Radio Fanasina Diosezy Morondava

Radio Fanasina Diosezy Morondava Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Radio Fanasina Diosezy Morondava, Radio Station, Cathédrale maria manjaka namahora, Morondava.

👉 Évangélisation

👉 Education

👉 Vérité et Peuple

Adresse : Namahora Morondava en face cathédrale Maria Manjaka Namahora route vers Lycée Catholique Saint Paul

Contact admin : 034 54 334 28 / 032 99 395 50

Sary vitsivitsy nandritra ny fitsofa-drano fanamiana vaovao ho an'ny mpianatry ny Lycée catholique saint Paul Morondava.
07/11/2025

Sary vitsivitsy nandritra ny fitsofa-drano fanamiana vaovao ho an'ny mpianatry ny Lycée catholique saint Paul Morondava.

07/11/2025

Zoma 07 Novambra 2025

Lamesa fitsofan-drano ny fanamian'ny mpianatry ny Lycée Privée Catholique Saint Paul Morondava

Mivantana

Ny Evanjely Anio Zoma 07 Nôvambra 2025Herinandro Faharaika amby telopolo tsotra Mandavan-taona Evanjely Masina nosoratan...
07/11/2025

Ny Evanjely Anio

Zoma 07 Nôvambra 2025

Herinandro Faharaika amby telopolo tsotra Mandavan-taona

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka 16, 1-8.

"Hendrihendry kokoa ny zanak’izao tontolo izao amin’izy samy izy, noho ny zanaky ny fahazavana."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Nisy lehilahy mpanan-karena anankiray nanana mpitandrim-pananana izay nampangain’ny olona taminy fa nandany ny fananany. Dia nantsoiny izy ka nilazany hoe: ‘Ahoana izany fandrenesako anao izany? Avoahy kely hoe ny fitandremanao, fa amin’ny sisa dia tsy hahazo miadidy ny fananako intsony ianao.’ Tamin’izay ilay mpitandrina dia nanao anakampo hoe: ‘Inona re no hataoko, fa esorin’ny tompoko amin’ny fitandremana ny fananany aho itý? Ny miasa tany moa tsy vitako, ny mangataka indray mahamenatra ahy. Aoka fa fantatro izay hataoko, mba handraisan’ny olona ahy any an-tranony rahefa esorina amin’ny raharahako aho.’ Dia nampanalainy tsirairay izay rehetra nitrosa tamin’ny tompony, ka hoy izy tamin’ny voalohany: ‘Ananan’ny tompoko hoatrinona ianao?’ Dia hoy io: ‘Diloilo injaton’ny barika.’ Dia hoy ilay mpitandrina taminy: ‘Raiso ny taratasinao, ary mipetraha ka soraty haingana dimampolo.’ Dia hoy indray izy tamin’ny anankiray: ‘Hoatrinona kosa ny trosa aminao?’ Hoy io hoe: ‘Vary injaton’ny famarana.’ Dia hoy ilay mpitandrina: ‘Raiso ny taratasinao, ka soraty valopolo.’ Noderain’ny tompony ilay mpitandrina tsy marina satria nampiseho hafetsena, fa hendrihendry kokoa ny zanak’izao tontolo izao amin’izy samy izy noho ny zanaky ny fahazavana.”

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

Ny Evanjely Anio Alakamisy 06 Nôvambra 2025Herinandro Faharaika amby telopolo tsotra Mandavan-taona Evanjely Masina noso...
06/11/2025

Ny Evanjely Anio

Alakamisy 06 Nôvambra 2025

Herinandro Faharaika amby telopolo tsotra Mandavan-taona

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka 15, 1-10.

"Hisy hafaliana lehibe any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka."

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny poblikanina rehetra sy ny mpanota, ka nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: “Ilay itý mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy.” Dia nanao itý fanoharana itý tamin’izy ireo i Jesoa hoe: “Iza moa aminareo no manana ondry zato ka very ny anankiray no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an’efitra, ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? Ary rahefa hitany dia ataony eo an-tsorony an-kafaliana, ka nony tonga any an-tranony izy, dia mamory ny sakaizany sy ny olo-mifanakaiky aminy ary manao amin’ireo hoe: ‘Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny ondriko very.’ Lazaiko aminareo, fa toy izany koa hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka, noho ny amin’ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana. Sa iza no vehivavy manana dragma folo ka very ny anankiray no tsy hampirehitra jiro sy hifafa trano, ary hitady azy tsara ambara-pahitany azy? Ary rahefa hitany dia mamory ny sakaizany sy ny vehivavy mifanakaiky aminy izy ka manao hoe: Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny dragmako very.” Toy izany koa lazaiko aminareo, fa hisy hafaliana lehibe eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra raha misy mpanota iray mibebaka.”

