Député Jolce Maminirina

Député Jolce Maminirina Lonoky Samby ho Tsara 🙏🙏🙏

🎯 01/08/2026, Famporisihana ny tanora amin'ny lafiny fanatanjahantena, Manakara. ⚽️ 🏆🏅Fifaninanana nationaly lalao baoli...
01/08/2026

🎯 01/08/2026, Famporisihana ny tanora amin'ny lafiny fanatanjahantena, Manakara.

⚽️ 🏆🏅Fifaninanana nationaly lalao baolina kitra izay ny FC Zanagasy no hisolo tena ny Ligin’ny kitra Vatovavy Fitovinagny hatao any Antsirabe.

🫶Tonga nankahery sy nanolotra fanohanana ny ekipan’ny FC Zanagasy, ho enti-miatrika ny lalao.
Noho ny adidy sy ny fandaharam-potoana, dia efa hariva vao tafahaona tamin'ny solotenan’ny ekipan'ny FC Zanagasy androany.

💪 Mirary fahombiazana sy fandresena ho an'ny FC Zanagasy ho reharehany faritra ❤️⚽

Lonoky samby ho tsara 🙏

🇲🇬 🎓31/07/2026, ONIVERSITE eto Manakara. Dingana lehibe ho amin’ny fampandrosoana!📍Taorian’ny fangatahana fametrahana On...
31/07/2026

🇲🇬 🎓31/07/2026, ONIVERSITE eto Manakara.
Dingana lehibe ho amin’ny fampandrosoana!

📍Taorian’ny fangatahana fametrahana Oniversite tena izy eto Manakara, natao nandritra ny fihaonana niarahana tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta farany teo.

✅ Tonga nijery ifotony ny toerana kasaina hananganana ny Oniversite eto Manakara ny delegasiona notarihin'Andriamatoa Minisitran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.

🙏 Isaorana ny Fitondram-panjakana tamin’ny fanamafisana ny fahavononana hanatanteraka ny tetikasa.

Lonoky samby ho tsara 🙏

🎙️ 29/ 07/2026| KOPI KOLÉ– Manakara Tontosa soa aman-tsara ny fifaninanana KOPI KOLÉ teto amin’ny Distrikan’i Manakara. ...
30/07/2026

🎙️ 29/ 07/2026| KOPI KOLÉ– Manakara

Tontosa soa aman-tsara ny fifaninanana KOPI KOLÉ teto amin’ny Distrikan’i Manakara.
🎤✨👏🎶 KOPI KOLÉ RIM_ K sy SKAIZ no voafantina hisolo tena an’i Manakara amin’ny famaranana any Antananarivo.

✨Hita taratra ny talenta ananan’ireo nandray anjara tato amin’ny Distrikan’i Manakara.
Nahafinaritra sy feno fifaliana ny fiarahana 🫶🥰

🙏 Isaorana:

- TV PLUS Madagascar Ofisialy tamin’ny fiaraha -miasa nitondra fialamboly,
- Radio Ravinala Manakara FM 94.6Mhz
- Isika rehetra nifanome tanana tamin’ny fikarakarana nahatontosana ny hetsika,
- Ireo mpitsara ny lalao tamin’ny asa lehibe vita,
- Ireo mpandray anjara rehetra,
- Indrindra ny vahoaka tonga maro nanohana sy nampiseho firaisankina.

💙 Mirary fahombiazana ho an’ireo solontenantsika. 🫶Hotohanantsika hatrany izy ireo mba ho reharehan’ny faritra !

Lonoky samby ho tsara 🙏

🕊️✝️ Miondrika ampanajana manoloana izao fahalasan’ny Ray aman-dreny Be RAMANANTSOA Charles izao. Izy no isany zokiolona...
20/07/2026

🕊️✝️ Miondrika ampanajana manoloana izao fahalasan’ny Ray aman-dreny Be RAMANANTSOA Charles izao.

Izy no isany zokiolona indrindra nomem-boninahitra, Fokontany Mangarivotra Antsinana tamin’ny farany taona 2025.

Nametraka tantara tsara teo amin’ny tontolon’ny fanabeazana izy.

Mirary fionona feno ho an’ny fianankaviana iray manontolo 🙏

09/07/2026

Caravane du sourire à Manakara

Lonoky samby ho tsara 🙏

08/07/2026

🇲🇬 Maro ny nangataka hamerenana ny fandraisam-pitenena, fa tsy nahatratra ny fampitana mivantana, nandritra ny fihaonana niaraka tamin’ny mpikambana ao amin'ny Governemanta ny 03/06/2026.

Ireto ny teboka manan-danja ho an'ny Distrikan'i Manakara :

♦️🏢 Fanarenana biraom-panjakana:

- Lapan’ny Fitsarana ao Manakara
🆗️ Misaotra ny Ministra mpiahy namaly avy hatrany ny fangatahana.

- Biraon'ny "Trésor "Manakara be
🆗️Misaotra ny Ministra misahana izany fa voavaly ary hisy ny fanamboarana amin'ny taona ity.

