I24H News

I24H News Média d’information en ligne et indépendante.

🔔Actualités et reportage à Madagascar

🔥URGENTNisehoana lozam-pifamoivoizana teny amin'ny Boulevard Ratsimilaho, Toamasina, vers 18h 35. Tuc tuc 2861 AJ nanapa...
18/08/2026

🔥URGENT
Nisehoana lozam-pifamoivoizana teny amin'ny Boulevard Ratsimilaho, Toamasina, vers 18h 35.

Tuc tuc 2861 AJ nanapaka tampoka rehefa nahita client ka nirafitra tamina moto.

🔴ANDROY: Biby fiompy maro no maty vokatry ny fiakaran'ny rano sy ny   rotsak'orana nisesy tany amin'ny faritra Androy, i...
18/08/2026

🔴ANDROY: Biby fiompy maro no maty vokatry ny fiakaran'ny rano sy ny rotsak'orana nisesy tany amin'ny faritra Androy, indrindra ny tany Ambovombe, Tsihombe, Antanimora.

Omby 50 isa fara-fahakeliny hatreto no fantatra fa maty, araka ny tarehimarika voaray.

🔴RN4 : Fiara iray mpitatitra olona avy any Mahajanga hiazo an'Antananarivo nivadika teny amin'ny lalam-pirenena faha-4 a...
18/08/2026

🔴RN4 : Fiara iray mpitatitra olona avy any Mahajanga hiazo an'Antananarivo nivadika teny amin'ny lalam-pirenena faha-4 afaka kely an'Ankazobe.

Tsy nisy ny aina nafoy saingy nisy ny naratra, izay efa nentina namonjy hopitaly.

🚨ZAZALAHY KELY HITA FATY TAO ANATY LAKANDRANO, CENAM 67HaIo maraina io, nahitana fatin-jazakely tao anaty lakandrano ten...
18/08/2026

🚨ZAZALAHY KELY HITA FATY TAO ANATY LAKANDRANO, CENAM 67Ha

Io maraina io, nahitana fatin-jazakely tao anaty lakandrano teny Andriantany, ampitan’ny CENAM, Antetezana-Afovoany.

Ireo vehivavy nandalo teny an-toerana no nahatsikaritra ny razana ka nampandre avy hatrany ny manodidina.

✅Mbola eo am-panadihadiana ny tompon’andraikitra, indrindra ny antony nahafatesan’ilay zaza sy ny nahatonga azy tao anaty rano.

🐙AIA VEZOOO E! Tsara sy nahomby ny fanaovana reserve  Horita tamin'ity taona 2026 ity araka ny feo avy amin'ireo mpihaza...
17/08/2026

🐙AIA VEZOOO E!
Tsara sy nahomby ny fanaovana reserve Horita tamin'ity taona 2026 ity araka ny feo avy amin'ireo mpihaza hazandranomasina.

Horita = Poulpe = Pieuvre

🔴HERISETRA ARA-NOFO: Zazalahy key 12 taona lasibatra,   Rangahy lehibe 44 taona tratra ambodiomby nanolana zazalahy kely...
17/08/2026

🔴HERISETRA ARA-NOFO: Zazalahy key 12 taona lasibatra,

Rangahy lehibe 44 taona tratra ambodiomby nanolana zazalahy kely 12 taona ny alin’ny 17 Aogositra 2026, tokony ho tamin’ny 03 ora sy sasany maraina tao Fianarantsoa.

Ilay zaza irery no tao an-trano ka nanaovany ny izao fihetsika mamoafady izao. Na dia notapenany aza ny vavan’ilay zaza, dia nahavita niantso vonjy sy nikiakiaka ity farany, ka taitra ny manodidina.

⚠️ANDRAVOAHANGY - Mitandrema fa hampidi-doza ho antsika mpampiasa ny lalana eny an-toerana, fa misy lavaka be feno rano ...
17/08/2026

⚠️ANDRAVOAHANGY - Mitandrema fa hampidi-doza ho antsika mpampiasa ny lalana eny an-toerana, fa misy lavaka be feno rano eny ny arabe.

