26/07/2026
🚨Nanao fanambarana tao amin'ny pejy facebook-ny Andriamatoa Andry Rajoelina manoloana ny lalana lalovan'ny firenena ankehitriny ‼️
Ary tamin'izany no nitondrany ny teny fampaherezana ireo fianakaviana namoy havana, zanaka😭
Hoy izy:
Ny SALAMO 59 : 2–4
« Afaho amin’ny fahavaloko aho, Andriamanitra ô; arovy tsy ho azon’ireo mpanohitra ahy aho.
Afaho amin-dry zareo mpanao ratsy aho, ary vonjeo tsy ho azon’ny olona mpandatsa-dra.
Fa indro izy manotrika hanala ny aiko; olona mpanao an-keriny no miray tetika hamely ahy, na dia tsy meloka aza aho, na dia tsy nanota aza aho,
ry Iaveh. »
Amin’ny alalan’ity tenin’ny Soratra Masina ity no itodihako amin’ireo fianakaviana miatrika fahoriana sy misedra fijaliana.
Ary mangataka ny fiarovan’Andriamanitra manoloana ny fakàna an-keriny,
ny tsy rariny ary ireo karazana herisetra maro samihafa.
Manohina ny foko manontolo ny mahita ny zava-mitranga eto amin’ny firenentsika.
Tsy afaka ny hangina aho manoloana ny zava-misy.
Maro loatra ny ankizy namoy ny ainy, ary maro ireo fianakaviana miaina ao anatin’ny fitaintainana sy ny tebiteby.
Amin’izao fotoana izao, rehefa mivoaka ny trano ny zanaka, dia tsy milamin-tsaina intsony ireo ray aman-dreny raha tsy tafody izy ireo.
Ary tsy ny ankizy ihany, fa na ny tanora na ny olon-dehibe aza dia samy miaina ao anatin’ny tahotra sy ny ahiahy avokoa.
Andriamanitra anie hiaro ny ankizy, ny vehivavy, ny lehilahy tsirairay avy ary ny firenena iray manontolo.
Aoka ny tsy fampisaraham-bazana no hanjaka, fa ny feon’ny fieritreretana sy ny maha-olona antsika.
Mahatoky isika fa indray andro dia hiverina ny fitoniana, ka tsy hisy intsony ny tahotra, fa hanjaka ny fandriampahalemana ary hiaina ao anatin’ny filaminana ny Malagasy.
Miray fo sy miombom-pahoriana aminareo fianakaviana namoy ny olon-tianareo aho: ireo ray aman-dreny, ireo zanaka, ireo mpiray tampo ary ireo havana rehetra namoy olon-tiana.
Mirary fiononana sy fitoniana ho an’ireo fianakaviana rehetra tra-pahoriana aho.
……………………………………………………………………………………………………………………
« Mon Dieu ! Délivre-moi de mes ennemis, protège-moi contre mes adversaires .
Délivre-moi des malfaiteurs, et sauve-moi des hommes de sang .
Car voici, ils sont aux aguets pour m'ôter la vie ; des hommes violents complotent contre moi, sans que je sois coupable, sans que j'aie péché, ô Éternel » (Psaume 59:1)
À travers cette parole de l’Écriture, je m’adresse à toutes les familles qui traversent l’épreuve et la souffrance.
Je prie Dieu de nous accorder Sa protection face aux enlèvements, aux injustices et à toutes les formes de violence qui frappent notre pays.
Ce qui se passe aujourd’hui à Madagascar me touche profondément. Je ne peux pas rester silencieux face à cette réalité. Trop d’enfants ont perdu la vie, et trop de familles vivent désormais dans l’angoisse, la peur et l’incertitude.
Aujourd’hui, lorsqu’un enfant quitte son foyer, de nombreux parents ne retrouvent la sérénité que lorsqu’il rentre sain et sauf. Et cette inquiétude ne concerne pas seulement les enfants mais les jeunes comme les adultes vivent eux aussi dans la peur et l’insécurité.
Que Dieu protège chaque enfant, chaque femme, chaque homme et toute la nation.
Face à cette tragédie, ne laissons ni la division ni la haine nous éloigner les uns des autres.
Faisons plutôt entendre la voix de notre conscience, de notre humanité et de notre solidarité.
Gardons l’espoir qu’un jour la paix reviendra, que la peur laissera place à la confiance et que chaque Malagasy pourra vivre librement, dans la sécurité, la dignité et la paix.
J’adresse tout mon soutien et ma profonde compassion aux familles qui ont perdu un être cher : aux parents, aux enfants, aux frères, aux sœurs et à tous les proches éprouvés par le deuil.
Que Dieu vous accorde la force, la consolation et la paix.