Mi Radio FM 102.8Mhz Officiel

Mi Radio FM 102.8Mhz Officiel Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Mi Radio FM 102.8Mhz Officiel, Radio Station, Ampanasana_Quartie2, Miandrivazo_Region Menabe, Miandrivazo.

Ce groupe est destine à tous qui ont soif de..........mais aussi pour faire connaitre les......., Alors en partageant les evenement, les travaux etc... Donc si vous avez en vie de partage quelque truc, partager les information.

25/01/2024

👉 Manavy ny zanakao ?
👉 Matahotra ianao sao mifanintona izy ?
🤒 Resaka manavy sy fanintona ny lohahevitra androany 👇

🤒 Inona no atao hoe manavy ?
✖ Rehefa ambanin'ny 36,5°C ny zaza dia mangatsiaka izy izay.
✖ Rehefa 36,5°C hatramin'ny 37,5°C ny zaza dia antonony ny hafanany.
✖ Rehefa 37,6 hatramin'ny 38,5°C ny zaza dia manavy kely azo leferina.
✖ Ary rehefa miohatra ny 38,5°C ny zaza dia manavy. Eo izy vao afaka omena fanafody.
↪ Io famantarana ny tena hafanana marina io no hilavana ny THERMOMÈTRE satria tsy hatokisana ny mitsapa amin'ny tanana (ny loha mety hafana nefa tsy manavy akory ny zaza), ary mba hahalalana hoe efa azo omena fanafody ve ny zaza sa mbola azo iafiana.

🔫 Tsy hatokisana ny thermomètre ilay tifirina toa ny basy ireny. Tsara kokoa raha thermomètre à mercure (ilay tsy mila pile ireny) satria ny thermomètre électronique tsinona mety diso rehefa efa ho lany pile.

🤒 Ny fampiasana ny thermomètre ?
✖ Raha tena te hahazo ny valiny marina dia atsofoka any amin'ny lava-body ny thermomètre. Satria ny hafanan'ny ao anatin'ny vatana no tena mila fantarina fa tsy ny aty ivelany.
✖ Mba TSY HAMPIJALIANA NY ZAZA dia atao ao ambany helika ny thermomètre. Fa mila ampiana 0,5°C ny valiny azo.
Oh : 39,4°C no nipoitra valiny teo. Atao +5 ny aorian'ny virgule izay dia 39,9°C izany no tena hafanan'ny zaza.
⚠ Tsy tsara ampidirina am-bavan'ny zaza ny thermomètre manjary mety vaky.

⚠ Aza mifantoka be loatra amin'ny habetsaky ny tarehimariky ny hafanan'ny zaza fa ny FAHATANTESANY ny hafanan'ny vatany. Izany hoe, jerena aloha ny fihetsiky ny zaza : tsy maninona izy fa tantiny tsara ilay manavy, nefa mbola niakatra ny hafanan'ny vatany, dia tsy misy hatahorana fa tohizo ny fampidinana ny hafanana. Fa aza avela miohatra ny 40°C kosa aloha.

🚨 Ireto avy no famantarana fa tsy zakan'ny zaza ny fanaviana :
❗ Fihetsika hafahafa : toa ny tsy misy réaction intsony ny zaza rehefa resahina, na kitikitihina, na tairina, ...
❗ Loko hafahafa : fotsy hatsatra ny zaza, na mangamanga ny molony na ny tanany sy ny tongony.
❗ Respiration hafahafa : miaina haingana be izy (misefosefo), na sahirana be miaina.
↪ Manatonà pédiatre farany izay haingana rehefa mitranga amin'ny zaza manavy ny iray amin'ireo.
↪ Ankoatra ireo dia tsy mbola misy hoe hatahorana be 😉

🚑 Raha zaza latsaky ny 3 volana no manavy (miohatra ny 38,5°C ny hafanany), dia tokony tonga dia manatona pédiatre haingana. Raha zaza latsaky ny 1 volana dia tokony hiditra urgences.

