Flavien Roots Kalo RT

Flavien Roots Kalo RT Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Flavien Roots Kalo RT, News & Media Website, Tanjombato atsimo, Tanjombato.

๐Ÿ”ฅSEDRA TSY MAINTSY๐Ÿ”ฅ            ๐Ÿ’—LALOVANA ๐Ÿ’—              ๐Ÿ’—NY FITIA๐Ÿ’˜Ny fitia dia sedra,Ary tsy maintsy lalovana.๐Ÿค”Mety ampi...
01/02/2023

๐Ÿ”ฅSEDRA TSY MAINTSY๐Ÿ”ฅ
๐Ÿ’—LALOVANA ๐Ÿ’—
๐Ÿ’—NY FITIA๐Ÿ’˜

Ny fitia dia sedra,
Ary tsy maintsy lalovana.๐Ÿค”
Mety ampigadra,na mahadiranovana.

Fitia iany koa toy ny afo madoro rah tsy mahay mitandrina.๐Ÿ”ฅ
Nefa tsy maintsy sedraina tsy akory,๐Ÿ’˜๐Ÿ’”
Ra toa ka manadrakandrana.๐Ÿ‘ซ

Ny fitiavana tsy maintsy ho sedraina,๐Ÿ’‘
Mitandrema iany fa tena miatsa aman'aina.๐Ÿ’”

Nefa kosa mila mizaka sy mahatanty.๐Ÿ‘ˆ
Fa ny fitiavana vita sedra fitia mandra-maty.๐Ÿ’

Aza taitra enao malala.๐Ÿ‘จโ€โค๏ธโ€๐Ÿ’‹โ€๐Ÿ‘จ
Fa ny fitiavana voasedra,๐Ÿ’–
sahy mandika afo mijoalajoala.๐Ÿ”ฅ

Ra toa ka mandalo sedra enao.๐Ÿ™„
Dia aza kivikivy,๐Ÿ˜ฅ
Ra ny fitia no mandavo anao
Etsy miarena izato izy. ๐Ÿ˜‡

Sedra tsy maintsy lalovana izany..๐Ÿ˜‡
Ka aza atao ampitomany..๐Ÿ˜ฅ
Tsy misy mangidy ka tsy hitondra mamy.๐Ÿ’ž

Mafy tokoa ny misedra,๐Ÿ’˜
Indrindra ny fitiavana efa fatan-daza.๐Ÿ’”
Ilay fitia mafy o***a no sady miredareda,๐Ÿ”ฅ
No mitady ho rava.๐Ÿ’”

Tsy maintsy sedraina anefa.๐Ÿ‘ˆ
Ireo sedra maro samy hafa.๐Ÿ’”๐Ÿ’˜
Fa ra mbola tsy miantefa.๐Ÿ’—
Aleo tsy hiverenana intsony ny efa lasa.๐Ÿ˜ท

Ny sedra dia ho zakaiko hatrany,๐Ÿค’
Na mahafaitra sy mangidy ๐Ÿค•
Nefa kosa ao anaty ny mangidy no misy ny mamy,๐Ÿ’ž๐Ÿ˜Š
Ka tsy ataoko hankivy.๐Ÿค—

Na mafy ary izany rehetra izany.๐Ÿ’ช
Tsy maintsy hifarana iany.๐Ÿ‘ˆ
Fitia tsy maintsy lalovana ka
Mahereza hatrany hatrany๐Ÿ’ช

Roots kalo RT ๐Ÿ‘ˆ๐Ÿ–‹

๐Ÿ’ฅ๐Ÿ’—FO MITEMPO ๐Ÿ’–๐Ÿ’ฅMidobodoboka tsy mijanona ny FO.๐Ÿ’–Mandritry ny havelomana,Tsy mitrahatra mitempo ihany koa.๐Ÿ’—Ary tsy manamp...
01/02/2023

๐Ÿ’ฅ๐Ÿ’—FO MITEMPO ๐Ÿ’–๐Ÿ’ฅ
Midobodoboka tsy mijanona ny FO.๐Ÿ’–
Mandritry ny havelomana,
Tsy mitrahatra mitempo ihany koa.๐Ÿ’—
Ary tsy manampahatam-perana.๐Ÿ’ž

