RADIO 2000 - Maroantsetra

RADIO 2000 - Maroantsetra Radio 2000
Médias d' information/d’actualités

*LEHILAHY IRAY MISANDOKA HO MPAMPANOA LALÀNA SY MPISOLO VAVA NO TRATRA.  * OLONA 08 MIANADAHY VOASAMBOTRA NOHO NY VAKY T...
24/08/2026

*LEHILAHY IRAY MISANDOKA HO MPAMPANOA LALÀNA SY MPISOLO VAVA NO TRATRA.

* OLONA 08 MIANADAHY VOASAMBOTRA NOHO NY VAKY TRANO

• Lehilahy iray fantatra amin’ny anarana hoe TSIMIRAFY Samuel avy any amin’ny Distrikan'i Antalaha Faritra SAVA, no voasambotra tao Antakotako Kaominina Ambanivohitra Antakotako ihany Distrikan'i Maroantsetra Faritra Ambatosoa ny Zoma 21 Aogositra 2026 rehefa avy nitety tanàna maromaro nanao asa fisolokiaka sy fisandohana andraikitra ambony toy ny :
Avocat, Procureur ary indraindray misandoka ho Zandary.
Milaza ho :
✓Mahatafaboaka olona avy amponja,
✓Mahatafiditra olona miasa,
✓Manararaotra mpivarotra tsy manana taratasy ara-dalana eny ambanivohitra,
✓Ary efa nikasa hampiaka-bady zanak’olona tany Ambanivohitra tamin’ny fisandohana ho Procureur izy io dia izao tratra izao.
Tao no efa azony fananana, tao no azony vola, sns…
Natao famotorana tao amin’ny Brigadin’ny Zadarimariam-pirenena teto Maroantsetra izy io ary atolotra ny Fampanoavana.

• Mikasika ny vaky trano kosa dia mitohy ny famongorana izany asa ratsy izany ary mandeha hatrany ny fanadihadiana ataon’ny Zadarimariam-pirenena avy amin’ny Brigady Maroantsetra izay tarihin’ny Komandin'ny tombimparitry ny Zadarimariam-pirenena.

✓Olona valo (08) mianadahy izao no tratra ary atolotra ny fampanoavana amin’izao fotoana.
Loharanom-baovao ara-potoana avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafahana niroso tamin’ny fisamborana ireo olon-dratsy rehetra ireo.

Etoana dia mbola manentana atsika vahoaka ny Zadarimariam-pirenena mba hanome loharanom-baovao ara-potoana raha misy olona mampiahiahy na tratra manao asa ratsy.
Afaka miantso maimaimpoana ny laharana maitso 119 mampafantatra izany na manatona mivantana eny amin’ny Birao fa mijanona ho tsiambaratelo ny loharanom-baovao.
Namanao ny zandarimaria

📷 Tsilavomanana Maroantsetra Ofisialy

FREQUENCE LOVE
11/07/2026

FREQUENCE LOVE

ITY INDRY NY LOHEVITRA ANTSIKA INIANY" TOKONY HOMENA TELEPHONE VE NY ANKIZY LATSAKY NY 15 TAONA"?
09/07/2026

ITY INDRY NY LOHEVITRA ANTSIKA INIANY" TOKONY HOMENA TELEPHONE VE NY ANKIZY LATSAKY NY 15 TAONA"?

AKORY ATSIKA JIABY!Ity lohevitra antsika iniany VOLA SA FAHASALAMANA"? alefaso ny fanehoe-kitranao ao amin'ny commentair...
08/07/2026

AKORY ATSIKA JIABY!

Ity lohevitra antsika iniany VOLA SA FAHASALAMANA"? alefaso ny fanehoe-kitranao ao amin'ny commentaire ao, fa ho vakinay eto amin'ny radio deux mille Maroantsetra

Efa nisy fotoana ve nahatsapa ho nisy nanaraka, nefa nony farany tsy nisy akory? Zarao aminay amin'ny commentaire na haf...
05/07/2026

Efa nisy fotoana ve nahatsapa ho nisy nanaraka, nefa nony farany tsy nisy akory? Zarao aminay amin'ny commentaire na hafatra."

