Doris Rabemanantsoa

Doris Rabemanantsoa Entrepreneur, Conseiller juridique,Coach en développement personnel...
Unité✨Entraide✨Réussite
Contact: 0344710511

Tsy mety mahavita zavatra mihitsy ianao satria mifantoka amin'ny sakana fa tsy amin'ny vahaolana:Tsy misy vola, tsy ampy...
10/05/2025

Tsy mety mahavita zavatra mihitsy ianao satria mifantoka amin'ny sakana fa tsy amin'ny vahaolana:
Tsy misy vola, tsy ampy fahaizana, tsy misy namana, mahantra, kely, efa tara, tsinontsinona, sns...

Ny olona te havita sy te ho tafita amin'ny fiainana anefa dia vahaolana no tadiaviny fa tsy mifantoka aminy olana satria ny olana iray dia manokatra vahaolana an'arivony.
Ary ny vahaolana dia Mety ahitana idée de business 💡

Eny, hahita vahaolana anie ianao manomboka androany fa tsy ho variana hitanisa olana.
Eh, aza adino ny lesona omaly hoe mpandresy ianao!
Tsy maintsy tafa ianao💡
Mirary weekend Mahafinaritra sy feno vahaolana Aminy izay olana andalovanao

Eh! Salama tsara daholo ve isika?Arabaina ianao nahatratra izao maraim-baovao izao👋Eh! Fantatrao ve fa efa fandresena le...
08/05/2025

Eh! Salama tsara daholo ve isika?
Arabaina ianao nahatratra izao maraim-baovao izao👋
Eh! Fantatrao ve fa efa fandresena lehibe ny fahatratraranao Ity androany Ity noho izany mahaiza mankasitraka🙏
Fa Mbola afaka mitondra fanovana sy fanatsarana Aminy fiainanao enao asio tsiky ary Raha vao avy mamaky an'ity dia sahia milaza TSY MAINTSY TAFA AHO.
Mirary tontolo andro feno fahombiazana e🫡
Tsy maintsy Tafa🫵

💤Mirary Toromaso mamy daholo e💤Tsy maintsy Tafa🫵
07/05/2025

💤Mirary Toromaso mamy daholo e💤
Tsy maintsy Tafa🫵

Eh! Aza ampitahaina amin’ny hafa ny fiainanao Raha te ho tafita.Samy manana ny lalany, samy manana ny fotoana hananganan...
07/05/2025

Eh! Aza ampitahaina amin’ny hafa ny fiainanao Raha te ho tafita.

Samy manana ny lalany, samy manana ny fotoana hananganana ny nofinofiny, samy manana ny fotoana mety aminy…

Ny fifampitahana tsy manampy, fa mandrava tsikelikely ny herim-ponao.

Ilay finoana tena ilaina amin’ny fahombiazana manjary lasa resin’ny ZAVATRA hafa satry mety tsy ho vitanao ary mety tsy eritreretinao akory hoe inona ny lalana nodiavin’ilay olona hampitahanao ny fiainanao fa ny vokatra efa azony no hitanao

Samy manana ny talenta hananany.
Samy manana ny hery manokana, samy manana ny fotoanany hambolena sy hijinjana.

Rehefa miakatra ny hafa, mifalia dia miezaha mamantatra ny ataony ary makà lesona.

Raha vonona ny handroso ianao, hialao ny fampitahana amin’ny hafa fa poizina be mihitsy.

Ka hoy aho hoe: Vonona ny haomby ve ianao aza variana mampitaha ny fiainanao aminy afa fa mandraisa lesona lalandava sahia mitondra fiovana Ary Araho ezaka izany fa tsy maintsy Tafa ianao🫵

🤫Ity Misy Tsiambaratelo🤫💲💵Tsiambaratelon’ny olona manan-karena izy ity💲💵Maro dia maro ny olona te ho Tafa  ary te-ho mpa...
05/05/2025

🤫Ity Misy Tsiambaratelo🤫
💲💵Tsiambaratelon’ny olona manan-karena izy ity💲💵

Maro dia maro ny olona te ho Tafa ary te-ho mpanan-karena daholo ny olona… fa vitsy kosa no vonona hihaino ny marina.

👉 Tsy hoe manan-tsaina kokoa noho ianao akory ny mpanankarena na koa hoe manapahaizana miotra
Fa nahafantatra sy nampihatra fitsipika tsotra izy ireo izay tsy fantatry ny 99%-n’ny olona na fantany fa tsy manana courage hiroso ny olona :
Ity Ary ny zava-dehibe tokony ho fantarina

💡 Ny vola dia manaraka ny VALEUR-ny zavatra ataonao💡

Raha mbola sahirana ara-bola ianao ankehitriny, dia anontanio ny tenanao hoe :

📌 Inona no olana ho vahako amin’ny olona ?
📌 Inona no fahaiza-manao tsy ananan’ny olona maro ananako ?
📌 Ahoana no ahafahako manampy olona hihary vola, na hitsitsy vola sy fotoana ?

