Sainte Marie Mody Aminay

Sainte Marie Mody Aminay Sainte Marie Mody Aminay

Miverina aminy laoniny ny fifamoivozana an-dranomasina ato anatiny fari-piadidiny APMF Sainte Marie manomboka rahampitso...
06/10/2025

Miverina aminy laoniny ny fifamoivozana an-dranomasina ato anatiny fari-piadidiny APMF Sainte Marie manomboka rahampitso atalata 7 oktobra.

Soava dia daholo 👋

06/10/2025

Iny RN5 iny 🛣️ Ambodiatafana

Tontosa soamantsara omaly alahady faha 05 oktobra ny fisaorana ny Vahoaka ao amin'ny fokontany Ambodirano Ambodiatafana....
06/10/2025

Tontosa soamantsara omaly alahady faha 05 oktobra ny fisaorana ny Vahoaka ao amin'ny fokontany Ambodirano Ambodiatafana. Zavadehibe tokoa mantsy ny fiombonampo amin'ny Vahoaka. Nanatontosa izany moa ny Présidente AIÑY ARAIKY viavy, ny Adjoint Chef Cisco, ny président AIÑY ARAIKY ao Ambodirano ary ny ao amin'ny tanora AIÑY ARAIKY. Tapaka nandritra izany ihany koa fa ho ampiana ireo fokontany 17 rehetra mba hahafahany manao asampokonolona mifanaraka amin'ny fikan'ny Vahoaka ao amin'ireo fokontany.

04/10/2025

Maromandia 🛣️ Andeha agnavaratra aaa😊

Miato nohon'ny faharatsian'ny andro ny fitaterana an-dranomasina ato anatin'ny fari-piadidin'ny APMF Sainte Marie manomb...
04/10/2025

Miato nohon'ny faharatsian'ny andro ny fitaterana an-dranomasina ato anatin'ny fari-piadidin'ny APMF Sainte Marie manomboka alahady 05 oktobra mandra-paha tsara ny andro.

( APMF)

Akory i raha to aminareo agny, mbola hinanan-tranigny edy tanito ? 😊📸 Western pixel
03/10/2025

Akory i raha to aminareo agny, mbola hinanan-tranigny edy tanito ? 😊

📸 Western pixel

02/10/2025
Lavo ny anjarezina, misaona ny tontolon’ny fampianarana eto Sainte Marie . Nodimandry i Mr Maheva Mario, mpampianatra is...
30/09/2025

Lavo ny anjarezina, misaona ny tontolon’ny fampianarana eto Sainte Marie . Nodimandry i Mr Maheva Mario, mpampianatra isany nametraka tantara tao aminy « Lycée de Sainte Marie ».
Izy dia nampianatra ny taranja filozofia tao aminy Lycée de Sainte Marie efa an-taonany maro. Olona tsotra tsy be resaka , tia mifandray aminy pianatra, ary manana ny filozofiany manokana, io no isany mampiavaka azy .

Izahay eto aminy pejy Sainte Marie Mody aminay dia mirary fiononana feno ho any fianakaviany iray manontolo.
( sary hindrana)

27/09/2025

Milamina tsara ny aty Sainte Marie ka dia mankahery anareo any aminy faritra maro samy hafa izay mandalo ady sarotra amin’izao fotoana izao noho ity raharaham-pirenena ity.

Misy ino? 🤔
26/09/2025

Misy ino? 🤔

25/09/2025

Leo delestage sy tsy fampiany rano ny any Tana . Ary antsika a Sainte Marie eto mba leo ino ? 🤔

Tamin'ny faha 11 jolay 2025 , rehefa teto Sainte Marie Andriamatoa Filohan'ny Repoblika Andry RAJOELINA niaraka tamin'ny...
22/09/2025

Tamin'ny faha 11 jolay 2025 , rehefa teto Sainte Marie Andriamatoa Filohan'ny Repoblika Andry RAJOELINA niaraka tamin'ny Praiminisitra Lehibean'ny Governemanta sy ireo Minisitra isantsokajiny. Dia nanao fangatahana ampahibemaso ny Solombavambahoaka Herilaza IMBIKI mikasika ny Centre de formation professionnelle.

Taorian'izay dia niasa mafy Madame la Ministre de l'enseignement technique et de la formation professionnelle hanatontosa ny toromarika avy tamin'Andriamatoa Filohan'ny Repoblika Andry RAJOELINA. Isaorana erampo sy erantsaina ny Fitondrampanjakana fa vita soamantsara ny Arrêté manokatra ny centre de formation professionnelle voalohany eto amin'ny tantaran'ny Nosy Sainte Marie.

Isaorana indrindra ny Filohan'ny Repoblika Andry RAJOELINA. Isaorana Ramatoa Ministre de l'enseignement technique et de la formation professionnelle. Izao dia làlana iray ahafahana manofana, mampita fahaizana entina miasa mivantana, hamoronana asa hoan'ny tanora, ny vehivavy sy izay rehetra vonona ny hiary. Zavadehibe tokoa izany ary dingana iray hoan'ny fampandrosoana ny Nosy Sainte Marie.

Address

île Sainte Marie( Nosy Boraha)
Sainte-Marie
515

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Sainte Marie Mody Aminay posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share