NGM Label

NGM Label π—‘π—˜π—ͺ π—šπ—˜π—‘π—˜π—₯π—”π—§π—œπ—’π—‘π—¦ 𝗒𝗙 π— π—¨π—¦π—œπ—– πŸ”₯🎢

Artistes / Musique / Maison de disques
β˜ŽπŸ“ž 034 95 106 81/ 032 42 382 87

πŸ“ΊYouTube : youtube.com/-zg7we

GanG Mahazo Honodraha πŸ’Žβœ¨πŸ”—https://youtu.be/4pW9B-01rng
24/08/2025

GanG Mahazo Honodraha πŸ’Žβœ¨

πŸ”—https://youtu.be/4pW9B-01rng

TERAKA TAO AMIN'NY GHETTO, NIEZAKA MAFY MBA HO VELONA πŸ”₯❀
Avy amin'ny Ghetto izahay sady teraka sy lehibe tao amin'ny Ghetto. Zaza nateraka handresy, tsy mihemotra fa mandroso hatrany izahay. Isika sy i Zainahary ihany no eo aloha ry tanoran'i Ghetto namako. Manana nofinofy lehibe isika ary miasa mafy ho amin'ny ampitso mba ho tsara kokoa.

Velomo hatran’ny fanantenana fa isika no famaritana ny Ghetto...Afaka ny ho tsara indrindra isika rehetra ary amin'ny fomba tiantsika hahatongavana. Manan-kery ny nofy rehetra, andao handroso ry tanora ny Ghetto namako fa volamena ny fahatanorana.

GanG Mahazo Honodraha πŸ’Žβœ¨

πŸ”—https://youtu.be/4pW9B-01rng

28/07/2025

Old, New Tsy kola ❀️🀘

πŸ˜‡β€οΈ
28/07/2025

πŸ˜‡β€οΈ

ZAZA MADITRA FENO FAHENDRENA ARY BE FITIAVANA AHO πŸ₯°
Zaza maditra feno fahendrena, tia Tanindrazany, Tanin-janany, Fireneny ary be fitiavana izy, Nefa mifoka sigara ary tsy mihaino ny anatran'ny fiaraha-monina vendrana izay tia mitsara olona amin'ny endriny ivelany izy❀️

Manana dika telo samihafa momba ny tenako aho: Ny fahatsapako ny tenako ao am-poko sy ny fanahiko, Ny fomba fijerin'ny olona ahy tao an-trano, Ary teo amin'ny fiaraha-monina nitaiza ahy satria notsaraina aho tamin'ny endriko.😎

Ny fihetseham-poko sy ny eritreritro lalina indrindra, izay tsisy mahita na mahatsapa, afa-tsy izao ihany dia :
1) Zanak'olona sahirana aho, anefa mpanan-karena saina sy fanahy, ary manana fo feno fitiavana.❀️
2) Zaza tsara aho, tia mianatra, tia manofinofy, tia misaina be, ary tia manatratra tanjona😊
3) Zaza tia mihomehy sy mivazivazy aho, tia mihaino mozika sy mihira ary tia mandindihy, Satria io no fialamboly tsara indrindra sy mahafinaritra indrindra ho ahy hatramin'izay.πŸ˜‚
4) Zaza tia mianatra amin'ny fahadisoako aho! Satria tsy nianatra tany amin'ny lisea na oniversite fa nianatra tamin'ny famakiana boky, Facebook, Youtube, Google ary tambajotra sosialy. Ny fiaraha-monina eto amintsika ihany koa dia nanome ahy lesona tsara indrindra, ary mbola maka lesona tsara amin'ity fiainana kodiaran-tsarety ity aho.πŸ˜‡
5) Amin'ny maha-zaza ahy dia matetika aho no mahatsapa fahadisoam-panantenana eo amin'ny fiainana, saingy tsy kivy aho fa miaina araka ny fanantenako. Isa-maraina aho mifoha mijery ny fiposahan'ny masoandro, tsapako fa mbola misy adidy lehibe miandry ahy eto Amin’ny tanindrazako, tanin-janako, ary amin'ny Nosy malalantsika ity. βœŠπŸ‡²πŸ‡¬

