Radio OASIS Mahajanga FM 106.4

Radio OASIS Mahajanga FM 106.4 Ilay toerana fakan'aina ao amin'ny efitra karakaina Officielle

Fivoriam-be ara-panahy sy fiheveran-draharaha IOUC10 – 13 Septambra 2025Hetsika lehibe indray no hotanterahin’ny Union d...
03/09/2025

Fivoriam-be ara-panahy sy fiheveran-draharaha IOUC

10 – 13 Septambra 2025

Hetsika lehibe indray no hotanterahin’ny Union de Fédérations des Églises Adventistes du Septième Jour de l’Océan Indien (IOUC) manomboka ny 10 ka hatramin’ny 13 Septambra 2025 izao. Fivoriam-be ara-panahy sy fiheveran-draharaha no hanamarika izany, ka hanokatra sehatra ho an’ny mpino sy ny mpitondra fiangonana amin’ny fifampizarana sy fanamafisana ny finoana ary koa amin’ny fandinihana ny fitantanana sy ny ho tohin’ny asa fanompoana mandritran'ny 5 taona manaraka indray.

Ny lohahevitra entina amin’ity fotoana ity dia mifantoka amin’ny hafatra avy ao amin’ny II Petera 3:12a hoe: « sady manantena no mampahafaingana ny hihavian'ny andron'Andriamanitra, …». Hafatra izay manentana ny vahoakan’Andriamanitra hitoetra amim-pinoana, hahay hiara-miasa ary hanamafy ny faniriana hanao asa fitoriana sy fanompoana eo amin’ny fiaraha-monina.

Ho feno vavaka sy fandalinana ny fotoana, miaraka amin’ny fandinihana lalina momba ny lafiny fitantanana sy ny ho tohin’ny asa misionera eo anivon'ny IOUC. Hotronin’ny asa fanompoam-pivavahana, fampianarana, ary toriteny izany, ho fanentanana ny tsirairay mba hitondra anjara biriky amin’ny fandrosoan’ny fiangonana sy ny fanitarana ny Filazantsara.

Miantso ny fiangonana sy ny mpino Advantista rehetra ato amin'ny Ranomasimbe Indianina mba hanotrona sy hanohana amin’ny alalan’ny vavaka sy fandraisana anjara mavitrika, satria fotoana iray manan-danja eo amin’ny fiainan’ny fiangonana sy ny fanompoana ity fivoriam-be ara-panahy sy fiheveran-draharaha ity.

ASA FITORIANA AO AMPAHAZONY: 34 NANAPA-KEVITRA HANAO BATISATaorian’ny hetsika fitsaboana fialana amin’ny sigara sy parak...
03/09/2025

ASA FITORIANA AO AMPAHAZONY: 34 NANAPA-KEVITRA HANAO BATISA

Taorian’ny hetsika fitsaboana fialana amin’ny sigara sy paraky izay notanterahina tao amin’ny fokontany Ampahazony, Vaki-paritra Masovariaka, ny herinandro lasa teo, dia notohizana tamin’ny alalan’ny kaoferansa ara-panahy sy famelabelarana ara-tsoratra masina. Nanomboka ny alahady 31 Aogositra izany ary hifarana ny Sabata 06 Septambra izao.

Ny Loholom-piangonana, Eliasy Randriavonona, no mitondra ny famelabelarana nampitondraina ny lohateny hoe “Ho avy indray Kristy”. Araka ny tatitra, dia tena mahavelombolo ny asa satria rehefa natao ny antso ho amin’ny batisa dia 34 no nanapa-kevitra hiroso sy haneho ny finoany an'kristy amin’ny batisa.

Nampahafantarina azy ireo fa “izay mino sy atao batisa no ho vonjena”, ary izany no nanamafy ny fanapahan-kevitr’izy ireo hanara-dia an’i Jesosy Kristy. Raha ny fanazavana, mbola faritra “maizina ara-panahy” ny any an-toerana satria fady amin’ny mponina maro any ny mivavaka. Isan-kariva dia eo amin'ny 100 eo ireo manatrika ny famelabelarana .

