MAKOA Digital

MAKOA Digital Publicitaires ,Réalisateurs ,Droniste ,Documentariste, Clips Videos, WebMaster

12/09/2025

📜 KOZOBE (1609 – 1639) : MPANJAKA NY FOKO ANTAKARANA ZAFINIFOTSY

Tantara mbola velona amin’ny lovantsofina hatramin’izao ny momba an’i Kozobe, andriana avy amin’ny Sakalava Zafiny Fotsy, taranaky ny dynastie Maroseranana.

👉 Taorian’ny ady an-trano sy ny faharesen’ny Zafiny Fotsy teo anatrehan’ny Zafimbolamena avy any Boéni, dia voatery nandositra nankany avaratra i Kozobe niaraka tamin’ny fianakaviany sy ny mpiara-dia aminy.

⚓ Nijanona voalohany tao Mangabe (bas Sambirano) izy ireo, avy eo nanorina toeram-panjakana vaovao tao amin’ny nosy Nosy Komba sy Nosy Be.
Hatramin’izay, dia i Kozobe no lasa mpanjaka voalohany Zafiny Fotsy tany amin’ireo nosy ireo.
---
👑 Ny fitondrany (1609 – 1639)

Fantatra izy ho lehilahy hentitra, mafy fo ary nahatohina ny vahoaka.

Nanjaka nandritra ny 30 taona teo ho eo izy, nanangana rafitra hentitra ara-piarahamonina sy ara-pivavahana.

Nentiny niaraka ny hasin’ny fady sy ny sorona, ary nampiorina ny rafitra clans andriana Zafiny Fotsy tamin’ny alalan’ny zanany.
---
👨‍👩‍👦 Ny taranany

Nanana zanaka fito i Kozobe.

Ny dimy tamin’ireo no niteraka ny fianakaviana andriana izay mbola hajaina hatramin’izao ao amin’ny firenena Antakarana.

Ireo taranaka naterak’i Kozobe no mitohy hatrany amin’ireo mpanjaka taty aoriana : Andriantsirofra, Lamboeny, Tsialana, Tsimiharo…, ary hatramin’ny mpanjaka Tsimiaro III (Issa) izay mbola mipetraka sy manjaka ao Ambilobe ankehitriny.

---
⚰️ Ny fiafaran’ny fiainany

Nodimandry i Kozobe tamin’ny taona 1639.

Nalevina ao Ambohidravy Mahalogny commune rurale Ankatafa Ambanja (faritra DIANA) izay toerana masina hajain’ny Antakarana hatramin’izao.

Ny fasany dia mbola toerana fisaonana sy fahatsiarovana masina, tandindon’ny hasina sy ny fahefana navelany.
---
✨ Kozobe no heverina ho mpanorina ny fanjakana Zafiny Fotsy tany avaratra, ary ny anarany dia mbola manakoako amin’ny maha-razambe mpanangana firenena azy.
Ny lova navelany dia mijoro ao amin’ny soatoavina, ny fomban-drazana ary ny fitondrana ara-panahy sy ara-panjakana ao amin’ny Antakarana.

12/09/2025

📜 ZAFINY FOTSY sy ZAFINY MENA

Ny fanjakan’ny Sakalava dia iray amin’ireo andrim-panjakana lehibe indrindra teto Madagasikara, nanomboka teo amin’ny taonjato faha-XVII ka hatrany amin’ny faha-XIX.
👉 Ny razambe fototra dia avy amin’ny dynastie Maroseranana, taranaka nentin’Andriamisara avy any Menabe, izay tatỳ aoriana no niely sy namorona fanjakana maro (Menabe, Boina, Bemazava, Antakarana, sns).

Ao anatin’ity fianakaviana lehibe ity no niseho ny fizaràna roa lehibe fantatra amin’ny anarana hoe :
🔴 Zafiny Mena – midika hoe zanaky ny mena, mifandray amin’ny hery, masoandro, hasin’ny mpanjaka sy ny fahefana ara-politika.
⚪ Zafiny Fotsy – midika hoe zanaky ny fotsy, mifandray amin’ny fahadiovana, volana, razana sy ny hasina ara-panahy.

🌞 Ny mena dia tandindon’ny hery sy ny fiainana, ny ady sy ny fitondrana.
🌙 Ny fotsy kosa dia tandindon’ny fahamasinana, ny fomban-drazana ary ny fifandraisana amin’ny razana.

➡️ Tsy hoe fifandrafiana akory tamin’ny voalohany izany fizarana izany, fa rafitra ara-soatoavina izay niteraka fifamenoana teo amin’ny fahefana sy ny fomban-drazana.

Raha nifindra tany avaratra ireo taranaka Sakalava (Boina, Nosy Be, Nosy Komba, Antakarana), dia mbola nentiny niaraka hatrany ity rafitra Zafiny Mena / Zafiny Fotsy ity.
👑 Mandraka ankehitriny aza, mbola hita ao amin’ireo fombafomba sy fanompoam-pivavahana any Nosy Komba sy amin’ny faritra Antakarana ny anjara andraikitra voazara araka io fomba taloha io.

Arnaques pro Max
10/09/2025

Arnaques pro Max

10/09/2025
03/09/2025

Address

Nosy-be Hell-Ville
Nosy-Be
207

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when MAKOA Digital posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to MAKOA Digital:

Share