14/07/2025
Miarahaba antsika rehetra,
Tsobodranon-dRamiangaly,
raha marivo irobohana,
fa raha lalina ihemorana ?
Tsia Tompoko !!
Fa sondisondina ny sindasinda tsiotsiokan'ny feo manga velon-tsikitsiky, satria velon-kira rahamahafaly sy rahamahasoa.
Arabaina toin'ny tatamo mamolovolom-parisy eny ambala-pahiry anatin'ny kamora tompoko ka na dia safomora aza ny onjan-drano dia tsy safotra fa masom-pika mandavan-taona,
Ho toy ny rano sy vary ny fifankatiavanareo Tompoko, eny an-tsaha tsy mifanary,
eny an-tanร na tsy mifandao,
Ho joko mihasolanga anie ianareo Tompoko,
Ho ambin-java manasatra,
Ho antokin'ny soa
Ho toin'ny reny tantely, hamela ny mamy hoan'ny tararaka,
Mahorena tokantrano Tompoko,
๐ฒ๐ฌ๐๐น๐๐คต๐ฟ๐ฐ๐ฟ๐๐น๐๐ฒ๐ฌ
Tolorana ny araha voadinidinika, sy ny akory voafantimpina koa ianareo Ray aman-dreny fotsy volo aminโny tany, ao koa ianareo havana aman-tsakaiza, nahafoy ny tokantrano tonga tsy nahalavi-tany, naleonareo tokoa very tsikalakalam-bola, notandrovinareo ny tsikalakalam-pihavanana.
Ka sitraka sy telina Tompoko,
Hifanantitra aminโny vady aman-janaka,
Ho ambinina aminโizay atao,
Hamboly hahavokatra,
hitahiry hahavanona,
haroroka zaza tazaina Tompoko,
Ny mpianatra ho tojo aminโny tanjona iriny,
Ny mpitovo hahazo vady sitraky ny kibo,
Ny mpiasa hisondro-boninahitra,
๐ฒ๐ฌ๐๐น๐๐คต๐ฟ๐ฐ๐ฟ๐๐น๐๐ฒ๐ฌ
Aza midran-tsofina samy akaiky isika eto Toamasina e
Locations Soalida ๐คโค๏ธ๐
๐๐ฟManao locations:
chapiteaux, latabatra, seza,
kojakoja fihinanana ,
kojakoja mpivarotana .... sns
๐๐ฟManao dรฉcorations , manao animations (misy Sono complet)
๐๐ฟManana trano-hivahinanana, mahazaka 100 - 150 vahiny koa Tompoko,
๐๐ฟEfa misy koa ny service traiteur Soamelie Tsiro ๐คค
๐๐ฝ Manana taomobilina azo hofaina koa isika, mahazaka olona 18 , sy taomobilina cortรจge,
Tolotra Soalida ( mahazaka 20 personnes )
Misy chapiteaux + seza 20 + latabatra 4 =
50 000 ar na 250 000 fmg
๐ฑ: 032 04 652 26
034 22 823 98
Toerana: Ambohijafy
Soa Tamatave 501
Installation/dรฉsinstallations GRATUIT
Mankasitra Tompoko ๐๐ฟ
๐ฒ๐ฌ๐๐น๐๐คต๐ฟ๐ฐ๐ฟ๐๐น๐๐ฒ๐ฌ๐๐น๐๐คต๐ฟ๐ฐ๐ฟ๐๐ฒ๐ฌ
Call now to connect with business.