La Vérité News

La Vérité News Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from La Vérité News, Media/News Company, Tanjombato.

🆕Pejy Natao hifampizarana ireo vaovao🆕 , politika ,dokambarotra, filazana 🆘 samihafa,Hatsikana🎥, clip🕺, sary📸 mahafinaritra, fitarainana sy ny maro hafa koa...

Ny fahorian'ny sasany ifalian'ny sasany 💔
18/07/2025

Ny fahorian'ny sasany ifalian'ny sasany 💔

Niala aviaty Behoririka hoany Commune Rulale alasora 15 minitra miala eo ! Tonga za tsy noraisy ilay olona ilay etana fa...
17/07/2025

Niala aviaty Behoririka hoany Commune Rulale alasora 15 minitra miala eo ! Tonga za tsy noraisy ilay olona ilay etana fa hoe tsy ilay marika nolazainy tao anaty MP Facebook, nasehony ahy ilay izy nitovy ny paoziny fa ilay marika tsy izy!
Izaho hoy izy tsy hanome frais fa aleo lehibenao manome anao satria tsy fahadisoako no tsy fahadisoanao !
Tonga teo Behoririka za tsy nahazo, fa hoy izy hoe alaina foana frais, manao asasoa izany ianao!
Namaly azy za hoe iny indray miakina fandresedahatrareo fa atao akory fa herimpo fanary.

© Livreur, coursier TANA

🏠Resaka fandravana ny tranon'ny DAKOTO mianakavy teny IVATO CENTRE omaly. Ilay trano dia vola madiodio an'i Dakoto mivad...
17/07/2025

🏠Resaka fandravana ny tranon'ny DAKOTO mianakavy teny IVATO CENTRE omaly. Ilay trano dia vola madiodio an'i Dakoto mivady no nananganana azy fa ny tany nanorenana azy no nisy olana.

🚫Dakoto moa tsy teo fa latsak'aretina nohon'ny zava-misy dia ny vady aman-janany no sendra anay teo.

🚫Tonga nanatanteraka ny didy ho fandravana ny trano ny Huissier sy ny Police avy any Fianarantsoa ary ireo tovolahy nampandravana ny trano, izay niaraka tamin'ireo avy any.

🚫Voarainy vadin'ny Dakoto(Mme Clemence) tsara ny taratasy fandravana mialoha ny fandrodanana. Araka ny hita amin'ny sary faha-4 dia manaiky ny fandravana sy handoa ny onitra izy ireo ary dia noraiketin'ny Huissier an-tsoratra ary nataon'i Mme Clemence sonia izany. Tsy nisy intsony ny sakana fa dia nitsimpona izay vao mba azo alaina sisa no nataon'izy mianakavy. Tsy nahazo fampandrenesana mialoha moa izy mianakavy dia nanaiky tsy satry satria izay no Didy. Ny hany hery dia nikapa ireo voankazo sy hazo novolena nandritra izay fotoana nipetrahana teo izay.

🚫Raha tsiahivina ny tantara dia efa niakatra Tribonaly teto Ambositra sy Fianarantsoa ny raharaha fa resy foana ry Dakoto. Ny tany izay nanorenana io trano io dia fifanomezan'ny samy Ray aman-dReny tany aloha tany. Fianakaviana ihany izany no manatanteraka ny fandrodanana satria manana ny taratasy feno mahakasika ny tany.

🚫Raha fintinina dia adim-pianakaviana ilay tantara fa nisy kosa no nahavita nanao taratasy ara-dalana .

