Radio Fanasina Diosezy Morondava

Radio Fanasina Diosezy Morondava Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Radio Fanasina Diosezy Morondava, Radio Station, Cathédrale maria manjaka namahora, Morondava.

👉 Évangélisation

👉 Education

👉 Vérité et Peuple

Adresse : Namahora Morondava en face cathédrale Maria Manjaka Namahora route vers Lycée Catholique Saint Paul

Contact admin : 034 54 334 28 / 032 99 395 50

Ny Evanjely Anio Alatsinainy 31 Aogositra 2026Herinandro Faharoa amby roapolo tsotra Mandavan-taona Evanjely Masina noso...
31/08/2026

Ny Evanjely Anio

Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Herinandro Faharoa amby roapolo tsotra Mandavan-taona

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka 4, 16-30.

"Nirahiny hitory ny teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho ... Tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy, ary niditra tao amin’ny Sinagôga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata, ary nitsangana hanao ny famakian-teny. Natolotra Azy ny bokin’i Izaia mpaminany, ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe: “Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo, hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorîna ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana.” Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin’ny mpitandrina ka nipetraka Izy, ary nifantoka tany Aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagôga. Dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe: “Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany.” Ary nankalaza Azy izy rehetra, sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy ireo: “Tsy ny zanak’i Jôsefa va itý?” Ary hoy kosa i Jesoa taminy: “Marina raha tsy ataonareo amiko ilay ohabolana hoe: “Dokotera, sitrano aloha ny tenanao. Ny zava-mahagaga renay nataonao tany Kafarnaôma mba ataovy eto amin’ny tany nahabe Anao koa.” Dia notohiziny hoe: “Lazaiko marina aminareo fa tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy. Ary lazaiko marina aminareo koa fa maro ny mpitondratena tamin’i Israely tamin’ny andron’i Elia, raha nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana ka voan’ny mosary mafy ny tany rehetra, nefa tamin’izy ireo tsy nisy nanirahana an’i Elia na dia anankiray aza, fa tamin’ilay vehivavy mpitondratena tany Sareptà any amin’ny tany Sidôna ihany; ary be koa ny boka tao amin’i Israely tamin’ny andron’i Elisea mpaminany, nefa tsy nisy sitrana na iray aza, fa i Naamàna Sirianina ihany.” Dia tezitra mafy izay rehetra tao amin’ny sinagôga raha nandre izany, ka tafatsangana nandroaka Azy hiala ao an-tanàna, sady nitondra Azy tany an-tampon’ny tendrombohitra iorenan’ny tanànany mba hazerany any an-tevana; fa namaky teo afovoan’izy ireo Izy, dia lasa.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

31/08/2026

ALATSINAINY 31 AOGOSITRA 2026
Mivantana

Ary hataon’i Jehovah manana amby ampy izay hahasoa anao dia ny aterakin’ny kibonao ( Dt 28,11a)ANDRON’NY Pastora André W...
30/08/2026

Ary hataon’i Jehovah manana amby ampy izay hahasoa anao dia ny aterakin’ny kibonao ( Dt 28,11a)
ANDRON’NY Pastora André William KALEBA
Ndao hirary soa azy isika

Ny Evanjely Anio Alahady 30 Aogositra 2026Alahady Farhaoa amby roapolo tsotra Mandavan-taona  — Taona A"NY FAHASAMBARANA...
30/08/2026

Ny Evanjely Anio

Alahady 30 Aogositra 2026

Alahady Farhaoa amby roapolo tsotra Mandavan-taona — Taona A

"NY FAHASAMBARANA NO TAMBIN’NY FIJALIANA"

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio 16, 21-27.

"Raha misy te hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany."

Tamin’izany andro izany, dia noborahin’i Jesoa tamin’ny mpianany fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy, ary hoampijalian’ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona, dia hovonoina, ary hitsangan-ko velona rehefa afaka hateloana. Ary naka Azy hitanila kely i Piera ka niteny Azy mafy hoe: “Sanatria, Tompo, raha hihatra aminao izany!” Fa nihodina Izy ka nilaza tamin’i Piera hoe: “Mialà amiko, ry Satana! Manafintohina Ahy ity ianao, satria tsy mihevitra araka ny hevitr’Andriamanitra, fa araka ny an’ny olona”. Ary tamin’izay i Jesoa dia nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy. Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy. Inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Fa ny Zanak’olona dia ho avy amin’ny voninahitry ny Rainy miaraka amin’ny Anjeliny, ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy”.

Izany ary ny Tenin’ny Tompo!

30/08/2026

ALAHADY 30 AOGOSITRA 2026

Mivantana

Ny Evanjely Anio Sabotsy 29 Aogositra 2026Fahatsiarovana ny Nahafaty Martiry an'i Md Joany Batista  Evanjely Masina noso...
29/08/2026

Ny Evanjely Anio

Sabotsy 29 Aogositra 2026

Fahatsiarovana ny Nahafaty Martiry an'i Md Joany Batista

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka 6, 17-29.

