
18/07/2024
Ny fahitanay vahoaka mpitazana azy, manoloana ilay publication nataon’ILAY MPITSARA NITSOAKA AN-DAHARANA, ka nanao sesitany ny tenany any ivelan’i Madagasikara any, dia tsy iza fa i FANIRISOA ERNAIVO mahakasika indrindra ny fanaratsiana sy fanosoram-potaka ny Minisitra Landy MBOLATIANA sy Me FREUDON vadiny dia hoy izahay hoe, tena vavan’ny maty an-drano ve no ilazana azy resaky ny mpitaty ran-kena?
Vavan’ny maty an-drano satria raha tena mahasahy milaza ny marina, dia tokony mankaty an-tanindrazana milaza ny hevitrao, ary mitondra ny fanazavanao fa tsy any ivelany no miwatawata arak any filazan’ny tanora azy.
Vavan’ny mitaty ran-kena satria tsy manana porofo am-pelatanana akory, fa vao mangataka MP avy aman’olona, izay tsy fantatra izay fahamarinany, dia efa sahy milaza fa manao Bizana maloto( ?) ilay olona soketaina ?
Aminao ? mpitsara ve no anaran’izany, miaina amin’ny MP na honohono izany ?
Lava be ilay resaka fa ny hamintinanay azy dia izao e !
Minisitra tena miasa, ary nahatety an’i Gasikara iray vohitra ity Minisitry ny Fitsarana ity, atena nahavita be teto amin’ny rafitra Fitsarana Malagasy izy, Izy no nahavita nampahafantara hoan’ny daholobe izany hoe « asan’ny Ministeran’ny Fitsarana izany » ary niezaka mafy hampanjaka ny rariny, indrindra fa ilay ady atao amin’ny fahalovana dia ny ady atao amin’ny Kolikoly.
Ka hoya ho hoe … alahelo sa fialonana izao hataonao izao ry Fanirisoa a !