FAMINDRAM-PITANTANANA TEO AMIN'NY MEDECIN INSPECTEUR TEO ALOHA SY VAOVAOAndroany Alatsinainy 16 Martsa 2026 tao amin'ny ...
16/03/2026

FAMINDRAM-PITANTANANA TEO AMIN'NY MEDECIN INSPECTEUR TEO ALOHA SY VAOVAO

Androany Alatsinainy 16 Martsa 2026 tao amin'ny efitrano fivoriana tao amin'ny Préfecture Maroantsetra no natao ny lanonana famindram-pitantanana teo amin'ny Medecin Inspecteur teo aloha Dr Andriantsiory Lalahy Francois sy ny Medecin Inspecteur vaovao Dr Ralay Ranaivo Tiana Yves.

Raha tsiahivina dia 6 taona lasa izay no nitantanan'i Dr Andriantsiory Lalahy Francois izay andraikitra maha Medecin Inspecteur azy tato anatin'ny Distrikan'i Maroantsetra. Nihatsara ny toeran'i Maroatsatra teo amin'ny sehatry ny fahasalamana noho ny ezaka natao.

Laharampamehana amin'izao mpitantanana vaovao izao ny fanatsarana ny fomba fandraisana ny marary sy ny mpitondra marary mba tsy hisian'ny fimenomenomana eny amin'ny tobim-pahasalamana rehetra ato amin'ny Distrikan'ny Maroantsetra. Anisan'ny ezaka hatao koa ny fomba hafahana mampitombo ny isan'ny mpiasan'ny fahasalamana indrindra fa ny mpitsabo Spécialiste, ny fampiasana ireo fitaovana araka ny tokono ho izy ary fangatahana amin'ny fanjakana fihofanana hoan'ny mpiasan'ny fahasalamana arakaraka ny filana.

Talohan'ny nanendrena azy amin'izao maha Medecin Inspecteur azy izao dia efa nisahana toerana maha Directeur Adjoint Technique-ny Centre Hospitalier Universitaire Place Kabary tany Antsiranana i Dr Ralay Ranaivo Tiana Yves. Efa nandalo ambaratongan'hopitaly CSB2, CHRD, CHRR, ary CHU ihany koa izy.
Chef d'unité de Médecine et Pédiatrie CHRD2 Maroantsetra no nisy azy talohan'izao fanendrena azy izao.

  TEMPETE TROPICALE GEZANI ,Nitombo ny heriny! mbola hiamafy izy io rehefa hiakatra antanety.Tombatombana amin’izao 00H1...
09/02/2026

TEMPETE TROPICALE GEZANI ,Nitombo ny heriny! mbola hiamafy izy io rehefa hiakatra antanety.

Tombatombana amin’izao 00H10 izao:

Rivotra entiny~ 110 km/h.
Rafales ~ : 155 km/h.
Distance : 314 km EST - Foulpointe.
Déplacement : OUEST, à 19 km/h

🌀 Tombanana hanomboka hisy orana ny ao Fenerive hatra Vatomandry ny Talata antoandro, ny tapany tolakandro hiamafy ny rivotra sy ny Orana, « vers 16H à 21H » hiakatra antanety ny rivo-doza GEZANI,

https://www.facebook.com/share/p/1FAaNoc5Qn/?mibextid=wwXIfr

Araho tsy ny pejy : RADIO 2000 - Maroantsetra.
FM 96.6

Address

Maroantsetra
512

Opening Hours

Monday 05:00 - 22:00
Tuesday 05:00 - 22:00
Wednesday 05:00 - 22:00
Thursday 05:00 - 22:00
Friday 05:50 - 22:00
Saturday 05:00 - 22:00
Sunday 05:00 - 22:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when RADIO 2000 - Maroantsetra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to RADIO 2000 - Maroantsetra:

Shortcuts

Share

Category