02/11/2025
🤝 𝐅𝐢𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐞𝐬𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐅𝐢𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐳𝐚𝐫𝐚𝐦-𝐛𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 𝐭𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐌𝐩𝐢𝐭𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐎𝐧𝐢𝐯𝐞𝐫𝐬𝐢𝐭𝐞𝐧’𝐢 𝐓𝐨𝐚𝐦𝐚𝐬𝐢𝐧𝐚
Tontosa tao amin’ny Campus Barikadimy ny sabotsy 01 Novambra ny fihaonana lehibe teo amin’ny Filohan’ny Oniversiten’i Toamasina, Profesora Diny RAZANAKOLONA, sy ny mpiara-miasa aminy, niaraka tamin’ireo solontenan’ny lehiben’ny toeram-pampianarana, ireo tompon’andraikitra amin’ny fitantanana ny œuvres universitaires, ary ireo solontenan’ny mpianatra avy amin’ny fikambanana maro samihafa (Pédagogique, Régionale, Vigiles, Gen Z, ANTAFA, ASSEDU, sns.).
🎯 𝑻𝒂𝒏𝒋𝒐𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒉𝒂𝒐𝒏𝒂𝒏𝒂 :
Ny tanjona lehibe amin’ity fifampiresahana ity dia ny hanomezana sehatra hanehoan’ny rehetra hevitra sy soso-kevitra hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fiainam-pianarana eto amin’ny Oniversite ,ary ifampizarana vaovao tao aorian’ireo zava-nitranga teto amin' ny firenena.
🏗️ 𝑻𝒆𝒕𝒊𝒌𝒂𝒔𝒂 𝒔𝒚 𝒗𝒂𝒉𝒂𝒐𝒍𝒂𝒏𝒂:
Anisan’ ny zava-dehibe nambaran’ny Filohan’ny Oniversite nandritra ny fihaonana ny hanombohana amin’ny alatsinainy 3 Novambra izao ny asa fanamboarana ireo trano fianarana lehibe telo, dia ny Dojo, Grand Amphi, ary Amphi-Bleu.
Ity tetikasa ity dia vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa iray lehibe eto an-toerana, nohon' ny fangatahan' ny mpianatra sy ny mpandraharaha ary ireo mpampianatra, amin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa fampianarana.
Hisy ny fandaminana manokana mandritra ny asa fanamboarana, ka ampahafantarina mialoha ireo mpianatra izay mampiasa ireo toerana ireo.
Hatao ihany koa ny fanamboarana ireo trano fonenan’ny mpianatra fa mbola an-dala- panomanana ny fanatontosana ny asa ny tekinisianina.
🎓 𝑺𝒐𝒓𝒕𝒊𝒆 𝒅𝒆 𝑷𝒓𝒐𝒎𝒐𝒕𝒊𝒐𝒏:
Noresahina nandritra ny fihaonana ihany koa ny amin’ny fanomanana ny Sortie de Promotion izay hotanterahina amin’ny 10 Novambra ho avy izao. Entanina ny mpianatra rehetra voakasik’izany mba hiomana amin’ny fomba mendrika sy mirindra amin’ny fanatanterahana ity lanonana ity.
🇰🇷 𝑭𝒂𝒎𝒑𝒂𝒉𝒂𝒇𝒂𝒏𝒕𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒐𝒌𝒂𝒏𝒂:
Nampahafantarina ihany koa fa ho avy eto amin’ny Oniversiten’i Toamasina ny Talata 4 Novambra amin’ny 7 ora maraina ny Ambassadrice-n’i Korea, izay hanatrika ny fampisehoana Taekwondo, hetsika ara-kolontsaina sy ara-panatanjahantena, hotontosain’ireo mpianatra ao amin’ny efitrano lehibe ao amin’ny ITPT.
✨ 𝑻𝒔𝒚 𝒎𝒊𝒋𝒂𝒏𝒐𝒏𝒂 𝒉𝒂𝒕𝒓𝒆𝒐 𝒏𝒚 𝒆𝒛𝒂𝒌𝒂 !
Manoloana ny fanamby sy ny zava-misy, dia samy naneho fahavononana, firaisankina ary fandraisana andraikitra ny mpitondra, ireo mpianatra ary ny fikambanana rehetra, mba hitondrana fanavaozana maharitra eto amin’ny Oniversiten’i Toamasina.