🚫Dia io moa ny trano fa rava ary nangataka taminay ny taranaka omaly mba ho alaina sary farany manoloana ny fandrodanana. Nitaza-potsiny sisa no nataon'ny fianakaviana omaly sady niredona ny hiran'i POOPY hoe ''Ny Marina tsy maty''

© AGNAY TAGNAY T'AMBOSITRA

😳🖤𝗠𝗮𝘁𝘆 𝘁𝗮𝗺𝗽𝗼𝗸𝗮 𝗻𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘁𝗼𝗻𝗱𝗿𝗮𝗻𝘆 𝗶𝗹𝗮𝘆 𝘀𝗮𝗿𝗶𝗯𝗮𝗸𝗼𝗹𝘆  #𝗔𝗻𝗻𝗮𝗯𝗲𝗹𝗹𝗲 𝘁𝗲𝗻𝗮 𝗶𝘇𝘆 𝗶  !  👹Maty tao amin'ny hotely iray tany Get...
17/07/2025

😳🖤𝗠𝗮𝘁𝘆 𝘁𝗮𝗺𝗽𝗼𝗸𝗮 𝗻𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘁𝗼𝗻𝗱𝗿𝗮𝗻𝘆 𝗶𝗹𝗮𝘆 𝘀𝗮𝗿𝗶𝗯𝗮𝗸𝗼𝗹𝘆 #𝗔𝗻𝗻𝗮𝗯𝗲𝗹𝗹𝗲 𝘁𝗲𝗻𝗮 𝗶𝘇𝘆 𝗶 !

👹Maty tao amin'ny hotely iray tany Gettysburg Etazonia tamin’ny Sabotsy 13 Jolay teo i Dan Rivera (54 taona), mpikaroka malaza momba ny zava-miafina (enquêteur paranormal). Tsy fantatra mazava hatreto ny antony nahafaty azy, saingy maro ireo milaza fa mety misy ifandraisany amin'ilay saribakoly ihany.

💀Ity saribakoly nentiny ity dia tsy ilay amin'ny horonantsary fa ilay tena izy, izany hoe ilay navelan'i sy (mpivady tena nalaza tamin’ny fanadihadiana zava-miafina sy fanahy ratsy tany Etazonia : ). Izy ireo no nitahiry ilay tena saribakoly Annabelle, izay voalaza fa misy fanahy ratsy mipetraka ao anatiny. Ny tantaran’izy ireo moa no niavian’ny sarimihetsika sy ny .

☠️Ekipan'i Ed sy Lorraine Warren ihany i Dan Rivera. Nanao dia antsoina hoe “ ” izy, izay nitondràna sy nampahafantarana ny zavatra voaozona avy amin’ny fanangonan’ireo mpivady ireo. Nandritra izany izy no izao maty tampoka izao...........................
👉Araho hatrany ny pejintsika ary aza hadinoina ny manisy "réaction" sy mizara ity "publication" ity.

FRÈRE KELY : ANAOVANY VOAY MALAGASY TAMBAMBE AO AMIN'NY COMMENTAIRES, GAGA NY FIKAMBANANA 🫡 🫡 🫡 FA INONA IZANY NO MAMPID...
17/07/2025

FRÈRE KELY : ANAOVANY VOAY MALAGASY TAMBAMBE AO AMIN'NY COMMENTAIRES, GAGA NY FIKAMBANANA 🫡 🫡 🫡

FA INONA IZANY NO MAMPIDELIRA ANAREO MIANAKAVY AMIN'ITY SARINY MPANOMPO LAHIN'I TOMPO ITY 😂😂😂
TENA HOE IREO VEHIVAVY MALAGASY CÉLIBATAIRE REHETRA TE HANOME POMME OLONA DAHOLY 🫢🫢🫢
TENA HOE FENO NY MALAGASY SY DELIRANY NY SARIN'OLONA, MBA MATOTRA OA IANAREO 🤔🤔🤔

MAHATSIRAVINA AAAAH 🙄🙄🙄

Nitombo iray ny isan’ny aina nafoy noho ny raharaha fanampoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza. Namoy ny ainy izao ali...
17/07/2025

Nitombo iray ny isan’ny aina nafoy noho ny raharaha fanampoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza.

Namoy ny ainy izao alina izao ilay tovovavy 17 taona izay anisany notsaboina tao amin’ny hopitaly Hjra.

Marihina fa efa maty ihany koa ny zokin’io ankizy io iray tampo aminy, hoy ny renin'ireto tanora ireto, izay tao anaty ranomaso sy alahelo tanteraka nampita ny vaovao taminay mpanao gazety.