"Tamin’izany andro izany, i Heroda dia naniraka hisambotra sy hamatotra an'i Joany an-tranomaizina, noho ny amin'i Herodiada vadin'i Filipo rahalahiny izay nalainy ho vady. Satria Joany nanao taminy hoe: Tsy mahazo manam-bady ny vadin-drahalahinao ianao. Koa tonga halan'i Herodiada izy sy niriny ho faty aza, saingy tsy azony natao izany noho ny tahotr'i Heroda an'i Joany, izay hitany fa lehilahy marina sy masina, ka narovany sady narahiny hevitra tamin'ny zavatra maro, sy nohenoiny tamin-kafaliana. Ary tonga ny andro tsara, dia ilay fitsingerenan'ny taona nahaterahan'i Heroda ka nanaovany fanasana ho an'ny manamboninahiny sy ny tompon'arivo ary ny loholona tany Galilea.
Fa niditra nandihy tao an-trano fanasana ny zanakavavin'i Herodiada ka nahafaly an'i Heroda sy izay niara-nihinana taminy; dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: Angataho amiko izay tianao, fa homeko anao, sady nampiany tamim-pianianana hoe: Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao, na dia ny antsasaky ny fanjakako aza. Dia nivoaka razazavavy ka nanontany an-dreniny hoe: Inona no angatahiko? Ary hoy reniny: Ny lohan'i Joany Batista. Dia nidodododo faingana nankao amin'ny mpanjaka izy, ka nangataka hoe: Tiako raha homenao ahy an-dovia izao ankehitriny izao ny lohan'i Joany Batista. Nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy noho ireo olona niara-nihinana taminy dia tsy sahy nandà an-drazazavavy izy, fa nirahiny faingana ny mpiambina anankiray nasainy hitondra ny lohan'i Joany amin'ny lovia. Dia nandeha nanapaka ny lohan'i Joany tao an-tranomaizina ilay mpiambina, ka nitondra azy tamin'ny lovia, ary nomeny an-drazazavavy dia nomen-drazazavavy an-dreniny kosa. Nony nandre izany ny mpianany, dia tonga naka ny fatiny ka nandevina azy.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

28/08/2026

ZOMA 28 AOGOSITRA 2026
Mivantana

🟡 MENABE : VOAFONJA IRAY NANDOSITRA TAO AMIN’NY FONJAN’I MORONDAVA VOASAMBOTRY NY POLISY👮‍♂️ Lehilahy iray mamita sazy a...
28/08/2026

🟡 MENABE : VOAFONJA IRAY NANDOSITRA TAO AMIN’NY FONJAN’I MORONDAVA VOASAMBOTRY NY POLISY

👮‍♂️ Lehilahy iray mamita sazy ao amin’ny fonjan’i Morondava, voalaza fa nandositra no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny CRFIP Menabe teo amin’ny sakana Bemanonga ny Talata 25 Aogositra 2026 tokony tamin’ny 09 ora alina.

🔎 Taorian’ny nahazoan’ny Polisy ny fampahalalana sy ny famaritana momba ilay voafonja, dia natao ny fisavana sy fanaraha-maso teny amin’ny sakana natao eny an-dalana ka nahazoana izao vokatra izao.

✅ Nentina avy hatrany tao amin’ny biraon’ny Polisy izy hanaovana ny fanadihadiana sy handraisana ny fepetra mifanaraka amin’izany.

Source: Polisy pirenena Malagasy

Ny Evanjely Anio Zoma 28 Aogositra 2026Herinandro Faharaika amby roapolo tsotra Mandavan-taona Evanjely Masina nosoratan...
28/08/2026

Ny Evanjely Anio

Zoma 28 Aogositra 2026

Herinandro Faharaika amby roapolo tsotra Mandavan-taona

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio 25, 1-13.

"Intý tamy ny mpampakatra mandehàna mitsena azy ianareo."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza itý fanoharana itý tamin’ny mpianany nanao hoe: “Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny virjiny folo izay naka ny fanalany, ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina. Ny dimy tamin’izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry; ny dimy adala nitondra fanala fa tsy nitondra solika; fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin’ny fitoeran-tsolika. Ary noho ny fahelan’ny mpampakatra, dia samy rendremana izy rehetra ka natory. Fa nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso mafy hoe: ‘Intý tamy ny mpampakatra, mandehàna mitsena azy ianareo.’ Tamin’izay, dia niarina ireo virjiny rehetra ireo ka nanamboatra ny jirony. Ary hoy ny adala tamin’ny hendry: ‘Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay, fa efa ho faty ny jironay.’ Hoy ny navalin’ny hendry azy: ‘Ndrao tsy ampy ho anay sy anareo, fa aleo mankany amin’ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo.’ Ary raha mbola nandeha hividy izy, dia tonga ny mpampakatra ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady, dia nohidiana ny varavarana. Nony afaka kelikely, dia tonga kosa ireto virjiny sasany ka nanao hoe: ‘Tompoko, tompoko, vohay izahay.’ Fa hoy ny navaliny azy: ‘Lazaiko aminareo fa tsy fantatro akory ianareo.’ Koa miambena ianareo, fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.”

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

🚨Lozam-pifamoivoizana fiarabe iray nitondra entana fampiasa andavanandro no nivadika teo amin’ny tetezana mankany Berobo...
27/08/2026

🚨Lozam-pifamoivoizana

fiarabe iray nitondra entana fampiasa andavanandro no nivadika teo amin’ny tetezana mankany Beroboka Avaratra, androany tokony ho tamin’ny 3 ora maraina.
📌Mbola eo am-panangonana vaovao momba izay mety ho naratra na namoy ny ainy ny tompon’andraikitra.

Address

Cathédrale Maria Manjaka Namahora
Morondava
619

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Radio Fanasina Diosezy Morondava posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Radio Fanasina Diosezy Morondava:

Shortcuts

Share

Category