04/09/2026
TANY VINANIVAO/ANTALAHA SUD - OLONA IRAY MPANOMPO TROMBA NANOLO-TENA HO AN'I JESOSY.
Fanahy telo no nanapa-kevitra hanolotra ny fiainany ho an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny batisa, tao Vinanivao, distrikan’Antalaha, taorian’ny nandresen’ny herin’ny Filazantsara lahatra azy ireo hanaraka ny fahamarinana.
Anisan’ireo vita batisa ny tovolahy iray, 31 taona, izay tsy afaka mandeha noho ny ratra nahazo azy. Na teo aza anefa ny toe-pahasalamany sy ny zava-tsarotra sedrainy, dia nanapa-kevitra ny hanolotra ny fiainany ho an’Andriamanitra izy.
Ny roa ambiny kosa dia mpivady. Nisongadina manokana tamin’ity fotoana ity ny tantaran’ilay ramatoa, izay fantatra ho isan’ireo mpanao tromba nalaza tao amin’ny Kaominina Vinanivao. Saingy, noho ny fiasan’Andriamanitra teo amin’ny fiainany, dia resy lahatra izy ka nanapa-kevitra ny handao tanteraka ny fomba fiainany taloha ary hanaraka ny Fahamarinana.
Ho mariky ny fanapahan-keviny sy ny fiovam-pony, dia nomeny ho levonina avokoa ny fitaovana rehetra nampiasainy tamin’ny fanaovana tromba, tamin’ny Alarobia 12 Aogositra lasa teo.
Nitohy tamin’ny dingana lehibe kokoa izany fanoloran-tena izany ny Alarobia 02 Septambra, rehefa niara-nanao batisa izy mivady, ka nanambara ampahibemaso ny fanapahan-keviny hanaraka an’i Jesosy Kristy.
Zava-mitranga mampiseho indray fa mbola miasa eo amin’ny fiainan’ny olona Andriamanitra ary mbola manana hery hanova fo sy hanome fiandohana vaovao ho an’izay rehetra manaiky Azy ny Fahamarinana.
Voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany!
Ampanavoana, Antalaha-Sud.