Araka ny fantatra dia anisany nasaina tao amin’ilay fety tsingerin-taona io tovovavy voalaza etsy ambony io, ary naman’ilay tompon’ny fety izy.

🟥🟥 FLASH INFO 🟥🟥𝐉𝐈𝐑𝐀𝐌𝐀 : 𝗠𝗜𝗝𝗔𝗡𝗢𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗢𝗥𝗜𝗡𝗔𝗦𝗔𝗠-𝗣𝗔𝗡𝗝𝗔𝗞𝗔𝗡𝗔 𝟭𝟬𝟬%Ny tolakandro teo dia nisy ny fihaonan'ny Filoha Andry RAJOE...
17/07/2025

🟥🟥 FLASH INFO 🟥🟥

𝐉𝐈𝐑𝐀𝐌𝐀 : 𝗠𝗜𝗝𝗔𝗡𝗢𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗢𝗥𝗜𝗡𝗔𝗦𝗔𝗠-𝗣𝗔𝗡𝗝𝗔𝗞𝗔𝗡𝗔 𝟭𝟬𝟬%

Ny tolakandro teo dia nisy ny fihaonan'ny Filoha Andry RAJOELINA tamin'ireo solontenan'ny mpiasa eo anivon'ny orinasa JIRAMA.

Teboka maromaro no nivoitra tao anatin'izany ka ny lehibe indrindra dia ny hoe mijanona ho orinasam-panjakana 100% ny JIRAMA, izany hoe tsy misy ny fampidirana mpampiasa vola hafa ankoatra ny fanjakana.

Tsy Omena ny sehatra tsy miankina ihany koa ity orinasam-panjakana ity ary tsy hisy ny fanalana mpiasa.

Notsindrin'ny filoha fa anisan'ny laharam-pahamehan'ny fanjakana amin'izao fotoana izao ny fanarenana ity orinasa ity noho izy misy fiatrakany mivantana amin'ny fiainam-bahoaka.

⚫️🙏 Mitondra ny teny fampiononana ho an'i   sy   izay namoy ny rainy, RAHASIMANANA 😓🙏 Ny ekipa ny La La Verité News - Of...
17/07/2025

⚫️🙏 Mitondra ny teny fampiononana ho an'i sy izay namoy ny rainy, RAHASIMANANA 😓

🙏 Ny ekipa ny La La Verité News - Ofisialya mankahery ny fianakaviana manontolo

🔵 DR MANITRA, NAMALY AM-PAHENDRENA AN'ILAY DOKOTERA MALAZA...(Dr Manuella)hoy izy ao amin'ny pejiny?⏩ Ho ANTSIKA MPAMPIT...
17/07/2025

🔵 DR MANITRA, NAMALY AM-PAHENDRENA AN'ILAY DOKOTERA MALAZA...(Dr Manuella)
hoy izy ao amin'ny pejiny?

⏩ Ho ANTSIKA MPAMPITA HAFATRA, mba tsiahivina am-pahatsorana fa fotoana fanalefahana ilay resaka krizy nateraky ny fahapozinana ara-tsakafo no anton'ny fampitan-kafatra ataontsika.

👉 Ny communication d'urgence dia tokony:

📌 Miantefa mazava sy mahitsy, tsotra mora raisina,

📌 Mandray andraikitra amin’ny fanamaivanana tebiteby sy ahiahy,

📌 Manome toromarika hentitra sy azo tanterahana, raha ilaina,

📌 Miaro ny hasin’ny Ministera misy anao amin’ny fanomezana vaovao marina sy izay tena nisy.

🛟⛑️ Tsy tokony hahenoana hafatra manamaivana na manilika andraikitra tompoko fa fanazavana matotra sy fanamby hotanterahana no aroso.

🔥✍️ Raha misy na nisy "lavaka" amin’ny rafitra, dia anjarantsika no mitondra fanazavana sy vahaolana, fa tsy fanilihana sy tsy firaharahiana no harangaranga.

HAFATRA TSY ARITRO:
👉 Ny mpanao gazety dia vavahady fankam-baovao itokisan'ny vahoaka, aoka tsy hanary azy isika.

