Radio AINA Fm 92.2 Mhz Mananjary

Radio AINA Fm 92.2 Mhz Mananjary Radion'ny Diosezin'i Mananjary

FIADANANA TSARATANANA DISTRIKA IFANADIANA.     🟢 Miisa 62 ireo nandray ny Sakramentan'ny fankaherezana ny talata 04 Aogo...
04/08/2026

FIADANANA TSARATANANA DISTRIKA IFANADIANA.

🟢 Miisa 62 ireo nandray ny Sakramentan'ny fankaherezana ny talata 04 Aogositra 2026 ity. Avy ao amin'ny fiadidiana Ambohimiera sy Tsaratanàna distrikan'Ifanadiana izy ireo. Sorona Masina notarihin'i EVEKA Mgr JOSÉ ALFREDO teto amin'ny Fiangonana eto .

🟢 Nahatsiaro manokana an'ireo rehetra ny Eveka amin'izao andro fetin'ny izao, no miantso hatrany ny Kristianina rehetra, hivavaka hoan'ny fiantsoan'Andriamanitra. " Ary tsy mivavaka fotsiny, fa mila mirotsaka antsehatra ny tsirairay amin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly . Vavolombelona sahy mandray andraikitra .. Mankahery anareo amin'izany ny " hoy ny Eveka.

🟢 Nasehon'ireo Kristianina avy ato amin'ny fiadidiana Tsaratanàna sy Ambohimiera tamin'ny alalan'ny tolotra samihafa ihany koa ny fisaorana sy fankasitrahana manokana an'i , noho ireo soa sesehena azo nandritra ny azy ato amin'ny Diosezy Mananjary.

FIANGONANA FO MASIN'I JESOA, DISTRIKA IFANADIANA DIOSEZY MANANJARY.     🟢 Miisa 82 mianadahy ireo tanora nandray ny  . S...
02/08/2026

FIANGONANA FO MASIN'I JESOA, DISTRIKA IFANADIANA DIOSEZY MANANJARY.

🟢 Miisa 82 mianadahy ireo tanora nandray ny . Sorona Masina notarihin'i Eveka ny Alahady 02 Aogositra 2026 ity.

🟢" Tsy ny m**o sy hazandrano nampitomboina intsony, fa ny m**o velona dia ny Eokaristia no zarain'i Jesoa Kristy hoantsika mandrak'ankehitriny. Tsy manam-pahataperana ny fizarana fahasoavana ary tsy misy tokony hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i KRISTY. Koa aoka hatoky azy hatrany isika, hijoro ho Vavolombelona sy ho sahy handray andraikitra. Hanampy sy hankahery anareo amin'izany ny ." hoy ny Eveka tamin'ny toriteny.

FIOFANANAN'IREO KATESISTA NIVEAU _ II AO AMIN'NY CENTRE BETLEEM MANANJARY.🔰  Miisa 18 mianadahy ireo Katesista niveau II...
29/07/2026

FIOFANANAN'IREO KATESISTA NIVEAU _ II AO AMIN'NY CENTRE BETLEEM MANANJARY.

🔰 Miisa 18 mianadahy ireo Katesista niveau II manovo fiofanana ao amin'ny CCB Mananjary ity , avy amin'ny Distrika samihafa, ato amin'ny Diosezy Mananjary.

🔰 Mampiavaka izao fiofanana izao ny fitondrana vady aman-janaka , ary samy mahazo fiofanana avokoa na ireo vady aman-janany ireo aza.

🔰 Miompana amin'ny fianarana momban'ny Sakramentan'ny Mariazy, Filaharana , fianarana Baiboly ho an'ireo Katesista, raha fianarana nahandro, zaitra ,fahadiovana sy ny maro kosa ny an'ireo vadin'ny Katesista.

🔰 Nitondra fampianarana ara-baiboly izay ary tamin'ity Alarobia 29 Jolay ity , P. Frank OWUSU AYAKWAH ; SVD

🔰 Nanomboka ny 13 Jolay lasa moa ity fiofanana ity ka tsy hifarana Raha tsy ny 10 Aogositra izao.

29/07/2026

FETIN'NY TARANAKA

➡️FIVAHINIANANA MASINA DISTRIKA AMPASINAMBO, NY ALAKAMISY 23 JOLAY TEO KA HATRAMIN'NY ALAHADY 26 JOLAY .🔴  Fandaharam-po...
28/07/2026

➡️FIVAHINIANANA MASINA DISTRIKA AMPASINAMBO, NY ALAKAMISY 23 JOLAY TEO KA HATRAMIN'NY ALAHADY 26 JOLAY .

🔴 Fandaharam-potoana marolafy no nenti-nanamarika ny fivahinianana Masina tao amin'ny Distrika Ampasinambo ity nandritra io efatra (4) andro io: vavaka fandalinam-pinoana , antsam-panahy , fampianarana sy ny marohafa.

🔴 Maro ihany koa ireo nandray fahasoavana tamin'izany : miisa (12) ireo nandray ny Sakramentan'ny Batemy , (166) kosa ireo nanao komonio voalohany , (1) ny tokan-trano niroso tamin'ny Sakramentan'ny fanambadiana.

🔴 Marihina moa fa ity no fitsidihana voalohany nataon'ny P. VELOMARO Célestin , tao amin'ny faritra Avaratra , taorian'ny fanendrena azy ho Vikera Jeneralin'ny Diosezy Mananjary.