🌡 Inona avy no atao rehefa manavy ny zaza ?
✖ Hanesorana tsikelikely ny akanjony mba hampangatsiatsiaka azy tsikelikely.
Oh : Esorina aloha ny gants sy ny bas. Afaka 10mn esorina ny akanjo bà. Afaka 10mn soloina short ny pataloha.
⚠ Tsy azo ampiborodanina tampoka ny zaza manjary mampisy choc thermique : mafana be dia lasa mangatsiaka be tampoka. Manjary mampikaikona ny lalandrà tampoka ka mety hahasafotra na hahafaty mihitsy aza.
⚠ Tsy azo ampandroana amin'ny rano mangatsiaka izy satria tsy mandaitra izany, sady isorohana choc thermique.
✖ Atao peta-glasy ny zaza : maka lamba madio dia lemana rano mangatsiaka. Dia fihazana. Iny no apetaka ny handrin'ny zaza.
⚠ Mety hampavoan'ny sery na gripa ny zaza io.
🌟 Ianaro ato ny fitsaboana ny sery sy gripa : https://www.facebook.com/100984206697995/posts/2787873081342414
✖ Raha 37,6 hatramin'ny 38,5°C ka hitanao fa malemilemy ny zaza dia omeo fanafody fampidinana hafanana ny zaza isaky ny adiny 6, mandrampidinan'ny hafanany ho 37,5°C.
✖ Raha miohatra ny 38,5°C ny hafanany dia omena fanafody fampidinana hafanana ny zaza isaky ny adiny 6, mandrampidinan'ny hafanany ho 37,5°C.
✖ Raha miohatra ny 38,5°C ny hafanany dia azonao omena isaky ny adiny 4 raha tsy mety midina mihitsy ny hafanana, mandrampidinan'ny hafanany ho 37,5°C.

💊 Ny paracetamol no fanafody manala fanaintainana SY mampidina ny hafanana.
⚠ Tsy azo omena antibiotique ny zaza raha manavy satria otrikaretina no mampanavy azy fa tsy bactéries : ny bactéries no vonoin'ny antibiotiques.

⚠ Misy karazany ny fanafody misy paracetamol : Doliprane, Efferalgan, Dafalgan, Dolko, Paralyoc, Perfalgan ... Fa
✖ FANAFODY NATOKANA HO AN'NY ZAZA no omena ny zaza satria misy fatrany mila hajaina arakaraky ny lanjan'ny zaza ny paracetamol. Ka raha ny paracetamol an'ny olon-dehibe no zarainao 4 dia lasa miohatra ny mety ny zaza ka lasa mitarika aretina ho azy indray ary mety hahafaty azy mihitsy aza.
✖ Fanafody misy paracetamol 1 ihany no omena ny zaza mba tsy hioharan'ny fatra (dose) mety. Izany hoe omena Doliprane dia efa mety ny zaza fa tsy hoe sady omena Doliprane izy no omena Efferalgan.
🌟 Ianaro ato ny fomba fanomezana fanafody ny zaza : https://www.facebook.com/100984206697995/posts/3230932140369837

🤮 Raha hatahorana handoa ny zaza, dia aleo suppositoire no ampiasaina. Ny suppositoire ihany koa haingana fiasa kokoa noho ny sirop. Oh : Doliprane suppositoire.

⏱ Afaka 45mn taorian'ny nampidirana azy vao manomboka miasa ny fanafody fa tsy eo noho eo. Noho izany, mila tohizana foana ny fampidinana ny hafanana amin'ny fomba natoraly (atao maivamaivana ny akanjo, atao peta-glasy ...) mandrampiasan'ilay fanafody.

📆 Tokony haharitra 5 andro farafahabetsany ny sery, angine, bronchite, ... izay vokatry ny otrikaretina (mampanavy).
✔ Raha toa ka miohatra ny 5 andro nefa mba efa nisy fiovana kely ny fijerinao ny zaza (mba nahinan-kanina ihany ohatra) dia tsy misy hatahorana.
✔ Raha toa ka 3 andro nitohitohy ho an'ny zaza latsaky ny 3 taona ary 5 andro nitohitohy raha zaza miohatra ny 3 taona ka tsy nety nihidina mihitsy ny hafanan'ny zaza dia mila manatona pédiatre.

