18/09/2026
๐จ๐จNY FAHATAPAHAN'NY JIRO, ILAY ANTON'ADY TSY MBOLA VOAVAHA๐จ๐จ
๐ Herin'aratra, herijika tsy afa-misaraka amin'ny andavanandrom-piainan'ny Malagasy:
๐ Fianarana
๐ฅ Fitsaboana
๐ผ Fandraharahana
๐ธ Fitadiavana
Ilay hoe "dรฉlestage", teny iray izay fambara fahasorenana sy fahakiviana noho izy milaza fahatapahan'ny herin'aratra mandritran'ny fotoana tsy voafaritraโณ
โก๏ธAntony sy fototra nijoroan'ny hetsika heritaona lasa izay, ny fisitrahana sy fanajana ny zo FOTOTRAโ๏ธ
Ankehitriny, mbola mitoetra ity olan'ny herin'aratra ity noho ny fahasimban'ny foto-drafitr'asa sasany sy ny fahavoazan'ny JIRAMAโโ
Misy ny miteny fa tsy vita anatin'ny heritaona ny famahana ity olan'ny herin'aratra ity.
'Ndeha ary lazaina izany ireo namoy ny havany noho tsy fisian'ny jiro nilaina tamin'ny famelomana ny havany tany amin'ny toeram-pitsaboana๐ฅ๐
Na koa ireo namoy ny havany tanaty haizina noho tsy fisian'ny jiro nanazava ny lalan-kodiana๐ฃ๏ธ๐
Heritaona aty aoriana, mbola miantra aman'aina hatrany ny tsy fisian'ny jiro๐ฏ๏ธ
โZo FOTOTRA ny fisitrahana izany ka tsy hitsahatra ny hijoro ny hetsika mandrapahatongavan'ny fanajana ny zo FOTOTRA mahaolona izay tsy azo hitovirana๐ซ
โ๏ธ Tsy fialan-tsiny na fanazavana no ilaina fa vahaolana sy asa mivaingana.
Ho an'ny Taninjanaka โ๐ฝ๐ฒ๐ฌ