Ny Fiangonana Advantista “Ilay Fitiavana Mandresy” no mpiara-miasa sy mpiantoka amin’ity asa fitoriana ity, miaraka amin’ireo tanoran'ny fiangonana. Araka ny fandaharana, dia hifantoka ao an-toerana avokoa ireo fiangonana amin’ny Sabata izao mba hanamafisana ny asa sy hanohanana ny vokatry ny fitoriana , ka hisy fanompoam-pivavahana Fanaovam-batisa.

02/09/2025

1 Tesaloniana 5:21
"Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara."

HETSIKA FAMARANANA FITSABOANA FIALANA AMIN’NY SIGARA, PARAKY, TOAKA SY RONGONY: NAHAZO FAHAFAHANA I MASOVARIAKA. Tontosa...
01/09/2025

HETSIKA FAMARANANA FITSABOANA FIALANA AMIN’NY SIGARA, PARAKY, TOAKA SY RONGONY: NAHAZO FAHAFAHANA I MASOVARIAKA.

Tontosa ny sabotsy 30 Aogositra 2025 teo
tao amin’ny vaki-paritra Masovariaka, fokontany Ampahazony, ny famaranana ny hetsika fitsaboana fialana amin’ny sigara, paraky, kafe, toaka ary rongony izay nokarakarain’ny fikambanan’ny Tanora Advantista ao amin’ny fiangonana Ilay Fitiavana Mandresy, distrikan’i Mahajanga Atsimo. Niarahana niasa tamin’ny Dr Eliasy Randriavonona, izay nitondra sy nikarakara mivantana ny fitsaboana. Voarakitra ho nahitam-pahombiazana ity hetsika ity satria tamin’ireo mpandray anjara nanaraka fitsaboana 27 mianadahy, dia 25 no afaka tanteraka taorian’ny fitsaboana ary notolorana mari-pahatsiarovana manokana, ho porofon’ny fahafahana azo tamin’ireo fahazaran-dratsy ireo.

Zava-nisongadina manokana

Nampiavaka ity hetsika ity ny nahafahan’ny iray amin’ireo raiamandreny teo an-tanana , lehilahy 78 taona, izay nandritra ny 63 taona nifohana sigara sy nihinana paraky. Na teo aza ny faharetan’ny fahazarana ratsy, dia afaka soamantsara tsy nisy fahasarotana izy, ka notononina ho sangany tamin’ireo rehetra nanaraka fitsaboana hatrizay nanaovana ity hetsika ity, satria izy no zokiny indrindra sy naharitra indrindra tamin’ny fihinanana ireo zava-mahadomelina nefa afaka soa aman-tsara.
Araka ny fanazavan’i Dr Randriavonona tamin’ny fitsaboana rehetra nataony dia ity no sangany Amin’ ny faharetana sy zokiny indrindra hatrizay nanaovany ny fitsaboana. Ny tsiambaratelo lehibe dia ny fanarahana an-tsakany sy an-davany ny toromarika rehetra momba ny fitsaboana.

Lanonana sy hafaliana iombonana

Ny lanonana famaranana dia notronin’ireo mpikambana ao amin’ny fiangonana Ilay Fitiavana Mandresy, sy ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny fokontany Ampahazony, izay nanakatona tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika. Nisy koa ny fotoana fiaraha-misakafo nanehoana ny hafaliana iombonana sy ny fifaliana tamin’ny vokatra azo.

Ankoatra ny lafiny fitsaboana, dia mitohy amin’ny famelabelarana ara-Baiboly sy fianarana soratra masina ihany koa ny hetsika, izay mikendry ny hanampy ireo mpandray anjara hanamafy ny fiainam-baovao tsy misy sigara, paraky, toaka na rongony, ary hiatrika amin-kery sy finoana ny fiaraha-monina misy azy ireo.

