy ho very ianao na hanitsaka Tsilo fa ho Tonga soa aman tsara amin'ny nanirahana anao na kamboty ianao,na mahantra ianao,na mpanakarena !Fa ireo manilika ny azy iany no TSY tahiny satria mihevitra ny fahafenony sy mandika vilana hoe TSY afaka mifandray intsony ny velona sy ny Maty!Faty TSY Mitahy fa ny RAZANA no MITAHY fa mety tsy MAHATSAPA fotsiny ianao!
FANAMARIHANA:Fanehon-kevitra ivelan'ny FINOANA FIVAVAHANA !
Mandrosoa Hasina aby !🇲🇬