💡 Raiso sary an-tsaina hoe ny jiro ao an-trano. Raha toa ka betsaka loatra ny prizy hatsatoka amin'ny courabt dia misy court-circuit izay mety handoro trano. Ka tapahan'ny disjoncteur ny jiro. Rehefa mitranga izay dia averina ampiretina ny disjoncteur, dia jerena sao dia misy tsy mandeha intsony ny rehetra nampiasaina teo.
➡ Tahaka izay ny mitranga rehefa mifanintona ny zaza. Nisy court-circuit nitranga fa niakatra tampotampoka amin'ny tsy zakan'ny zaza ny hafanan'ny vatany (manavy). Dia nopihan'ny disjoncteur mandritra ny fotoana fohy ny atidoha sao simba : izay ilay nifanintona. Izany hoe ny fanintona izany no miaro ny atidohan'ny zaza mba tsy ho simba raha ny tena marina. Fa ilay zaza manavy no mety nampisy fiantraikany ratsy tamin'ny atidoha sy vatana (court-circuit).

🔦 Rehefa avy mifanintona ny zaza dia miverina amin'ny laoniny ny fiasan'ny atidoha, raha tsy hoe efa nisy fiantraikany ny hafanam-batana avo loatra tampoka teo aloha. Izay no hilavana hanaovana examen neurologique an'ny zaza avy nifanintona : jerena hoe normal daholo ve ny atidoha.

🔁 Raha miverina in-2 na in-3 izay dia tsy hatahorana. Fa raha toa ka miverimberina foana avy eo, na faritra iray amin'ny vatana ihany no mihovitrovitra dia izay vao jerena hoe sao dia misy zavatra hafa mahatonga an'ilay fanintona.

🚨 Inona no atao raha toa ka mifanintona ny zaza ?
➡ Esory ny pataloha, vahao ny bokotra amin'ny akanjony, sy izay rehetra mety hanembatsembana ny respiration an'ny zaza.
➡ Ataovy izay hampidina ny hafanany : ataovy maivamaivana ny akanjony.
➡ Ataovy en Position Latérale de Sécurite (PLS) ny zaza (jereo ny sary), izany hoe tazomy mihorirana fa tsy mitsilany, ny loha somary ambanimbany, sao dia kenda tampoka raha nisy zavatra ny vavany na mandoa.
➡ Halaviro ny fanaka izy sao mipoaka amin'ny zavatra ny lohany.
➡ Tsy fehezina ny vatany mba tsy hihetsika.
➡ Tsy sokafana ny vavany raha tsy hoe nisy kilalao na sakafo raikitra ao, ary tsy hampidirana zavatra ny vavany.
➡ Jereo hoe maharitra hafiriana ny fanintona satria ilain'ny mpitsabo izany.
➡ Hoento any amin'ny mpitsabo ny zaza vao tapitra ilay izy.

🌡 Noho izany, tsy an-kifidy ny tarehimarika izay mipoitra amin'ny thermomètre ny mampidy fanintona. Fa arakaraky ny fahatantesan'ny atidoha izay hafanam-batana izay io. Mety hoe miova na dia kely fotsiny aza ny hafanam-batana dia mifanintona ny zaza. Oh : Mety hifanintona ny zaza na vao 37,9°C aza, na efa 40°C, na 38°C ...

👶 Zava-doza ho an'ny zaza latsaky ny 3 volana ny mabavy sy mifanintona. Fa na izany aza, samy hatahorana daholo ny zaza rehetra rehefa mifanintona, na firy volana na firy taona.

👋 Tsy hoe sendra nifanintona ny zaza tamin'ny nanavy dia lasa hifanintona foana izy na ho voan'ny épilepsie. Io arakaraky ny zava-mitranga.

📚 Tao amin'ny pejy Toubib or not toubib : https://www.facebook.com/401563697126072/posts/450103662272075
📚 Nalaina tao amin'ny Dr Sanon Mercedes (Pédiatre) : https://www.facebook.com/1189719511060664/posts/2817395268293072

📌 Tageo ny reny rehetra izay matahotra resaka fanaviana.
💖 Ataovy j'aime 👍 sy araho ny pejy mba hahitanao torohevitra hafa momba ny fikarakarana zaza.
💌 Tonga dia alefaso message (fa tsy ao amin'ny commentaire) ny fanontaniana fa aza miera fa manjary miandry ela be ianao vao ho voavaly.