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

Ho fankalazana ny faha 22 taona ny radio fanasina diosezy morondava, dia manolotra ho anao, lalao baolina kitra lehibe i...
05/11/2025

Ho fankalazana ny faha 22 taona ny radio fanasina diosezy morondava, dia manolotra ho anao, lalao baolina kitra lehibe izay tanterahina ao amin'ny kianja filalao baolina ao amin'ny saint paul namahora. Toy izao ny fandahara dalao ho amizany, ny sabotsy 15 Novambra, manasa dalana 1 izay manomboka amin'ny 02 ora, NDS vs Avarandrano. Amin’ny 03 ora sy sasany, manasa dalana 2, Katedraly vs saint Jean Paul 2 Tsimahavaobe. Ny Alahady 16 Novambra, lalao famaranana lehibe izay hihaonany ekipa izay tafavoaka amin'ny Manasa dalana 1 sy 2. Amboaro ary ny programme nao, lalao baolina kitra lehibe izay karakarain'ny ny radio fanasina ny sabotsy 15 sy Alahady 16 Novambra hoavy izao. Tongava maro eeeee, tohano ny ekipa nao, tsy misy ny vidi pidirana.......

Ny Evanjely Anio Alarobia 05 Nôvambra 2025Herinandro Faharaika amby telopolo tsotra Mandavan-taona Evanjely Masina nosor...
05/11/2025

Ny Evanjely Anio

Alarobia 05 Nôvambra 2025

Herinandro Faharaika amby telopolo tsotra Mandavan-taona

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka 14, 25-33.

"Izay tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mendrika ho mpianatro."

Tamin’izany andro izany, nisy vahoaka betsaka niaraka tamin’i Jesoa, ka nitodika Izy nanao tamin’ireo hoe: “Raha misy manatona Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny, ary ny vadiny sy ny zanany, mbamin’ny rahalahiny sy ny anabaviny ary na dia ny ainy aza, dia tsy mety ho mpianatro. Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany sy tsy manaraka Ahy dia tsy mety ho mpianatro. Ka iza tokoa moa aminareo no te-hanao tilikambo ka tsy mipetraka aloha hitety izay ho laniny, na hanana ny ampy hamitana azy izy, na tsia, sao vita ny fototra vao tsy afa-manefa azy izy ka holatsain’izay rehetra mahita hoe: ‘Mba nanomboka nanao trano ralehilahy io, nefa tsy nahavita tsinona.’ Sa iza no mpanjaka handeha hiady amin’ny mpanjaka hafa, ka tsy hipetraka aloha hihevitra na ho azony atao amin’ny miaramila iray alina ny hikatroka amin’ny fahavalo roa alina avy hamely azy na tsia? Fa raha tsy hahomby izy, dieny mbola lavitra ilay mpanjaka anankiray dia handefa iraka hanao raharaham-pihavanana aminy izy. Toy izany koa, na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mety ho mpianatro.”

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

05/11/2025

Niverina indray ny délestage eto Morondava
Inona ny Antony mety mahatonga izany???

Ny Evanjely Anio Talata 05 Nôvambra 2025Herinandro Faharaika amby telopolo tsotra Mandavan-taona Evanjely Masina nosorat...
04/11/2025

Ny Evanjely Anio

Talata 05 Nôvambra 2025

Herinandro Faharaika amby telopolo tsotra Mandavan-taona

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka 14, 15-24.

"Mandehana mankany amin’ny kianja sy ny lalam-ben’ny tanàna, ka tereo ny olona hiditra mba ho feno ny tranoko."

