11/08/2026
🚨 FILAZANA MAIKA — AZA ATAO TSINONTSONA! 🚨
Ampahafantarina am-pahatsorana ireo olona rehetra mifanerasera amiko fa misy zavatra hafahafa mitranga amiko tato ho ato… 😭
Rehefa natao ny fitiliana dia hita fa POSITIVE amin’i JESOSY aho. ✝️❤️
Efa ela no nisy ny soritr’aretina, fa tsy dia noraharahaina:
📖 Te hamaky Baiboly foana.
🙏 Te hivavaka foana.
❤️ Mora mamela heloka.
😊 Mbola afaka mitsiky na dia misy olana aza.
🕊️ Ary ny tena mampiahiahy… lasa tsy mahita fiadanana intsony aho rehefa lavitra an’i Jesosy.
Niezaka nitady “fanafody” hafa aho taloha, fa vao mainka tsapako fa Jesosy ihany no tena ilain’ny fanahiko.
Nilaza ny mpitsabo fa efa mandroso be ilay aretina ka tsy tokony hajanona intsony ny traitement. 😭😂
Ny traitement-ko dia:
Vavaka maraina → Tenin’Andriamanitra → Finoana → Fankasitrahana → Fiderana → ary Jesosy mandritra ny andro. 🙏❤️
Ary ny tena mampanahy dia izao:
tsy te ho sitrana intsony aho! 😂🔥
Satria hatramin’ny nahitako an’i Jesosy dia niova ny fomba fijeriko ny fiainana.
Tsy hoe tsy manana olana intsony aho, fa manana Olona itokisana rehefa misy olana.
Tsy hoe tsy mitomany intsony aho, fa rehefa mitomany dia fantatro hoe iza no azoko ianteherana.
Tsy hoe tonga lafatra aho, fa manana Jesosy izay manova ahy tsikelikely isan’andro. ❤️
Koa raha sendra mifanerasera amiko ianareo ka mahatsikaritra hoe:
— lasa falifaly kokoa 😄
— lasa tia mivavaka 🙏
— lasa tia mamela heloka ❤️
— lasa manantena na dia sarotra aza ny fiainana 🕊️
— ary lasa miteny momba an’i Jesosy matetika…
AZA MATAHOTRA! EFA NAMINDRAKO ANAREO ILAY “ARETINA”. 😂🔥✝️
Ary raha vao mahatsapa soritr’aretina ianareo…
AZA MITADY FANAFAODY.
AZA MIADY AMIN’ILAY ARETINA.
FA MANATÒNA AN’I JESOSY. ❤️
Satria ity no hany “aretina” iriko hiparitaka amin’ny olona rehetra:
🔥 TIA AN’I JESOSY.
🔥 MIARA-DIA AMINY.
🔥 MIANKINA AMINY.
🔥 ARY MIARAKA AMINY MANDRA-PIFATY.
POSITIVE aho amin’i Jesosy, ary tsy mikasa ny hiverina ho négatif intsony. 😂❤️✝️