
13/09/2025
📛📛DEPIOTE ANTOINE RAJERISON : MIANTSO NY HANESORANA NY SEFO DISITRIKAN'ARIVONIMAMO TSY MISY ATAK'ANDRO📛📛
❌❌Manao tohivakana ny antojay atao amin'ny Solombavambahoaka voafidy tao anatin'ny distrikan'Arivonimamo ,andriamatoa Antoine Rajerison .
🚨🚨Nambaran'ity depiote ity fa hatreto dia bahanan'ny lehiben'ny distrika ao an-toerana ny famohana ny volan'ny CIAD taona 2024 sy 2025 , izay tokony nividiana simenitra sy fitaovana hananganana sekoly sy barazy, fanamboaran-dalana ary fitaovana ho an’ny kaominina.
🚨🚨Noho izany , mitaky ny fanesorana tsy misy hatak'andro ny sefo distrika ao an-toerana ireo depiote miisa roa sy ireo vahoaka rehetra tokony hisitraka izany ,ambon'ireo rrehetra ireo dia kamo sy tsy matotra io lehiben'ny distrika io.
❌❌Ankoatra izay ,voasakana ihany koa ny hetsika ara-pahasalamana « clinique mobil » nokasain'ity solombavambahoaka ity ho atao ,sy atolotra ho an'ny vahoaka ao anatin'ny distrikany.
🚨🚨Noho ireo antony rehetra ireo dia mitaky tsy misy hatak'andro ny :
👉 Hanesorana io lehiben'ny distrika Arivonnimamo io ny vahoaka sy ny solombavambahaoaka ao an-toerana
👉 Hamoahana avy hatrany ny CIAD 2024 sy 2025 (volan’ny vahoaka tokony hisitrahany foto-drafitr'asa sns..)
👉Hamerenana ireo sefo fokontany nalana tsy ara-drariny nefa tena nanao soa ho an’ny vahoaka
👉Ary indrindra tsy ho tapaka intsony ny jiro araka ny fampanantenana
📛📛Raha tsy tateraka ireo fitakiana ireo dia hiaraka hanao hetsika goavana miaraka amin’ny vahoaka ny solombavambahoaka Antoine Rajeriso sy ireo mpiara dia aminy .
©