🔴 Tamin'izao fivahinianana Masina izao ihany koa moa no nanaovana veloma an'ny P. ANDRIANIAINA Victor Anthony sy fr. Angelo izay voairaka hiasa any amin'ny Distrikan'Ambodilafa sy hanohy fianarana.

26/07/2026
🇻🇦 # _DISTRIKA TSIATOSIKA DIOSEZY MANANJARY_ # : 37 mianadahy no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana androany Alahad...
26/07/2026

🇻🇦 # _DISTRIKA TSIATOSIKA DIOSEZY MANANJARY_ # : 37 mianadahy no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana androany Alahady 26 Jolay 2026 tao amin'ny Fiangonana Mb Terezy Tsiatosika.

⛪Sorona Masina notarihin'ny Vikera Jeneraly Mompera RAMOSANDRIANARIVO Laraison izay notronon'ny Mompera curé P MIANDRISOA Rémi sy Mompera ZAFIMAHATRATRA Armand.

✅Mihena ny fahafoizan-tenantsika ankehitriny.Mila mahafoy izay heverintsika tsara isika mba afahantsika mahazo ny tsara kokoa eo amin'ny fiainantsika. Indraindray mantsy isika tsy mahafoy fa te handray fotsiny.Ny mahafoy izay midika koa hoe fandraisana andraikitra sy mirotsaka manontolo.

✅Nomena antsika ny Sakramenta ho mpandray andraikitra dia ny Fanahy Masina mba ho velona ny Finoantsika sy ny fiangonantsika.Koa miezaha isika handray andraikitra.
✅I Kristy izay nahafoy ny AINY ho antsika: Isany Fampianarana izay noentin'ny Solontenan'ny Eveka tamin'ireo nandray ny Sakramentan' ny Fankaherezana tao Tsiatosika izao.

Fiadidiana 3 moa no mandrafitra ity Distrika ity.

TARABOLANA _ ANTANANARIVO , FETY MARO SOSONA .🔴  Tontosa soa aman-tsara ny Alahady 19 Jolay ity ny fankalazana manetrike...
19/07/2026

TARABOLANA _ ANTANANARIVO , FETY MARO SOSONA .

🔴 Tontosa soa aman-tsara ny Alahady 19 Jolay ity ny fankalazana manetriketrika ny taon-jobily faha-25 naha Eveka an'ny Mgr José Alfredo ; SCJ niarahany tamin'ny firahalahiana sy ny fianakaviam-be Dehonianina izay fikambanana misy azy sy fanamasinana ho pretra an'ny Diakra sy ho Diakra an'ny frera tao amin'ny chapelle Jean Paul II & Jean XXIII Ambolokandrina.

🔴 Mompera RABERAHALAHY Hilarion ; scj moa izay voatendrin'ny fikambanana hiasa ao amin'ny Paroasy Notre Dame de Fatima , Ambohimirary - Antananarivo.

🔴 Fahasoavan-dehibe ho an'ny fikambanam-ben'ny Dehonianina manontolo eto Madagasikara izao , koa miarahaba azy ireo !

IVON'NY FANKALAZANA NY FIVAHINIANANA MASINA ATY AMIN'NY FIADIDIANA AMBODIRIANA SAHAFARY, DISTRIKA NOSY VARIKA.🛑➡️   Nota...
19/07/2026

IVON'NY FANKALAZANA NY FIVAHINIANANA MASINA ATY AMIN'NY FIADIDIANA AMBODIRIANA SAHAFARY, DISTRIKA NOSY VARIKA.

🛑➡️ Notanterahina tegny amin'ny vohitra Ambohimahavelona ny ivon'ny fankalazana ny pélerinage fanao isan-taona taty amin'ny fiadidiana Ambodiriana Sahafary tamin'ity Alahady 19 Jolay ity.

🛑➡️ Nitarika ny Sorona Masina tety an-toerana ny Vikera Jeneraly P. RAMOSANDRIANARIVO LARAISON , misolo tena ny Eveka , notronon'ny P. JEAN Damascène ; curé an'ny Distrika NOSY VARIKA sy P. RAFANOMEZANTSOA Juvance ary P. Cyprien Costkas.

🛑➡️ Nasongadin'ny P. RAMOSANDRIANARIVO LARAISON tamin'ny toriteniny àry ny fanentanana an'ireo kristianina amin'ny fanavahana ny tsara sy ratsy , ny fialana amin'ny ratsy , ny fialana amin'ny fahotana ary ny handresena ny ratsy ao anatin'ny tsara.

🛑➡️ Nifanindry an-dalana tamin'izany ihany koa moa ny fanavaozan'ireo tanora sy olon-dehibe ny toky tamin'ny Batemy ( profession de foi) , ka handray ny Sakramentan'ny fankaherezana amin'ny taom-pikatrohana ho avy.

Miarahaba ny Pretra vaovao vao nohamasinina avy ao amin'ny fikambanana SVD
18/07/2026

Miarahaba ny Pretra vaovao vao nohamasinina avy ao amin'ny fikambanana SVD

Address

Ampasimandrorona BP 58
Mananjary
317

Opening Hours

Monday 06:00 - 21:00
Tuesday 06:00 - 21:00
Wednesday 06:00 - 21:00
Thursday 06:00 - 21:00
Friday 06:00 - 21:00
Saturday 06:00 - 21:00
Sunday 06:00 - 21:00

Telephone

+261340364629

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Radio AINA Fm 92.2 Mhz Mananjary posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category