FIDINAN’NY VIDIN-TSOLIKA Araka ny fanambarana nataon’ny Office Malgache des Hydrocarbures (OMH), dia tafiditra amin’ny h...
01/09/2025

FIDINAN’NY VIDIN-TSOLIKA

Araka ny fanambarana nataon’ny Office Malgache des Hydrocarbures (OMH), dia tafiditra amin’ny heriny manomboka ny Alatsinainy 01 Septambra 2025 ny vidin-tsolika vaovao eto Madagasikara.

Ny fanitsiana dia tafiditra ao anatin’ny “Mécanisme d’Ajustement Automatique des Prix de carburants”, izay mifanaraka amin’ny fiovaovan’ny vidiny eny an-tsena iraisam-pirenena.

Ireto avy ny vidiny vaovao:
• Lasantsy na Super Carburant (SP95) : 5 090 Ar/L
• Solika Fandrehitra na Pétrole Lampant (PL) : 3 380 Ar/L
• Gazoala na Gasoil (GO) : 4 530 Ar/L

Nambaran’ny OMH fa ireo toby mpaninjara solika rehetra manerana ny Nosy dia tsy maintsy manaraka io vidiny vaovao io.

Nanampy ireo tompon’andraikitra fa ny fanitsiana toy izao dia anisan’ny fomba fitantanana ny tsena mba hisorohana ny tsy fitovian’ny vidiny isam-paritra sy hanamafisana ny mangarahara eo amin’ny sehatry ny solika.

Ny mpanjifa sy ny fiarahamonina kosa dia asaina manara-maso ny tabilao ofisialy avoakan’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Solika, mba hahazoana antoka fa manaraka ireo fepetra napetraka ny toby solika rehetra.

Sary:

LASY FITORIANA TAO BEMOKOTRABemokotra, 24 – 31 Aogositra 2025Tontosa soa aman-tsara tao Bemokotra, ao anatin’ny distrika...
31/08/2025

LASY FITORIANA TAO BEMOKOTRA

Bemokotra, 24 – 31 Aogositra 2025

Tontosa soa aman-tsara tao Bemokotra, ao anatin’ny distrika Andranovao, ny Lasy Fitoriana nokarakarain’ny tanora, izay nifantoka tamin’ny lohahevitra avy ao amin’ny Isaia 6:8.

Nisongadina tamin’ity hetsika ity ny fanoloran-tenan’ny tanora miisa 60 mahery, izay tonga nanatanteraka ity lasy fitoriana ity. Nandritra izany fotoana izany dia tanora 13 no nanao voady, ary 17 kosa no nahazo mari-pandrosoana nanomboka tamin’ny ambaratonga mpisantatra hatramin’ny guide. Voalaza ihany koa fa mbola hitohy amin’ny fanolorana chef guide izany mandritra ny fivorian’ny Distrika.

Fandaharam-potoana sy Asa Vita
• Maraina: Fanamboarana sy fanarenana ny fiangonana Bemokotra.
• Tolakandro: Fitoriana mitety tokantrano sy fifampizarana amin’ny mponina.
• Fanofanana: Natao ho an’ny mpitarika fiangonana sy ireo mambra ao an-toerana, momba ny andraikitra sy ny anjara toeran’izy ireo amin’ny fampandrosoana ny fiangonana Bemokotra.

Ny Loholona Ravokatra Robert Richard no nitondra ny hafatra sy toromarika rehetra avy amin’ny Pastoran’ny distrika, ka nanazava sy nanampy tamin’ny fanatanterahana ny fandaharan’asa tany an-toerana.

Ity lasy ity dia nanamarika indray fa vonona ny tanora hanolotra ny ainy ho an’Andriamanitra sy ho amin’ny asa fitoriana, ho valin’ilay antso hoe: “Inty aho, iraho aho” (Isaia 6:8).

Distrika Advantista Andranovao

Fotoana manan-tantara ho an’ny FMNO : Famaranana Convention Pastorale sy fanosorana Mpitandrina. Mahajanga, 30 Aogositra...
31/08/2025

Fotoana manan-tantara ho an’ny FMNO : Famaranana Convention Pastorale sy fanosorana Mpitandrina.