- Biraon'ny CISCO Manakara be

♦️👨🏽‍✈️Filaminam-bahoaka: Fametrahana kaomiseran'ny Polisy amin'ny boriborintany ( commissariat d'arrondissement), hanamafisana ny fandriampahalemana, mba hanampiana ny efa misy dia ny Manakara be sy Ambalamanasa.

♦️🌱Fambolena: Fanamafisana ny fangatahana toha-drano manondraka tanimbary, teboka efa resahana foana.

♦️⚓️Fitaterana: Port, FCE, Canal de PANGALANA, teboka izay hamafisina foana ary ilana fanohanana.

♦️Atitany:
👉Fizaran'ny Distrikan'i Manakara, nagatahana fanohanana manokana avy amin'ny Praiministra, hanamafisana ny fangatahana efa maro natao.

👉🚒 Fametrahana « Pompiers » mpamono afo amin'ny alalan'ny BNGRC eto Manakara.

♦️🎓Fampianarana ambaratonga ambony : Fametrahana" Université" tena izy eto Manakara ho an'ireo tanora mpianatra.

♦️Indostria sy ny Varotra: Fametrahana orinasa mpanodina vokatra, anisan'ny antoky ny fampandrosoana ho an'ny Distrikan'i Manakara ihany koa io teboka io.

♦️Fanatanjahatena: Fampitaovana ho entina miatrika ny ASIEF

♦️ Rano: Fametrahana paompy famonoana afo " bouche à incendie " isaky ny fokontany, hanampy amin'ny ady amin'ny haitrano matetika misy eto Manakara.

♦️Asa Vaventy: Fanatsarana ny fanamboaran-dalana efa misy.

♦️Fanajariana ny tany: Mankasitraka ny Ministra ny fisiany ny lalàna momba ny famerenana ny tany nampiasain'ireo mpanjanaka vahiny "COLON" haverina amin'ny Malagasy.

Lonoky samby ho tsara 🙏

🇲🇬 🎓 Fanadinam-panjakana BEPC 2026. Mirary fahombiazana feno ho an’ireo zandry, zanaka miatrika fanadinana BEPC amin’iza...
06/07/2026

🇲🇬 🎓 Fanadinam-panjakana BEPC 2026.

Mirary fahombiazana feno ho an’ireo zandry, zanaka miatrika fanadinana BEPC amin’izao 🙏

Mirary soa sahady koa ho an’ireo izay hanala ny fanadinana bakalorea 🙏

✅🎯Ho antsika ato anatiny distrikan’i Manakara,toy fanao tsika , dia hisy fanomezana manokana ho an’izay sangany na ny mahazo naoty ambony indrindra ( Lauréat) ny CEPE, BEPC ary ny BACC.

Lonoky samby ho tsara aby 🙏

⚽️ 🎆28/06/2026, fialamboly baolina kitra, seho ( spectacle) mbola ao anatiny fankalazana ny fetim-pirenena, CR Ambahatra...
29/06/2026

⚽️ 🎆28/06/2026, fialamboly baolina kitra, seho ( spectacle) mbola ao anatiny fankalazana ny fetim-pirenena, CR Ambahatrazo, Fokontany Manakana.

⚽️✅ Ny baolina kitra no taranja tena tiany tanora, hatrany Ambanivohitra.

🙏 Misaotra ny Mr YANCK mifanampy miaraka mampandroso ireo tanora aty ambanivohitra.

✅ Ankoatra ny lalao baolina kitra, nisy ihany koa ny « spectacle » natao nanonkafana ny kianja tena izy « chez YANCK » niarahana tamin’ny ireo « artistes » izay vao misandratra ato amin’ny faritra, marihina fa vao voalohany no nisiany ny hetsika toy izao ao an-toerana.

Lonoky samby ho tsara 🙏

🇲🇬🇲🇬🇲🇬 26/06/2026, faha 66 taona ny fahaleovantenan’i MADAGASIKARA. « Enga anie hanjaka ao ny SAINA sy FO mahay miray, D...
26/06/2026

🇲🇬🇲🇬🇲🇬 26/06/2026, faha 66 taona ny fahaleovantenan’i MADAGASIKARA.

« Enga anie hanjaka ao ny SAINA sy FO mahay miray,
Dia ho tany sambatra ilay MADAGASIKARANAY»

Lonoky samby ho tsara 🙏

🎓📚25/06/2026,  Passation de fanion, classe terminale, promotion 2025-2026, LPM( Lycée Présentation de Marie) Manakara.🙏A...
25/06/2026

🎓📚25/06/2026, Passation de fanion, classe terminale, promotion 2025-2026, LPM( Lycée Présentation de Marie) Manakara.

🙏Ampitiavana no nanekeko ho « Parrain » (Ray piahy) ireto mpianatra « classe Terminale » andiany 2025-2026 misalotra ny anarana, ILO « IRÀ LOHARANON’OLOM-BANONA » ao amin’ny LPM.
🎯« Fahendrena-Fahaizana-Fahombiazana » no tarigetran’izy ireo.

Mirary fahombiazana ho azy ireo amin’ny fanadinana « baccalauréat »izay hatao.

🎓Ny Diplôma dia fanana sarobidy izay mitoetra ho an’izay nahazo azy.

Lonoky samby ho tsara 🙏

Address

District Manakara
Manakara
316

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Député Jolce Maminirina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share