
19/05/2022
Fanombohana ofisialy ny fanamboarana lalana mampitohy kaominina Miarinarivo I- Miarinarivo II ary Ambatomanjaka.
Noho ny fahamehana dia natao androany ny lanonana manamarika amin'ny fomba ofisialy ny fanombohana ny fanamboarana ny lalana mampitohy ny kaominina Miarinarivo I-Miarinarivo II ary Ambatomanjaka.
Ny governora ny faritra Itasy Maherizo Andriamanana niaraka tamin'ny Ben'ny tanana Miarinarivo I sy II no nitarika ny fotoana ary notronin'ireo maires maromaro avy aty amin'ny distrikan'i Miarinarivo sy Soavinandriana ary Arivonimamo niampy ireo Tale rezionaly eto an-toerana sy ny sefom-pokontany.
Nanamafy ny governora fa fanatanterahana ny velirano faha-11 nataon'Andriamatoa Andry Rajoelina izao fanamboarana lalana izao indrindra ny afahan'ny kaominina maromaro mifandray (intercommunale) koa hisaorana tanteraka ny Filoha Andry Rajoelina satria tsy tanteraka ny fanamboarana raha tsy nisy ny fankatoavany amin'ny maha tetikasam-panjakana an'io.
Nisaotra ihany koa ny Minisitry ny fambolena sy fiompiana; ny Tahirim-bola iraisam-pirenena ary ny CASEF izay angady nananana sy vy nahitana io foto-drafitr'asa io.
Nanamafy tamn'ny President Directeur General-n'ny entreprise ny governora ny amin'ny tokony handraisan'ny orinasa hiasa ireo tanora aty an-toerana ary tsy nanda izany io Pdg io. Ny fahavitan'ny lalana ahafahan'ny olona sy ny vokatra mivezivezy no zava-dehibe hoy ny governora.
"FARITRA ITASY VONONA KA TSY MAINTSY MANDROSO".