Ny fomba fijerin'ny olona ahy tao an-trano dia:
1) Zaza adala no tsy voafehy hono, satria mandratra fo isaky ny tenenina aho.🀣
2) Zaza maditra, tsy misy tanjona hono, satria tsy tamana ao an-trano, fa miaraka amin'ny namako fona aho. Ary matetika ariva fona aho miditra ao an-trano, ary lasa misy disadisa fona eo amiko sy ny raiko niteraka ahy. πŸ₯Ή
3 Jiolahim-boto hono aho, satria tia mozika rap, lava volo, tsy tia mandeha miangona ary tsy mino an’i Jehovah Andriamanitra ny Israhely, fa mino zanahary ary tia mivavaka mangina ao am-poko sy ao an-tsaiko aho. πŸ₯Ή
4 Tsy mivoatra hono aho, satria tsy tiko ny mijery vaovao politika manavendrana ny tanora ary manabado ny vahoaka eto amin'ny fireneko, tsy tia mijerena lalao baolina kitra mandeha amin'ny fahitalavitra ihany ko aho.😜
5 Zaza mifoka miafina hono aho, adala, manonofy atondro, miteny zavatra tsy misy dikany, sarotra hono ny mampianatra zavatra ahy na inona na inona, satria olona Divergent fa tsy olona Convergent, tsy mahay mitadidy aho fa mahay mamorona rafitra.πŸ˜…

Ny fomba fijerin'ny olona tao amin'ny fiaraha-monina nitaiza ahy dia :
1) Izaho hono dia olona tsy misy ilana azy, satria zanak'olona mahantra aho ary efa namoy reniko, Tsy manana diplôma aho fa niala nianatra rehefa vita ny kilasy faha-6 😭
2) Zaza maditra hono aho, Satria lava volo no sady mifoka sigara ary tsy mihaino anatra ny fiaraha-monina vendrana, izay tia mitsara olona araka ny endriny ivelany aho. πŸ˜‚
3) Zatovo lahy tsy mahasa viavy hono, Satria izaho tsy mba isan'ireo tovolahy misolo sipa isan'andro. πŸ˜„
4) Tovolahy tsy mivoatra hono, Satria tsy anisan'ireo tanora mahavidy finday lafo vidy sy akanjo lafo vidy, pataloha lamaody sy kapa lamaody ireny aho.πŸ˜‚
5) Tovolahy marani-tsaina hono aho ! Tsy tia mindrana vola amin'ny olona na mangataka lava fa tia mampiasa vola amin'ny olona miasa mafy sy tia mitady vola to hay. Tsy tia mipetrapetraka sy matory antoandro hono aho ! Fa manao izay hatafita sy izay azo atao fona. πŸ’ͺ

Miala tsiny aho ary mifona amin'nareo zanak’andriamanitra tia mitsara olona, amin'nareo olona rehetra izay nianatra mafy nandritra ny fotoana ela noho ny fahadisoan'ny tsipelina rehetra, fa triplΓ© 6Γ©me niala nianatra aho manoratra ity.😊✊

Liona aho fa tsy alika kely na Β« chien de salon Β» πŸ”₯🦁

02/04/2025

🚨 NEW CLIP / NEW GENERATION 🚨
Edwitch Page - Where are you God πŸ™πŸ‡²πŸ‡¬
πŸ“Ί YouTube Link: https://youtu.be/-HiZmWjmAN4?feature=shared πŸ”—
Labe : NGM ( New Generations of Music )
Prod by : OseZ
Mix / Mastering : Nelsons Beat
Partage max la famille mba hoitan'ny namagna jiaby πŸ™β€

"Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao" πŸ₯°β€οΈMahasoa Anao  - Coach Motivational Speaker / Change Maker
01/04/2025

"Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao" πŸ₯°β€οΈ

Mahasoa Anao - Coach Motivational Speaker / Change Maker

New Clip πŸ”₯πŸ‡ΊπŸ‡ΈNGM Label - Edwitch Page ✨🚨Aza miala lavitra la famille ❀⏳
25/03/2025

New Clip πŸ”₯πŸ‡ΊπŸ‡Έ
NGM Label - Edwitch Page ✨
🚨Aza miala lavitra la famille ❀⏳

Edwitch πŸ”₯✨
27/12/2024

Edwitch πŸ”₯✨

16/10/2024

🚨πŸ”₯ NEW SONG // NEW DRILL πŸ”₯🚨
Artiste : Edwitch feat Gharry Up
Titre : LOOk ✨😎
Genre: Drill
Mixage/Mastering : Kikis on the track
Jacket : by OseZ
Maintenant disponible sur YouTube πŸ‘‡
πŸ”»πŸ”—Free Download https://youtu.be/8-sEhnRLXc8

Address

Toamasina
501

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when NGM Label posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category