Tamin’izany andro izany, nony avy nandre ny tenin’i Jesoa ny anankiray tamin’izay niara-nihinana taminy, dia nanao tamin’i Jesoa hoe: “Sambatra lahy izay hanana anjara amin’ny fihinanam-be any amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” Fa hoy Izy taminy: “Nisy lehilahy anankiray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro. Nony tonga ny fotoana fisakafoana, dia naniraka ankizilahy iray izy hanainga ny nasaina hoe: ‘Ndeha ianareo, fa efa vonona ny zavatra rehetra.’ Fa samy niala tsiny izy rehetra. Hoy ny voalohany taminy: ‘Efa nividy saha aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; koa mihanta aminao aho, aoka re tsy ho tsiniko e.’ Hoy kosa ny faharoa: ‘Efa nividy omby folo aho, ka handeha hitsapa azy; koa mihanta aminao aho, aoka re tsy ho tsiniko.’ Ary hoy koa ny anankiray: ‘Vao nampaka-bady aho ka tsy afa-mankany.’ Dia nody ilay ankizilahy ka nilaza izany tamin’ny tompony. Tezitra tamin’izay ny tompony ka nanao tamin’ny ankizilahiny hoe: ‘Mandehana faingana mankany amin’ny kianja sy ny lalam-ben’ny tanàna, ka ento mankatý ny mahantra sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa.’ Ary hoy ilay ankizilahy: ‘Tompoko, vita ny nasainao atao, nefa mbola misy fitoerana ihany.’ Dia hoy ny tompo tamin’ilay ankizilahy: ‘Mandehana mankeny amin’ny lalam-be sy ny fefim-boly, ka tereo ny olona hiditra mba ho feno ny tranoko. Fa lazaiko aminareo fa tsy hisy hanandrana ny sakafo amin’ireo olona nasaina ireo na dia iray aza.”

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

BARAINGO?? Lasa ataon'ny fokonolona fanaria pako tsikelikely indray ny teteza rapiera makany Betela.............. Azo at...
03/11/2025

BARAINGO??

Lasa ataon'ny fokonolona fanaria pako tsikelikely indray ny teteza rapiera makany Betela.............. Azo atao ve?

Ny Evanjely Anio Alatsinainy 03 Nôvambra 2025Herinandro Faharaika amby telopolo tsotra Mandavan-taona Evanjely Masina no...
03/11/2025

Ny Evanjely Anio

Alatsinainy 03 Nôvambra 2025

Herinandro Faharaika amby telopolo tsotra Mandavan-taona

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka 14, 12-14.

"Aza ny sakaizanao no antsoina fa ny mahantra sy ny kilemaina."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ilay loholon’ny Farisianina nanasa Azy hoe: “Raha manasa olona hisakafo antoandro na hariva ianao, aza dia ny sakaizanao na ny rahalahinao, na ny havanao na ny mpanan-karena mifanakaiky aminao no asaina, fandrao asain’ireo koa ianao ka ho voavaliny izay nataonao taminy. Fa raha manao fanasana ianao, ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba, no asao: dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly anao ireo; fa rahefa mby amin’ny fitsanganan’ny olo-marina vao hovaliana ianao.”

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

Ny Evanjely Anio Alahady 02 Nôvambra 2025Alahady Faharaika amby telopolo tsotra Mandavan-taona - DFAHATSIAROVANA NY MPIN...
02/11/2025

Ny Evanjely Anio

Alahady 02 Nôvambra 2025

Alahady Faharaika amby telopolo tsotra Mandavan-taona - D

FAHATSIAROVANA NY MPINO NODY MANDRY

"MBOLA HITSANGAN-KO VELONA NY MATY"

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany 14, 1-6.

"Misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Raiko."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Aoka tsy hitebiteby ny fonareo. Mino an’Andriamanitra ianareo, ka minoa Ahy koa. Misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Raiko; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha Aho hanamboatra fitoerana ho anareo, ary rehefa lasa Aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo, dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko, dia izay itoerako no hitoeranareo koa. Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin’izay alehako”. Dia hoy i Tômà taminy: “Tsy fantatray izay alehanao, Tompoko, ka ahoana no hahafantaranay ny lalana?” Ary hoy i Jesoa taminy: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako”.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

Address

Cathédrale Maria Manjaka Namahora
Morondava
619

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Radio Fanasina Diosezy Morondava posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Radio Fanasina Diosezy Morondava:

Share

Category