Madagascar: La Foire de l'économie rurale rassemble des centaines d'agriculteurs à Antananarivo.À Madgascar, la Foire in...
06/08/2023

Madagascar: La Foire de l'économie rurale rassemble des centaines d'agriculteurs à Antananarivo.

À Madgascar, la Foire internationale de l'économie rurale bat son plein à Antananarivo Rendez-vous.
Incontournable du secteur, elle rassemble, jusqu'à dimanche 6 Août, près de 450 cultivateurs, élèveurs, pêcheurs ou encore transformateurs venus de toute l'île soutien à la filière agricole elle vise à faciliter les relations commerciales entre producteurs et potentiels acheteurs alors que de nombreux paysans peinent à ecouler leurs récoltes à des prix décents

Source: RFI
Published: 05 Août 2023
www.rfi.fr

Suivez toute l'information politique, culturelle, sportive en direct et en continu sur RFI. Les dernières informations, news et actualités en France et à l'international.

28/07/2023

Ampahan'ireo sakafo tsara ho an'ny vatana :

Maso : katsaka, karaoty, atody 🥕🌽🥚
Hozatra : akondro, hena mena, atody 🍌🥩🥚
Hoditra : thé vert, saumon, myrtille🐟🍀☕
Taovam-pisefoana : broccoli, laisoa🥦
Volo : legioma maitso, tsaramaso, saumon🥒🥬
Atidoha : saumon, sardine, thon, noix 🐟
Fo : ovy, voatabia🥔🍅
Tsinay : yaourt, prune 🍒
Taolana : ronono, voasary🍊🍶
Zarao fa mety mahasoa ny namana

28/07/2023

𝙏𝙊𝙈𝘽𝘼𝙉’𝙉𝙔 𝙏𝙊𝙀𝙏𝙍𝙔 𝙉𝙔 𝘼𝙉𝘿𝙍𝙊 | 29 Jolay 2023

1️⃣ Ny Maraina :
Handrahona any Analanjirofo, Atsinanana sy Antalaha, izay mety arahina orana tandrifindrahona mahalana any Maroantsetra sy ireo toerana sasany manodidina azy. Hibahan-toerana kokoa ny masoandro ho an'ny faritra hafa, fa mety hisy zavona vao maraina ny toerana sasany amin'ny afovoan-tany.

2️⃣ Ny Tolakandro :
Handrahona hatrany ny andro any Analanjirofo sy Antalaha, izay mety arahina orana tandrifindrahona vitsy ny alina. Hibaliaka ny masoandro amin'ny faritra sisa.

3️⃣ Ny Maripana:
Antananarivo 9 / 23 Antsirabe 6 / 22 Fianarantsoa 10 / 22 Morondava 14 / 27 Mananjary 18 / 27 Farafangana 18 / 25 Nosy-Be 19 / 32 Toamasina 17 / 27 Mahajanga 19 / 35 Taolagnaro 18 / 24 Sainte-Marie 19 / 27 Toliara 13 / 31 Antsiranana 19 / 31 Antalaha 19 / 29 Maintirano 19 / 29 Maevatanana 19 / 34 Ambositra 10 / 22 Ranohira 11 / 22.

🔑 Météo Madagascar

Madagascar: Les transporteurs réclament des travaux d'urgence sur la route nationale 2À Madagascar, les transporteurs de...
27/07/2023

Madagascar: Les transporteurs réclament des travaux d'urgence sur la route nationale 2

À Madagascar, les transporteurs de la route nationale 2 demandent la réfection des point noire sur cet axe en mauvais etat qui relie le grand port de Tamatave sur la Côte Est à la capitale Antananarivo. Artère économique du pays ou transitent 75% des marchandises importeés cette route n'a cessé de se dégrader ces dernière années le passage des différents cyclones et tempetes dans l'est de l'ile. Les accident et pannes de véhicules se succèdent deplorent les chauffeurs routiers qui se menacent de cesser leurs activités

Source: RFI
Published: 26 Juillet 2023
www.rfi.fr

Suivez toute l'information politique, culturelle, sportive en direct et en continu sur RFI. Les dernières informations, news et actualités en France et à l'international.

