03/12/2025
RESEAU MALGACHE DU HANDICAP : OMEO LANJA NY OLONA SEMBANA
03 Desambra, andro iraisam-pirenana ho anâny olona sembana.
Lohahevitry ny fankalazana ity andronâny 3 Desambra 2025 ity ny hoe : « Favoriser des sociĂ©tĂ©s inclusives pour les personnes handicapĂ©es afin de stimuler le progrĂšs social » na raha adika malalaka amin'ny fiteny malagasy dia hoe : « Manangana fiarahamonina mirindra sy manome toerana ny olona manana fahasembanana, mba hisian'ny fandrosoana iombonana. » Iompananâny dinika rehetra ao anatinâny fankalazana ny ady aminâny fanavakavahana sy fanilikilihana ireo olona sembana. Mila ovaina ny fomba fijery sy fitondrana azy ireo. Ireo fijoroana vavolombelona no nahalalana fa tsy vitsy izy ireo no mahavita ny fianarany, manana asa ary afaka mandray anjara aminâny fampandrosoana ny fireneny. Nandritra ny dinika fifanakalozan-kevitra ho anâny olona manana fahasembanana, nokarakarainâny rafitry ny firenena mikambana ny 02 Desambra, tetsy Andraharo â Antananarivo no nahazoana ireo tsara ho fantatra ireo. Nihaona ireo solotenanâny fikambanana ivondronanâireo olona sembana, ireo fiaraha-monim-pirenena ary ireo mpanao gazety avy ao aminâny Remapsen Madagascar. Andiany faharoa izy io ka tanjona ny fitadiavana ny fomba tsara indrindra hampiatiana ireo sokajinâolona ireo ao anatinâny fiaraha-monina. Ankoatra ny fanehoana horonantsary fanadihadiana sy fijoroana vavolombelona, naneho ny talentany ireo ankizy marenina, avy ao aminâny AKAMA. Nilaza i Falihery Razafindrakoto fa ilaina ny dinika ahitana ireo hevitra samihafa ahafahana miroso.
03 Desambra, andro iraisam-pirenana ho anâny olona sembana. Fotoana fanararaotra, hitondrana ireo so