19/11/2025
FANAZAVANA VENTIKEVITRA
“Handeha rombahintsika ny anjara lova avy amin’ny Jehovah”
Ny “Adin’ireo Andrarezina” na (Bataille des Géants) dia vina iraisan’ny tenan’i JESOSY KRISTY rehetra, na fiangonana na fikambanana izay mikendry ny Fanafahana ny tananantsika. Rehefa resy ny fahavalo izay manakana ny fahombiazan’ny Filazantsara dia andao “Handeha rombahintsika ny anjara lova”.
Izay no lohahevitra entina amin’ity hetsika lehibe ity izay hatao eto Toamasina, izay vavahadin’ny Filazantsara, izany hoe vavahady ara-panahy ihany koa ho an’i Madagasikara iray manontolo.
Toy ireo mpitsikilo 12 avy tao Israely, hisafo tany isika mandritra ny 4 andro izay maneho ny 40 andro amin’ny ara-panahy. Fantatsika tsara fa ny 31 desambra dia fotoana fiampitana amin’ny taona vaovao.
Noho izany, hiatrika sy hanjera ireo andrarezina izay mibahana eo am-bavahady (misakana ny filazantsara) isika mba hamohantsika ny varavarana. Mandray sy maka mialoha ireo fitahiana sy fahasoavana ho avotsotr’Andriamanitra ho an’ny Tenan’I Kristy sy ho an’ny firenena ho an’io taona 2026 io isika.
Tsy miady isika mba ahazoana fandresena fa avy eo amin’ny fandresena isika no miady, satria voasoratra hoe manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika (Rom 8/37).
FANDAHARAM–POTOANA
ANDRO
ORA
FANDAHARAM–POTOANA
03/12/25
5H00 – 8H hariva
Fanokafana amin’ny fomba ofisialy
Lohahevitra : Andeha isika hiakatra sy hisafo tany
04/12/25
5H00 – 8H hariva
Lohahevitra : Adin’ireo fanahy
05/12/25
5H00 – 8H hariva
Lohahevitra : Ry mpandresy, handeha rombahintsika ny firenena
06/12/25
2H00 – 5H hariva
Famaranana
Lohahevitra : Handeha handramantsika ny voaloham-bokatry ny 2026