27/09/2025
“Ry Malagasy, mifohaza isika!”🇲🇬🇲🇬
Indrisy… Iny alina iny dia toy ny nofy ratsy tsy mety tapitra. Toy ireny zavatra tsy réelle ireny fa otran'ny hoe film izany🤧😢
Nifoha anaty horohoro sy ranomaso,
nifampitsoka anaty haizina feno tahotra:
— feno trano vaky, feno vono olona, Maro n'y fananana kilan'ny afo, Maro ny naratra ka tafiditra hopitaly, Maro n'y manararotra mandroba...
Nofy ratsy sa zava-misy? 💔💔
Nanonofy ratsy ve isika sa efa latsaka anaty lavaka mangitsoky tsy misy fiafarana?
Fa tonga ihany ilay maraina. ❤️🩹❤️🩹
Na dia mbola mitondra mangidy sy fahanginana aza, 🕊️🕊️
dia porofo fa mbola nomen’ny Tompo vintana isika.
Vintana hanarina, vintana hitsangana,
vintana hanohy ny tolona, satria mbola tsy vita.
Ry Malagasy, aoka isika tsy ho resin'ny hakiviana.
Aza manaiky ho lavo anaty fahantrana sy korontana noforonin'ny sasany.
Fa ny tolontsika anio…
dia tolona ho an’ny taranaka amam-para
tolona hanavotana ilay tanindrazana efa marary mafy.
F'angaha ianao tsy maheno?
Ny ranomaso manenika ny tavantsika,
ny feo mangina mangataka fanampiana,
ny fijery mitady fanantenana?
Marary isika. 💔💔😢
Namoy havana, very fananana, very asa.
Potika ny ezaka nangonina nandritra ny taona maro. N'y mpandraharaha sasany hibaby trosa mandra-pahafaty amin'ny tsy fahaloavana n'y karaman'ny mpiasany, n'y entant very avokoa n'y trano fiasany potika😢😢
Nanjavona tao anatin'ny segondra vitsy.
Kanefa…
ny tena marary indrindra dia izao:
Isika samy isika Malagasy no nifamotika,
Isika no nifamono, isika no nanimba ny fananan’ny mpiara-belona.
Aiza ilay hasin’ny fihavanana, ilay fifankatiavana sy firaisankina niainan’ny razantsika?
Raha izao no mitohy…
Ho aiza ny hoavintsika?
Ho aiza ny taranakantsika?
Fa ny tena mampalahelo Dia ity:
Madagasikara, ilay nitrotroina am-bavaka hatramin’izay,
ilay nofihinina anaty vavaka sy fanantenana…
Ankehitriny dia mihasimba, mitondra takaitra tsy hay lazaina.🇲🇬🕊️💔
Ka izao no angatahina:
Tompo ô, jereo izahay
Tarihoy izahay, omeo anay fahendrena.
Aza avela hifandravarava izahay.
Arovy n'y vahoakanao, arovy Madagasikara 🙏🇲🇬.
Mbola mino izahay:
Ho avy ny maraina vaovao.
Ho avy ny andro tsy hisy intsony ny ady Ary ho Sambatra I Madagasikara 🇲🇬❤️