22/03/2026
๐ TANTARANโI BIGGY GASY ๐โ๐ฟ
๐ Tsy mahagaga raha eny aminโโny fiaraha-monina misy olona navela irery na lazaina fa tsy misy ilaina azy no lasa mafy loha. ๐ฅ๐
๐ Eto aminโny nosy malalantsika no nitranganโny tantara. Nisy tovolahy atao hoe Bota; Eny, izany no anaram-bositra nomenโolona azy hatramin'ny fahazazany ka hatramin'ny fahatanorany, fa ny tena anarany dia i Sambany, saingy indrisy fa tsy nisy olona niantso azy taminโny tena anarany io... satria tsy mendrika azy hono ilay anarana hoy ny olona. ๐ฅฐ
๐ฅ๐ ZAZA MADITRA FENO FAHENDRENA ARY BE FITIAVANA AHO โค๏ธโจ
๐โจ Zaza maditra feno fahendrena, tia Tanindrazany, Tanin-janany, Fireneny ary tena be fitiavana izy. Saingy indrisy fa tsy mihaino vavan'ny fiaraha-monina " adala " izay tia mitsara olona amin'ny endriny ivelany. ๐๐
๐ฅฐ Manana dika telo samihafa momba ny tenako aho hoy i BIGGY GASY: Ny fahatsapako ny tenako ato am-poko sy ny fanahiko, Ny fomba fijerin'ny olona ahy tao an-trano, Ary teo amin'ny fiaraha-monina nitaiza ahy satria notsaraina aho tamin'ny endriko. ๐ผ
๐ ๐ฅNy fihetseham-poko sy ny eritreritro lalina indrindra, izay tsisy mahita na mahatsapa, afa-tsy izao ihany dia :
1) Zanak'olona sahirana aho, anefa mpanan-karena saina sy fanahy, ary manana fo feno fitiavana. ๐๐ต
2) Zaza tsara aho, tia mianatra, tia manofinofy, tia misaina be, ary tia manatratra tanjona. ๐๐ฅฐ
3) Zaza tia mihomehy sy tia mihanihany aho, tia mihaino mozika, tia mihirahira, tia mandindihy, Satria io no fialamboly tsara indrindra sy mahafinaritra indrindra ho ahy hatramin'izay. ๐๐
4) Zaza tia mianatra amin'ny fahadisoako aho, Satria tsy nianatra tany amin'ny lisea na oniversite fa nianatra tamin'ny famakiana boky, Facebook, Youtube, Google, tambajotra sosialy sns... Ny fiaraha-monina eto amintsika ihany koa dia nanome lesona tsara indrindra ho ahy, ary mbola maka lesona tsara amin'ny ity fiainana sekoly tsy misy rindrina tafolanitra ity aho. ๐๐
5) Amin'ny maha-zaza ahy dia matetika aho no mahatsapa fahadisoam-panantenana eo amin'ny fiainana, saingy tsy kivy aho fa miaina araka ny fanantenako. Isa-maraina aho mifoha mijery ny fiposahan'ny masoandro, tsapako fa mbola misy adidy lehibe miandry ahy eto. Aminโny tanindrazako, tanin-janako, ary amin'ny Nosy malalantsika ity. โ๐ฒ๐ฌ
๐๐ Ny fomba fijerin'ny olona ahy tao an-trano dia:
1) Zaza adala no tsy voafehy hono, satria mandratra fo isaky ny tenenina aho. ๐
๐
2) Zaza maditra, tsy misy tanjona hono, satria tsy tamana ao an-trano, fa miaraka amin'ny namako fona aho. Ary matetika ariva fona aho miditra ao an-trano, ary lasa misy disadisa fona eo amiko sy ny raiko niteraka ahy. โบ๏ธ๐ผ
3 Jiolahim-boto hono aho, satria tia mozika rap, lava volo, tsy tia mandeha miangona ary tsy mino anโi Jehovah Andriamanitra ny Israhely, fa mino Mpahary izao tontolo izao ary tia mivavaka mangina ato am-poko sy ato an-tsaiko aho. ๐ฅฐโค๏ธ
4 Tsy mivoatra hono aho, satria tsy tiko ny mijery vaovao politika manadala ny tanora ary manabado ny vahoaka eto amin'ny fireneko, tsy lina mijerena lalao baolina kitra mandeha amin'ny fahitalavitra ihany ko aho. ๐๐
5 Zaza mifoka miafina hono aho, adala, manonofy atondro, miteny zavatra tsy misy dikany. Sarotra hono ny mampianatra zavatra ahy na inona na inona, satria olona divergent aho fa tsy olona Convergent, tsy mahay tsianjery toy ny bloky aho fa mahay mamorona rafitra. ๐๐ช
โบ๏ธ๐ฉ Ny fomba fijerin'ny olona tao amin'ny fiaraha-monina nitaiza ahy dia:
1) Izaho hono dia olona tsy misy ilana azy, satria zanak'olona mahantra aho ary efa namoy reniko, Tsy manana diplรดma aho fa niala nianatra rehefa vita ny kilasy faha-6 ๐๐ช
2) Zaza maditra hono aho, Satria lava volo no sady mifoka sigara ary tsy mihaino vavanโny fiaraha-monina " adala " izay tia mitsara olona araka ny endriny ivelany. ๐๐
3) Zatovo lahy tsy mahasa viavy hono, Satria tsy mba isan'ireo tovolahy misolo sipa isan'andro aho. ๐โค๏ธ
4) Tovolahy tsy mivoatra hono, Satria tanora tsy manana finday lafo vidy sy akanjo lafo vidy, pataloha lamaody, kapa lamaody ireny aho. ๐๐
5) Tovolahy marani-tsaina hono aho, Tsy tia mindrana vola amin'ny olona na mangataka lava fa tia mampiasa vola amin'ny olona miasa mafy sy tia mitady vola to hay. Tsy tia mipetrapetraka sy matory antoandro hono aho, fa manao izay hatafita sy izay azo atao fona. โบ๏ธโ
๐ Miala tsiny aho ary mifona aminareo rehetra izay mihevitra ho zanakโAndriamanitra ka! Lasa tia mitsara olona, aminareo olona rehetra izay nianatra mafy nandritra ny fotoana ela ihany koa noho ny fahadisoan'ny tsipelina rehetra, fa triplรฉ 6รฉme niala nianatra aho manoratra ity๐๐
๐ฅLiona aho fa tsy alika kely na ยซ chien de salon ยป ๐ฆ