Fo midoboka feno sento.๐Ÿ’“
Fo mitia tsy manetra hoe atreto.๐Ÿ’œ

Fo mitempo ao anaty.๐Ÿ’–
Mora kivy mora voadona nefa kosa mahatanty.๐Ÿ’Ÿ

Fo mitempo be fitiavana.๐Ÿ’•
Ka n'inona kiantra,๐Ÿ’˜
Dia tsy ataony sakana.๐Ÿ’š

Fo mitia mangoraka,๐Ÿ’›
Mitempo isa-minitra,
Indraindray kosa anefa voavitaka,
Fa mody hodiny tsy ho hita.๐Ÿ’Œ

Fo nofo aman-drร 
Ny ahy sy anao.๐Ÿ’–
Ra teny ankarary aleo mihitsy tsy atao.๐Ÿ™

Fo dia loharanon'aina.๐Ÿ’Ÿ
Koa aza atao zay ankarary azy fa tena miantsa aman-aina. ๐Ÿ’”๐Ÿ’˜

Ra mbola mitempo ny fo.
Dia fenoy tsiky ny androm-piainana, ๐Ÿค— fa izany no sakafon'iany koa.๐Ÿ’–

Ny aretim-po dia zava-doza.๐Ÿ’”
Ra azo atao ny tsy mitia ho
Fisorohana ny loza.๐Ÿ’Œ

Nefa sarotra ny mandrara ny FO tsy hitia.๐Ÿ˜
FO mitambatra ho iray miara-mitempo.๐Ÿ’
Fitiavana mandrakizay doria.๐Ÿ’Ÿ

Ao anaty fitia no miteraka ny fahorin'ny fo rehetra.๐Ÿ’”๐Ÿ’ฅ๐Ÿ’˜
Ny ranomaso no mety ritra,๐Ÿ˜ญfa ny FO mitempo tsy misy fetra.๐Ÿ’–๐Ÿ’—

Roots kalo RT ๐Ÿ‘ˆ

๐Ÿ˜ขTSIARO FARANY๐Ÿ˜ฅAndroany aho no hamisavisa farany ireny lasa-ntsika ireny.Isika iany koa mo tsy natao hiara-dia ka,Ny fit...
01/02/2023

๐Ÿ˜ขTSIARO FARANY๐Ÿ˜ฅ

Androany aho no hamisavisa farany ireny lasa-ntsika ireny.
Isika iany koa mo tsy natao hiara-dia ka,
Ny fitiavana koa tsy noterena.

Androany aho dia voatery tsy maintsy anadino anao satria,tsy afaka ny anao inona.
Na mafy amiko aza izany,dia tsy maintsy ho leferiko iany,fa tsy maninona.

Eny,efa teninao manko ny hoe zay ataonao.
Dia mialatsiny aho fa voatery ny andao.

Tsy anenenako ny lasako,
Fa ataoko lesona avokoa.
Na ny mety na ny tsy mety de hisaorako anao ihany koa.

Fitaona maro, nifanesy izay no niharanay.
Mafy ka tena mafy ra ny lalana nizorana,
Ilay fitia noheverina ho mandrakizay.
Tsy mafy o***a akory,
Indro fa nirodana.

Tsiaro farany, hiezahako ny hanadinona ny lasa-ntsika.
Ankehitsiny hantsana no manasaraka antsika.

Na mbola tia aza aho,
saingy efa nofy sisa.
Na tsy te andao
Nefa tsy afaka hiampita.

Soavadia mahereza rahavako iny,
Mitsodrano anao ahita tsara noho zah.
Tsodrano ho anao iny ranomaso izay miko***a tavako iny
Veloma fa tsy enao,no anjara ho ahy.

Tsiaro farany ho anao androany.
Ny lasa-ntsika
Efa rano raraka amin'tany ka,
Tsy afaka ny Ho raofina intsony.
Na mbola tia aza aho ny foko efa tsy any intsony.
TSIARO FARANY

Roots Kalo RT ๐Ÿ–‹

๐Ÿ‚Any ho any๐Ÿ‚                          ๐ŸŒนAnefa๐ŸŒนAny izy zay any,any ambadimbadila any.     Manara maso anao manjohy teny ho...
01/02/2023

๐Ÿ‚Any ho any๐Ÿ‚
๐ŸŒนAnefa๐ŸŒน

Any izy zay any,
any ambadimbadila any.
Manara maso anao manjohy
teny ho eny,
Tsy kivy fa miezaka hatrany,
na dia efa nodinao tsy no jerena.

