
04/04/2025
Raha mandany 2000Ar isan'andro amin'ny sigiara ianao, dia tokony mampiditra 7000 Ar farafahakeliny. Satria nagnino oizy anao?
5000Ar ho an’ny fandaniana fototra sy hanatsarana ny fiainana: fampiasam-bola, tahiry, na fampandrosoana tena.
Aza miaina ambonin’ny fahefanao
Maro no mandany mihoatra noho izay azony, mindrana, na miankina amin’ny hafa satria te hijanona ho “milay” eo imason’ny hafa. Fa iza no mijaly rehefa tonga ny krizy? Tsy ny namana, tsy ny fianakaviana, fa ianao! Raha te hiaina am-pilaminana dia fifehezana ny fandaniana no fanalahidy.
Aza matahotra tondro-molotra
Aza matahotra lazain’olona hoe mahantra
Ny fiainanao dia tsy fanomezan-dalana ho an’ny hafa hitsara anao, fa safidinao manokana. Raha tianao ho lasa lavitra ny fiainanao, dia atsaharo ny fanao mitarika ho amin’ny fahantrana, ary atombohy amin’ny fifehezana ny vola kely eo am-pelatananao.
Aleo hitan’olona ohatran'ny mahantra fa mivoatra tsara nohon’ny hitan’olona ohatrany manana nefa miha potika tsikelikely. Ianao tena manana no tanjona fa tsy ny hitan’olona ohatran'ny mpanana.