Vita tompoko. 📌

🫣 Dr. Manitra mahatsiaro menatra.... NA TSY MISY IDIRANY AZA.

𝗥𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗽𝗼𝗶𝘇𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗲𝗻𝘆 𝗔𝗺𝗯𝗼𝗵𝗶𝗺𝗮𝗹𝗮𝘇𝗮 :🔴🔥Pastera iray niakatra fampanoavana androany, noho ny   nataony, nisy hifandr...
17/07/2025

𝗥𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗽𝗼𝗶𝘇𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗲𝗻𝘆 𝗔𝗺𝗯𝗼𝗵𝗶𝗺𝗮𝗹𝗮𝘇𝗮 :

🔴🔥Pastera iray niakatra fampanoavana androany, noho ny nataony, nisy hifandrasiny tamin'ny raharaha fanapoizinana teny Ambohimalaza. Niresahany mahakasika ny .

© Gazetiko

‼️🔴𝗙𝗔𝗞𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗡-𝗞𝗘𝗥𝗜𝗡𝗬, 𝗡𝗜𝗧𝗔𝗞𝗬 𝟭𝟬 𝗧𝗔𝗣𝗜𝗧𝗥𝗜𝗦𝗔 𝗔𝗥. 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗝𝗜𝗢𝗟𝗔𝗛𝗬𝐀𝐯𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐬𝐨𝐚𝐦𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐧𝐚𝐧𝐝𝐨𝐚 𝐯𝐨𝐥𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐞𝐡𝐢𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐢𝐫𝐚𝐲 𝐧𝐚𝐥𝐚𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐦𝐩...
17/07/2025

‼️🔴𝗙𝗔𝗞𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗡-𝗞𝗘𝗥𝗜𝗡𝗬, 𝗡𝗜𝗧𝗔𝗞𝗬 𝟭𝟬 𝗧𝗔𝗣𝗜𝗧𝗥𝗜𝗦𝗔 𝗔𝗥. 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗝𝗜𝗢𝗟𝗔𝗛𝗬
𝐀𝐯𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐬𝐨𝐚𝐦𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐧𝐚𝐧𝐝𝐨𝐚 𝐯𝐨𝐥𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐞𝐡𝐢𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐢𝐫𝐚𝐲 𝐧𝐚𝐥𝐚𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐫𝐢𝐧𝐲 tao an-tranony tetsy Antsahamamy Ambolokandrina ny 10 jolay 2025 teo.
💥𝟭𝟬.𝟬𝟬𝟬.𝟬𝟬𝟬 𝗔𝗿𝗶𝗮𝗿𝘆 𝗮𝗻𝗲𝗳𝗮 𝗻𝗼 𝗻𝗼𝘁𝗮𝗸𝗶𝗮𝗻'𝗶𝗿𝗲𝘁𝗼 𝗷𝗶𝗼𝗹𝗮𝗵𝘆 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗻𝗮𝗸𝗮𝘃𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝘀𝗮𝗻𝗱𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗼𝘁𝘀𝗼𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗮𝘇𝘆.
Nisandoka ho mpiasan'ny Pôle Anti-corruption ireo jiolahy izay nirongo fitaovam-piadiana (basy).
Miisa telo ireo olona voasambotra niaraka tamin'ny fitaovam-piadiana nampiasaina, izay nandray anjara mivantana tamin'ity fakàna an-keriny ity.
📷 ZP Tana ville

‼️ ⭕ TRANGA HAFA BE🤔Vavy antitra 94 taona teratany Mexikanina no tratra saika hanondrana Ma*****na( rongony) ary nomeloh...
17/07/2025

‼️ ⭕ TRANGA HAFA BE

🤔Vavy antitra 94 taona teratany Mexikanina no tratra saika hanondrana Ma*****na( rongony) ary nomelohin'ny fitsarana any an-toerana higadra mandrapahafatiny.

🤔Marihina fa voaheloka migadra 12 andro izy ka raha mbola velon'aina dia miampy 12 andro hatrany hatrany mandrapahafatiny ny saziny..

Address

Tanjombato

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when La Vérité News posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share