Mahajanga, 30 Aogositra 2025 — Tontosa teto Mahajanga, foiben’ny Federasiona Madagascar Avaratra Andrefana (FMNO), ny fotoana lehibe roa nanamarika ny fiainan’ny Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito aty amin'nyfaritra Madagasikaraavaratraandrefana. Ny voalohany dia ny famaranana ny Convention Pastorale izay notanterahina nanomboka ny Talata 26 hatramin'ny Sabata 30 Aogositra 2025 . Ny faharoa kosa dia ny fanosorana Mpitandrina efatra mirahalahy nandritra ny fotoam-pivavahana lehibe tamin’ity Sabata 30 Aogositra 2025 ity.

Famaranana ny Convention Pastorale

Ny Convention Pastorale dia fotoana natokana hanamafisana ny fahaiza-mitantana sy ny fanompoana ataon’ny Mpitandrina, nandraisana fampaherezana ara-panahy sy torolalana hoenti-mandroso amin’ny fampandrosoana ny asan’ny fiangonana. Nandritra izany dia nisy fifampizaràna traikefa, toriteny ary fandaharan’asa samihafa izay nanampy ny mpitandrina sy ny vadiny hiroso am-pinoana sy amim-pahatokiana amin’ny asa fanompoana sy famonjam-panahy sahanin-izy ireo.

Fanosorana Mpitandrina

Tao anatin’ny fanatrehana mpino maro teny amin'ny tokotany malalaka an'ny RaiamandrenyDelchoiseteny Andonvinjo , nohasoavina tamin’ny fanosorana Mpitandrina :

• Pastora BAYANTE ISMAEL CHRISTIEN

• Pastora SIDOMI

• Pastora FARAMANANA GATIEN

• Pastora CRELA

Fotoana manokana ho azy ireo izany hanamafisan'izy ireo ny voady amin'ny antso voarain'izy ireo amin’ny andraikitra masina sy mavesatra eo amin’ny fanitarana ny asan’ny filazantsara, nitondra fampaharezana ho azy ireo ny Pastora Bijou Michael miandraikitra ny fivondronan'nympitandrina advantista ato amin' ny ranomasimbe indiana izay nifototra tao amin'ny Genesisy 12: 1-4. Nandray ny hosotra masina izy ireo ary ankehitriny dia tonga eo amin'ny laharana sy isan'ireo mpitandrina advantista maneran-tany.

Tonga nanotrona sy nanome voninahitra sy lanja ity fotoan-dehibe ity ireo mpitantana avy amin’ny Union (IOUC – Indian Ocean Union Conference), ary nitondra fiofanana manokana ny tolak'andron'ny sabata , anisan’izany:

• Dr SOLOFO GEORGE JEAN MESMERT, Filohan’ny IOUC

• Fr RALANDISON ROLLAND, Mpitantan'asa ara-bola

• Ireo Talen'ny département ao amin’ny Union : Pastora BIJOUX MICHAEL mivady ( Fiainam-pianakaviana) , Pastora HERINIAINA ANDRIAMANANTENA ( Asa Fitorianasy Sekoly ), Pastora ANDRIANASOA JHON (Fitantanam-piainana kristianina), Pastora HAJA RAHARIJAONA ( J.Asy Aumônerie), Pastora RADO RAKOTONANDRASANA ( Fifandraisana sy fahafahana ara-pivavahana), ary Ramatoa HAJA RAZANABOLOLONA ( Vehivavysy ny Ankizy).

Nampita hafatra mazava ireo mpitarika fa mitaky finiavana, fanoloran-tena ary fifampirarahana amin’Andriamanitra ny asa fanompoana. Nisaotra manokana ny fiangonana sy ny fianakaviam-be adventista ato amin'ny FMNO izy ireo noho ny firaisankina sy ny fifanohanana. Marihina ity hetsika ity no farany hiarahana amin'izy ireo mialohan'ny fiheveran-draharaha atao ny volana septambra izao.