26/07/2023

Te haharay lesona maro sy vocabulaires isan'andro ao amin'ny MP? Mametraha kaomantera hoe "MERCI", dia tafiditra ho abonnés privés ianao.

25/07/2023

Comment reconnaître un œuf frais.
👉🏻 Fiche trouvée sur Pinterest.

Madagascar: les autorités tentent de rassurer sur les préparatifs des jeux des îles de l'Ocean IndienÀ Madagascar, les a...
25/07/2023

Madagascar: les autorités tentent de rassurer sur les préparatifs des jeux des îles de l'Ocean Indien

À Madagascar, les autorités tentent de rassurer sur la capacité du pays à acceillir les jeux des îles de l'Ocean Indien du 25 Août au au 03 Septembre 2023, que ce soit sur la qualité des infrastrucures ou sur la preparation des athlètes malagasy. À Madagascar les autorités réportent aux inquietudes concernant les preparatifs des jeux des îles de l'ocean Indien. Des crainte concernant les travaux de rénovation des infrastructures ont emérgé ces dernières seamaines au sein des délégations des pays qui prendront part à cette edition.

Source: RFI
Published: 24 Juillet 2023
www.rfi.fr

Suivez toute l'information politique, culturelle, sportive en direct et en continu sur RFI. Les dernières informations, news et actualités en France et à l'international.

  !!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!  ( )*Laharam-pamehana dia ny fahadiovana.*Ny loto sy ny korontana dia mahatonga ny tr...
25/07/2023


!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!

( )
*Laharam-pamehana dia ny fahadiovana.
*Ny loto sy ny korontana dia mahatonga ny tranga ratsy matetika, ary misy fiantraikany ara-tsaina mihitsy aza.

*Ndao resahina indray ary ny makasika izany, afaka mandray anjara isika ato amin'ny asehoy ny hevitrao ary tohano ny fahalalanao
*Aza adino ny hafatra sy firariantsoa hoan'ny namana sy tapaka e, arahina hira ny fiarahantsika a!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!


-------------------------------------------------------

𝙏𝙊𝙈𝘽𝘼𝙉’𝙉𝙔 𝙏𝙊𝙀𝙏𝙍𝙔 𝙉𝙔 𝘼𝙉𝘿𝙍𝙊 | 25 Jolay 2023
25/07/2023

𝙏𝙊𝙈𝘽𝘼𝙉’𝙉𝙔 𝙏𝙊𝙀𝙏𝙍𝙔 𝙉𝙔 𝘼𝙉𝘿𝙍𝙊 | 25 Jolay 2023

𝙏𝙊𝙈𝘽𝘼𝙉’𝙉𝙔 𝙏𝙊𝙀𝙏𝙍𝙔 𝙉𝙔 𝘼𝙉𝘿𝙍𝙊 | 25 Jolay 2023

1️⃣ Ny Maraina :
Handrahona any Sava, Analanjirofo ary Toamasina. Hisy orana malefaka hiserana indraindray ny manodidina an'i Antalaha sy Maroantsetra. Hisy orana tandrifindrahona ho an'ny morontsirak'i Ampanihy sy Androy. Handrahona vitsy na hibahan-toerana kokoa ny masoandro any amin'ny faritra hafa aorian'ny zavona maraina ho an'ny atin-tany sy ny faritra atsimon'i Madagasikara.

2️⃣ Ny Tolakandro :
Hanorana tandrifindrahona mahalana any Antalaha, Maroantsera, Mahanoro, Marolambo,Vatovavy, Fitovinany, Atsimo atsinanana, Androy, Taolagnaro ary Ampanihy. Handrahona na handrahona mitsitokotoko any amin'ny tapany atsimon'ny atin-tany. Hibaliaka ny masoandro any amin'ny faritra hafa.