🟥FANOLANANA  ZAZAVAVIKELY 12TAONA: Lehilahy be 73taona nampidirina amponja. ▶️ Tsy vao ity zazavavy kely 12 taona ity no...
14/08/2026

🟥FANOLANANA ZAZAVAVIKELY 12TAONA: Lehilahy be 73taona nampidirina amponja.

▶️ Tsy vao ity zazavavy kely 12 taona ity no tratry ny fanolanana nataon'ity lehilahy lehibe ity fa efa nisy zazava kely hafa ihany koa araka ny t’amputâmes-baovao azo.

⏩ Nanomboka narary ilay zaza ny 07 aogositra 2026 , fa tsy sahy nilaza tamin'ny ray aman-dreniny noho ny tahotra sy ny fandrahonana nataon' ilay lahy antitra azy.

Ny 08 Aogositra kosa namonjy hopitaly tany amin' ny CHRR izy ireo ary tany no nahafantarana fa potika tanteraka ny fivaviny ary tena nisy ny herisetra ara-nofo nihatra taminy.

➡️Raha nanontaniana ilay zaza dia ity lahiantitra 73 taona no voatondro ho nahavanon-doza ary tany an-tsaha no nanaovany ny filandratsiny, nandritra Ilay zazavavy maka kitay.

▶️Na dia tsy nametraka fitoriana aza ny ray aman-dreny noho ny tahotra valifaty, tahotra fanjakana ary ny olana ara-pivelomana, dia nanohy ny fanadihadiana ny Polisy.
Niakatra fampanoavana androany 14 Aogositra 2026 ny raharaha, ary nampidirina am-ponja vonjimaika ilay voampanga, voatondro amin' ny 31 Aogositra 2026 kosa ny fotoam-pitsarana.

❌Tamin'ny fanadihadiana nataon'ny Polisy no nahafantarana fa efa maro ny ankizy efa naolan'ilay rangahy be tsy misaina ity.

🟥 Ambovombe Androy - Noho  orana mikija izay milatsaka ao an-toerana, dia nahitana fiakarany ny rano amin’ireo toerana i...
14/08/2026

🟥 Ambovombe Androy - Noho orana mikija izay milatsaka ao an-toerana, dia nahitana fiakarany ny rano amin’ireo toerana iva maro.

Anisan’ny toerana nahitana izany ny Fokontany Berary Stationnement sy ny Kianjan’Andaboly, izay nahitana fiakaran’ny rano vokatry ny hamafin’ny orana.

Entanina hatrany ny mponina, indrindra ireo monina sy mivezivezy amin’ireo faritra mety ahiana ho tratran’ny tondra-drano, mba hitandrina sy hanaraka ny toromarika omen’ny tompon’andraikitra.

Romeo R.

🟥𝗥𝗡𝟮 : Nitrangana lozam-pifamoivoizana  tao Maharidaza, Distrikan'i Manjakandriana, ny maraina teo. Fiara Crafter an’ny ...
14/08/2026

🟥𝗥𝗡𝟮 : Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao Maharidaza, Distrikan'i Manjakandriana, ny maraina teo. Fiara Crafter an’ny KOFILAC ity tra-doza ity izay voalaza fa handeha hihazo an’Antananarivo.

⏩️Voalaza fa nisy namoy ny ainy tamin’ity loza ity, ary misy ireo naratra, saingy mbola tsy voafaritra mazava aloha ny isan’izy ireo hatreto.

⏩️Andrasana kosa araka izany ny fanampim-baovao avy amin'ny tompon'andraikitra, aorian'ny fanadihadiana.

©️ Guevine Undrix Axel
____________________
Araho hatrany ny pejintsika, aza hadinoina ny manisy réactions sy mizara ny vaovao.

Address

Boulevard De L’Europe
Ivato
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when I24H News posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share