Sainte Marie Mody Aminay

Sainte Marie Mody Aminay Sainte Marie Mody Aminay

19/08/2026

Isany tanana mbola milamina tsara raha mbola eto Madagascar ❤️

Ndao mba samy hizara ao aminy commentaire ny zavatra tena hitany mora eto Sainte Marie ra oharina aminy toerana fialan-t...
19/08/2026

Ndao mba samy hizara ao aminy commentaire ny zavatra tena hitany mora eto Sainte Marie ra oharina aminy toerana fialan-tsasatra hafa eto Madagascar😊
Perso : Hofan-trano mbola itako mora 😊

Fanatsarana ny fambolena eto Sainte Marie :Nofaranana omaly 18 Aogositra ny fizarana ny zezika nataon'ny Solombavambahoa...
19/08/2026

Fanatsarana ny fambolena eto Sainte Marie :

Nofaranana omaly 18 Aogositra ny fizarana ny zezika nataon'ny Solombavambahoaka Herilaza IMBIKI sy ny mpiaradia aminy. Mamerina ny fisaorana manokana ny Ministeran'ny fambolena ny tenany ary misaotra ihany koa ireo Vahoaka eto Sainte Marie ny amin'ny fahavononana hivoatra arapambolena. Fokontany Mahavelona, Vohilava, Agniribe sy Ambodiforaha no namaranana izany.

Tsara ny voka-panadinana bakalorea ho any lycée de Sainte Marie tamin'ity taona 2026 ity.Miarahaba an'ireo izay nahafaka...
17/08/2026

Tsara ny voka-panadinana bakalorea ho any lycée de Sainte Marie tamin'ity taona 2026 ity.

Miarahaba an'ireo izay nahafaka rehetra ary mankahery an'ireo tsy nahomby.

Tsara be ny toe-andro aty Sainte Marie, afaka manararaotra tsara ny panao vacance 💛🌴
13/08/2026

Tsara be ny toe-andro aty Sainte Marie, afaka manararaotra tsara ny panao vacance 💛🌴

Fidinana ifotony:Nitohy tany amin'ny fokontany Ambohitra, Ankobahoba, Agnafiafy, Sahasifotra ary zanapokontany Ambohiden...
12/08/2026

Fidinana ifotony:

Nitohy tany amin'ny fokontany Ambohitra, Ankobahoba, Agnafiafy, Sahasifotra ary zanapokontany Ambohidena ny fanaterana engrais, ambembary, bâches...Ankafaliana koa no ilazana fa efa manomboka ny fanavaozana ny barrage ao amin'ny fokontany Mahavelona. Barrage mba hamatsiana rano madio ny Vahoaka ao an-toerana.

Sosialimbahoaka:Nisy ny fihaonana tamin'ny Solombavambahoaka Herilaza IMBIKI sy ny Médecin inspecteur ary ireo chefs CSB...
12/08/2026

Sosialimbahoaka:

Nisy ny fihaonana tamin'ny Solombavambahoaka Herilaza IMBIKI sy ny Médecin inspecteur ary ireo chefs CSB manerana ny fokontany eto Sainte Marie. Nifanakalo hevitra mikasika ny tokony ho fanatsarana ny fikarakarana ny fahasalamam-bahoaka.

Rehefa vita ny fihaonana dia nisy ny firesahana tamin'ireo «bénévoles» miasa ao amin'ny Hôpital Be ary nisy ihany koa ny fanolorana bodofotsy vitsivitsy sy vary hoan'ny marary.

Fanatsarana ny fambolena eto Sainte Marie: Ny Solombavambahoaka Herilaza IMBIKI dia manatanteraka fanolorana engrais sy ...
11/08/2026

Fanatsarana ny fambolena eto Sainte Marie:

Ny Solombavambahoaka Herilaza IMBIKI dia manatanteraka fanolorana engrais sy semences hoan'ny fokontany 17 eto Sainte Marie. Engrais sy semences izay avy tamin'ny Ministère de l'agriculture.

15 tonnes ny total ary manararaotra ihany koa manao fanatonana ny Vahoaka miaraka amin'ny Préfet de Police sy ny Délégué de l'agriculture mba hanomezana ny toromarika isantsokajiny.

Eto ihany koa no hanipihana fa tao amin'ny fokontany Ifotatra no nahitana iray amin'ireo mpamboly 2 eto Sainte Marie izay mamboly vary mainty.

Jaona 15, 12 " Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo."Ampitiavana no nanoloran'i Johan...
09/08/2026

Jaona 15, 12 " Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo."

Ampitiavana no nanoloran'i Johann Mandimby, Erwin Ambinintsoa, Joyce Kaliana béquilles hoan'ny tovovavy iray izay lasa nanana olana arabatana rehefa avy niteraka ary ihany koa ronono vitsivitsy hoan'ny zanany lahikely. Tsy misy manana ny ampy fa fifanampiana ny fiainana.

Hisy fizarana engrais manomboka lundi 10 Aogositra ho avy izao. Tsy voatery handeha isaka fokontany fa ny lancement ao A...
08/08/2026

Hisy fizarana engrais manomboka lundi 10 Aogositra ho avy izao. Tsy voatery handeha isaka fokontany fa ny lancement ao Agnalaradjy hoan'izay malalaka. Lundi à 14h. Omena carburant izay ho avy.

Address

île Sainte Marie( Nosy Boraha)
Sainte-Marie
515

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Sainte Marie Mody Aminay posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share