Andro lehibe sy manan-tantara ho an’ny FMNO ity Sabata 30 Aogositra 2025 ity, satria tsy vitan’ny hoe nampiova sy nanamafy ny asan’ny Mpitandrina, fa koa nanokatra pejy vaovao tamin’ny fanosorana mpiandraikitra vaovao 4 be izao.

Isaorana Andriamanitra fa vita soa aman-tsara ny fandaharana rehetra teo ambany fanatrehany. Hirariana ny hisian'ny fandrosoana mandrakariva.

Fédération Madagascar Nord-Ouest
La Rédaction Oasis 106.4 FM

30/08/2025
FIOFANANA MIKASIKA NY ALPHABÉTISATION ETO MAHAJANGAMahajanga – Ny alarobia 27 aogositra 2025, notanterahina teto an-toer...
28/08/2025

FIOFANANA MIKASIKA NY ALPHABÉTISATION ETO MAHAJANGA

Mahajanga – Ny alarobia 27 aogositra 2025, notanterahina teto an-toerana ny fiofanana mikasika ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ary mikajy (alphabétisation) ho an’ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny DREN Boeny sy ny avy amin’ny fitantanana ny fonja eto Mahajanga.

Ny tetikasa “MITSINJO” no nikarakara sy namolavola ity fiofanana ity, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka, ho fampitomboana ny fahaiza-manao sy ny traikefan’ireo mpiofana.

Anisan’ny tanjona lehibe amin’ity hetsika ity ny fanamafisana ny fahafahan’ireo voafonja misitraka ny zony amin’ny fampianarana, ka hahazo fahalalana fototra amin’ny famakiana teny, fanoratana ary fahaizana mikajy. Manampy betsaka amin’ny fanarenana sy fanomanana ny fiainana aorian’ny fanasaziana ihany koa izany, araka ny fanazavana nataon’ny mpikarakara.

Antenaina fa hanokatra làlana vaovao ho an’ny fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana ao anatin’ny tontolon’ny fonja eto amin’ny faritra Boeny ity fiofanana ity, ary hanome fahafahana vaovao ho an’ireo olona mbola sahirana amin’ny fahaizana mamaky teny sy manoratra.

Crédit photo DREN BOENY

FIVORIAMBEN’NY MPITANDRINA SY NY VADINY – FMNO . Mbola ao anatiny tanteraka ny Fivoriamben’ny Mpitandrina sy ny vadiny, ...
28/08/2025

FIVORIAMBEN’NY MPITANDRINA SY NY VADINY – FMNO .

Mbola ao anatiny tanteraka ny Fivoriamben’ny Mpitandrina sy ny vadiny, iarahan’ny Fikambanan’ny Mpitandrina manerana ny FMNO eto Mahajanga . Ny alakamisy 28 aogositra 2025 anisan’ireo mandray anjara sy manampy amin’ny fanofanana ny mpitandrina sy ny vadiny nanome fampiofanana manokana ny Ps Rado Rakotonandrasana, avy eo anivon’ny Foibe Fivondronana aty amin’ny Ranomasimbe Indianina. Nizara tamim-pahavitrihana izy momba ireo asa tanterahin’ny Departemantan’ny Fifandraisana sy ny Fahafahana ara-pivavahana (PARL), izay mikendry indrindra ny fanamafisana ny andraikitra maha-mpitandrina eo amin’ny sehatra sosialy sy ny fiaraha-monina.

Ity fivoriambe ity dia manamafy ny maha-zava-dehibe ny fifampizarana traikefa sy fanofanana amin’ny sehatra samihafa, ho fanohanana ny asa fitoriana sy fanompoana izay iantsorohan’ny mpitandrina sy ny ankohonany .

Communication/ PARL IOUC

28/08/2025

FINALE CHAN 2024

MISY HATRANY NY FANARAHANTSIKA MIVANTANA NY LALAO MANOLOANA NY LAPAN'NY TANANA NY SABOTSY 30 AOGOSITRA 2025 HARIVA.

Address

Majunga
401

Telephone

+261326688125

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Radio OASIS Mahajanga FM 106.4 posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Radio OASIS Mahajanga FM 106.4:

Share

Category