
07/07/2025
๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ - ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐`๐๐ ๐๐๐๐, ๐๐๐๐๐`๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐๐๐
(๐ ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ผ ๐ฎ๐ป๐๐๐ผ ๐ฎ๐บ๐ถ๐ป`๐ป๐ ๐๐ผ๐บ๐ฝ๐ผ๐ป`๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ฎ๐ถ๐ธ๐ถ๐๐ฟ๐ฎ ๐บ๐ฏ๐ฎ ๐ต๐ฎ๐บ๐ฒ๐ฟ๐ฒ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ ๐๐ผ๐น๐ฎ ๐ถ๐ผ ๐ฏ๐ฒ๐ป`๐ป๐ ๐๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ฟ๐ผ๐ฎ ๐น๐ฎ๐ต๐ ๐ฎ๐ป๐ฎ๐๐ถ๐ป`๐ป๐ ๐ณ๐ฎ๐ฟ๐ถ๐๐ฟ๐ฎ ๐ณ๐ฒ๐ต๐ฒ๐๐ฒ๐ป`๐ป๐ ๐บ๐ถ๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐บ๐ถ๐น๐ฎ)
๐ปTokantrano iray ao amin`ny zanam-pokontany Ambodimanga, fokontany Vodivato kaominina Antanambaonamberina no niharan`ny tery nataon`ny miaramila 2 lahy miasa amin`ny kaominina Antanambaon`amberina sy Ampatakamaroreny, andron`ny 12 aprily 2025, tokiny tamin`ny 1 ora maraina. Lelavola 600.000 Ariary no nalaina ankeriny tamin`ny tovolahy iray tamin`ny tanana ity. Araka ny nambaran`ireo lasibatra dia nofatorana ary norahonana ho entina miaraka amin`ireo miaramila ary ho tifirina raha tsy manome vola.
โ
Nitaraina tamin`ny ben`ny tanana tao Ampatakamaroreny ireo lasibatra taorian`izay. Nisy ny fifanarahana taorian`izany ka nanaiky hamerina vola miaramila roa lahy nanao tery. Olona tsy manana olana tao an-tanana no nanaovana tery vay manta nakana lela-vola ity, hoy ny ben`ny tanana roa tonta. Nilaza ho nantsoin`ny lehibeny ireo miaramila tato afara ka tsy hita tao Ampatakamaroreny ankehitriny. Ankilany, mbola manantena ny hiverenan`ny vola ny fokonolona ao Ambodimanga, Vodivato ka tondron`izy ireo nampandositra miaramila ireo ny ben`ny tanana ao Ampatakamaroreny. (Kaominina roa mifanila vodirindrina sahanan`ny miaramila mpampandry tany izy ireo)
โ
Manao antso manoloana izany ny ben`ny tanana ao Ampatakamaroreny, Rasambison Jacques sy Antanambaonamberina, Ravelo Janera ny mba hamerenana ny vola 6 hetsy ariary satria hitarika lonilony amin`ny kaominina mpifanila vodirindrina izany raha ny nambaran`izy ireo.
Lahatsoratr'i Ledy
Fayol, Radioo Feon'ny Sofia