3️⃣ Ny Maripana:
Antananarivo 9 / 23 Antsirabe 5 / 24 Fianarantsoa 9 / 23 Morondava 19 / 27 Mananjary 19 / 28 Farafangana 15 / 28 Nosy-Be 20 / 33 Toamasina 17 / 27 Mahajanga 19 / 33 Taolagnaro 15 / 27 Sainte-Marie 19 / 30 Toliara 15 / 26 Antsiranana 21 / 32 Antalaha 20 / 30 Maintirano 20 / 31 Maevatanana 21 / 32 Ambositra 11 / 24 Ranohira 14 / 23.

🔑 Météo Madagascar

HOROSCOPE DU JOURAnio alatsinainy24 Jolay 202321 Mars - 20 Avril ♈♈ BELIER : Ny nenina ange ka aoriana foana, dieny izao...
24/07/2023

HOROSCOPE DU JOUR
Anio alatsinainy
24 Jolay 2023
21 Mars - 20 Avril
♈♈ BELIER : Ny nenina ange ka aoriana foana, dieny izao dia jereo tsara ny atao
Loko manambina : Fotsy
Vintana mifanambina : 21 Avril - 20 Mai TAUREAU
Isa mifanambina : 2
21 Avril - 20 Mai
♉♉ TAUREAU : Andro mety raha hanarenanao ny tsy mbola lafatra anio
Loko manambina : Mainty
Vintana mifanambina : CAPRICORNE
Isa mifanambina : 7 4
21 Mai - 21 Juin
♊♊ GEMEAUX : Aza maika, mandeha miandalana eny ihany izay kasainao ho atao
Loko manambina : Volomboasary
Vintana mifanambina : CANCER
Isa mifanambina : 7 4
22 Juin - 22 Juillet
♋♋ CANCER : Aza gaga fa vokatry ny nataonao daholo ny ho tonga eo
Loko manambina : Fotsy
Vintana mifanambina : BELIER
Isa mifanambina : 4 5
23 Juillet - 22 Août
♌♌ LION : Ifikiro ireo nahitanao soa
Loko manambina: Mena
Vintana mifanambina : CANCER
Isa mifanambina : 7
23 Août - 21 Sept
♍♍ VIERGE : Mialà kely indray amin'ny fahazaranao aloha anio
Loko manambina : Manga
Vintana mifanambina : VIERGE
Isa mifanambina : 9
22 Sept - 21 oct
♎♎ BALANCE : Mety betsaka ny hitarika anao saingy tsarovy fa tsy voatery ho amin'ny tsara izany
Loko manambina : Mavokely
Vintana mifanambina : 21 Avril - 20 Mai TAUREAU
Isa mifanambina : 1
22 Oct - 21 Nov
♏♏ SCORPION : Izay tena ao an-tsainao lazaina azy
Loko manambina : Volomparasy
Vintana mifanambina : LION
Isa mifanambina : 5 2
22 Nov - 22 déc
♐♐ SAGITTAIRE : Aminao ny vintana. Jereo tsara ny fandehan-javatra
Loko manambina : Volondavenona
Vintana mifanambina : BALANCE
Isa mifanambina : 6 1
23 déc - 19 jan
⛎⛎ CAPRICORNE : Mety ho lava loatra aminao ny faharetan'ny asa saingy raha tsy mikiry koa tsy mahazo
Loko manambina : Manga
Vintana mifanambina : SCORPION
Isa mifanambina : 2 5
20 jan - 19 fév
♒♒ VERSEAU : Soa lavo hahay hamindra
Loko manambina : Fotsy
Vintana mifanambina : VIERGE
Isa mifanambina : 6 1
20 fév - 20 mars
♓♓ POISSONS : Ahitsio izay hitanao fa tsy mety ataon'ny manodidina anao
Loko manambina : Volontany
Vintana mifanambina : BALANCE
Isa mifanambina

Address

Ampanasana_Quartie2, Miandrivazo_Region Menabe
Miandrivazo

Telephone

+261343287788

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mi Radio FM 102.8Mhz Officiel posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Mi Radio FM 102.8Mhz Officiel:

Share

Category