Tiany ianao saingy,izy tsy maha-voavaly,
Ilay bitsikin'ny fony.
Dia tsy mitsahatra ny manontany tena izy
Hoe:mba tena tia azy ary ve,iny olona iny no hiankinan'ny fony.?

Enao anefa tsy mahita akory,
ny ambany maso.
Ka tsy mba hitanao akory izy ilay miantso faona hoe:
Mba hendraso!

Enao jamba ny fitiavan'iny olona iny,
K'anefa f'izy efa manana ny tiany.
Ilay tiany anefa tsy ho foiny ka, tsy ho hatakalony anao iny.

Nefa any ho any, kosa misy tena tia.
Maniry anao iny,
Fa tsy Fantandry.

Satria Ndry varina,
Ilay olona tsy mahatsapa ny fitiavandry.
Nefa efa eo ambaniny maso
Misy olon-tena tia,
Dia miezaka รฉry,ny hanambabo ny fonao aminy.
Saingy ilay fitiavany tsy nasinao valiny.
Mitia olona tsy tia ny tena tokoa ka, aoka hionona hiandry ny rariny.'

Tsarovy fa misy andro,
mbola hitady azy enao.
Nefa izy any ho any,efa manandino ny fisinao,

T@izy teo tsy no raharahinao,
Efa eny ampelantan'ny hafa izy.
Izay vao hoe: zah anga tsy tadidinao.

Azafady hoy izy fa tsy fantatro enao.

Misy tia anao any ho any,
Saingy enao varina amin'ny olona tsy miraharaha anao akory.
Aza de hampilafilaina izy fa,tsy fantatrao izay ao am-pony.

Eto an-tany tsy maintsy zany,
Tadidio fa misy tia anao any ho any.
Mba valio izy,ra toaka mba manontany,
Aza varina tsy tia anao zany.

Roots Kalo Rtโœ

๐Ÿ‚ INY TSIKIN' INY ๐Ÿ‚Tsy te hampitondra alahelo ho any hafa,ka na  hitomany ary moa dia iza tokoa no mba hamafa!? Ny olona...
25/01/2023

๐Ÿ‚ INY TSIKIN' INY ๐Ÿ‚
Tsy te hampitondra alahelo ho any hafa,ka na hitomany ary moa dia iza tokoa no mba hamafa!? Ny olona mitsiky lalandava,
Ny ao anatiny anefa misaona.
Ny alahelo ao anefa tena mandrava.
Tsy te ampahory ny hafa,dia aleony mitsiky faona.

Malahelo faona izy,eo amin'ny fiainana.
Saingy tsy misy ny azo hitarainana.
Ka rehafa mitsiky izy,no sady mandefa fisainana.
Tsy misy masoandro miratra isa-maraina.

Ny fahendrena vรฉ?Minia mitsika raha mitomany.
Hita oe mitsiky izy dia,mievitra oe tena faly.
Fa ny ao anaty anefa misy mikiky mankarary.

Iny tsiky iny anefa, manambara ny hafalina.
Fa ny hafaliny manambara ny hankivina.

Ny hankivina dia minia tsy ho haseho(ny).
Fa hitsikiny faona ny azy izay zavatra miseho.

Ny ao anaty anefa torotoron'alahelo,
Ka alahelon-tsikitsiky manara-tsento.
Hitsikio raha mbla velo(na).

'Aza miandry ny ho faly vao hitsiky,
fa mitsiky mba ho faly'.
Ny haizim-pito mbola hazava.
Mitsiky fonafona ho lavitrin'jaly.
'Ny diavolan-kolava,kilalao mbola ho ela'
Fa ny alahelo de miserana fatsy maraharitr'ela.

Mahatanjร  ny ho avy jerena,
Raha malahelo, mitrakร ,hijery masoandro.
Fenoy tsiky ny fiainana, mandritrin'ny tontolo andro.

Raha kivy, mandehร na
Dinio ny volana.
Aza menatra mizara tsiky,
Fiavonavonana tsy vahaolana ๐Ÿค—??๐Ÿ˜˜
๐Ÿ˜Š๐Ÿ‚INY TSIKIN'INY๐Ÿ‚๐Ÿ˜Š
Roots kalo RT ๐Ÿ‚

Address

Tanjombato Atsimo
Tanjombato

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Flavien Roots Kalo RT posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share