💰 Ny olona lasa manan-karena dia tsy miandry karama fotsiny, fa mamorona vahaolana ho an’ny hafa.

🚫 Fa maninona no tsy mahomby ny ankamaroan’ny olona ?

1️⃣ Mandany fotoana amin’ny asa tsotra sy mahazo karama kely, fa tsy manangana zavatra mitondra vola maharitra.
2️⃣ Mandany vola amin'ny fialamboly (toy ny Netflix, Facebook, sy ny lamaody isan-karazany...) mihoatra noho ny mianatra sy mamokatra zavatra mampidi-bola.
3️⃣ Miandry zava-mahagaga fa tsy mandray andraikitra.

😏 99% ny olona hamaky ity dia tsy hanao na inona na inona akory, tsy ho tapa-kevitra hanaraka ny pejy mba andratoanana fahalalana...
Na tapitra aza Ity volana Ity dia Mbola tsy ahita vokatra IZY...
KA HOY AHO HOE:
Asehoy fa hafa ianao dia Mba ho isan’ny 1% ny olona mihetsika sy mandroso ary vonona ny ahita fahombiazana.

Raha vonona ianao dia sahia manoratra tsy maintsy Tafa aho 🙏🙏🙏
Mirary takariva mahafinaritra daholo e! Tsy maintsy Tafa ianao🫵

Volana MayAndroany ny Alatsinainy voalohany amin'ity volanao vaovao ity...Raha ny marina anefa ny volana  fotsiny no mis...
05/05/2025

Volana May
Androany ny Alatsinainy voalohany amin'ity volanao vaovao ity...
Raha ny marina anefa ny volana fotsiny no misy fiovana, fa ianao kosa: mbola eo amin'ilay toerana nisy anao omaly ihany ve ianao?
Fa na dia ho tapitra aza ny volanao rehetra amin’ity taona vaovao ity. Na dia nirary soa anao avokoa aza ny tapaka sy ny namana, ny havana aman-tsakaiza taminy taom-baovao…
Saingy tsy hanova ny fiainanao ho vaovao ireny raha tsy ianao no handrafitra anao ho vaovao...
Tsarovy foana fa ny vokatra jinjaintsika anio dia vokatry ny safiditsika omaly.
Eh tsarovy fa Efa volanao May ndray anie izao e! ka izao ny fotoana ametrahana fivoarana aminy fiainanao.
Raha manomboka izao ianao no miezaka, mivoatra na 1% fotsiny amin'ny sehatra iray hitanao fa hanova ny fiainanao Dia efa zava dehibe izany satria ny erikerika anie ka maha tondra drano e!
Anjaranao amin'izay izao ny ho TAFA, anjaranao izao ilay MAHOMBY anjaranao Zao ny MAMIRATRA , ndao Hiezaka, ndao hanao ACTION dieny izao tsisy miala eto fa tsy maintsy TAFA ianao!
HIZARA,HITARY DALANA ARY VONONA NY HIFANAMPY AMINAO Izahay eto Aminy pejy.
Ka hoy hatrany Izahay hoe:
🏆🏆TSY MAINTSY TAFA ISIKA🏆🏆

Fantatrao ve ny Zavatra ataon'ny olona mahomby alohan'ny hatoriana?😴1- Mamaky boky2-Mandrafitra lisitra ireo zavatra tok...
04/05/2025

Fantatrao ve ny Zavatra ataon'ny olona mahomby alohan'ny hatoriana?😴
1- Mamaky boky
2-Mandrafitra lisitra ireo zavatra tokony mbola ho atao
3-Manokana fotoana ho an'ny fianakavina na ankohonana
4- Manao tomban'hezaka ny tontolo androny
5- manao méditation
6-miomana aminy toromaso
7- Manala an-tsaina ireo asa mety ampikorontana ny saina
8- Miheritreritra Zavatra tsara
9-Mandinika ny fahombiazana
Firy amin'ireo no mba efa hataonao?
Bonne Nuit 💤💤💤💤💤
📸Pexels

🗣️TENENO IZAY ZAVATRA TIANAO HITRANGA AMINY FIAINANAO🗣️Rehefa namorona izao tontolo izao andriamanitra dia taminy alalan...
04/05/2025

🗣️TENENO IZAY ZAVATRA TIANAO HITRANGA AMINY FIAINANAO🗣️

Rehefa namorona izao tontolo izao andriamanitra dia taminy alalany teny. Noho izany manan-danja ny teny avoka ny vavantsika ka hoy aminao androany hoe:

🗣️Isa-maraina dia zaro ny vavanao hamafy teny positif amin'ny tenanao.
Zaro ny molotrao hamafy voa tsara amin'ny fiainanao.
🗣️Ny teny dia tahaka ny voa rehefa afafy dia maniry ary mahavokatra.
Tsara ho tadidintsika foana fa Tsy niandry ny mazava nitranga Andriamanitra vao niantso mazava fa tao anaty haizina no niantso hoe misia ny mazava...
🗣️Koa sahia amafy voa tsara amin'ny tenanao.
Teneno izay zavatra tianao hitranga androany.
Teneno izay zavatra tianao ho hita androany.
MAHERETA MILAZA HOE:
Mahomby aho...
Manan-karena aho...
Mandresy aho..
Salama aho...
Vitako io...
TSY MAINTSY TAFA AHO.
MIRARY ALAHADY SAMBATRA FENO FAHOMBIAZANA HO ANAO
EH! TSY MAINTSY TAFA IANAO🫵

😀Ambolena ny fahasambarana😀Nisy olona omaly sendra tafaresaka tamiko hoe tsy mba sambatra hono izy, nanotaniako azy ny a...
03/05/2025

😀Ambolena ny fahasambarana😀

Nisy olona omaly sendra tafaresaka tamiko hoe tsy mba sambatra hono izy, nanotaniako azy ny antony dia nivaliny hoe satria tsy manana olotina izy.
Tsy dia Maha resy lahatra ahy ny valiteninao navaliko azy ary tsy marina. Ary nampiko fanazavana hoe: raha ianao ko mihevitra fa ny fahasambarana dia avy aminy zavatra ivelany dia tsy ho sambatra mihintsy ianao ary na ianao sambatra fa anatiny fotoana fohy fotsiny.
Raha te ho sambatra ianao dia mila mamboly fahasambarana ao anatinao ao , ka mahaiza mampifaly ny tenanao tsisy inoninona. Tiavo ny tenanao , ataovy izay mahafaly anao, ankasitrao izay zavatsoa misy eo aminao (oh fotsiny ny fahafanao mahita an'ity hafatra ity, ny fahasalamanao, ny chance anananao Mbola velon'aina....)
Amboleo tsy kelikely ny fahasambaranao dia tsy hijaly zany mihintsy ianao na manambola na tsia , na manana olotiana na tsia . Satria ny fahasambarana dia volena ao anaty ao AZA KIVY , MITRAKA Ary Ataovy antsainao lalandava hoe TSY MAINTSY TAFA IANAO🫵

AZA VAKIANA ITY FA SAO HO TAFITA EO IANAO:1. Ny fanombohana no fanalahidyTsy hisy fahombiazana raha tsy sahy manomboka i...
02/05/2025

AZA VAKIANA ITY FA SAO HO TAFITA EO IANAO:

1. Ny fanombohana no fanalahidy
Tsy hisy fahombiazana raha tsy sahy manomboka ianao . Raha miandry fotoana tonga lafatra ianao, dia ho lany andro fotsiny. Ny fahombiazana dia tsy miandry fotoana mety, fa mitranga rehefa manapa-kevitra ianao hoe hanomboka. Na kely aza ny dingana, dia efa fandrosoana izay. Ataovy izao izay azo atao, ary aoka tsy hisy hahasakana anao.

2. Toe-tsaina mandresy
Izay mino ny tenany sy miezaka dia mahavita be lavitra noho izay matahotra sy misalasala.

3. Fandaminana sy tanjona mazava
Raha tsy fantatrao hoe aiza no alehanao dia ho very eny an-dalana ianao. Manorata tanjona, asio drafitra.

4. Faharetana sy fikatsahana
Ny fahombiazana dia vokatra avy amin’ny tsy fivadibadihana sy ny faharetana. Aza kivy, aza mihemotra.

5. Mianara amin’ny tsy fahombiazana
Ny lesoka rehetra dia lesona. Aza matahotra diso, fa mianara amin’izay tsy nety.

6. Aza mampitaha ny tenanao amin’ny hafa
Ny fiainana dia hazakazaka amin’ny tenanao ihany. Ataovy tsaratsara kokoa ny andronao anio noho ny omaly.

7. Fanekena sy fandraisana andraikitra
Raha misy tsy mety, aza mitady olona hotenenina sy hokianina. Maneke, raiso ny andraikitrao, hatsarao izay tsy mety!

8. Fampitomboana fahaiza-manao sy fahalalana
Mazotoa manampy fahalalana sy fahaiza-manao isan’andro. Io no fitaovam-pahombiazanao lehibe indrindra.

9. Fifidianana namana mampahery
Miaraha amin’izay manampy anao hitombo, aza manakaiky ireny olona mpanakivy lava ireny

10. Fanekena fiovana
Ny fiovana dia tsy fahavalo. Raiso ho fahafahana vaovao hanatsarana ny tenanao izany.

11. Fanajana ny fotoana
Ny olona mandroso dia tsy mandany ora amin’ny resaka tsy misy dikany, resaka tsy mampandroso. Atomboy izao ny zavatra tokony hatao.

12. Fanamby ihany no hahafahanao miroso
Isaky ny misy olana, dia hisy fivoarana vaovao. Aza miato rehefa sarotra. Manaova fanamby foana.

13 Tiavo izay atao
Raha tianao ny ataonao dia ho mora aminao ny miezaka sy mitombo amin'iny zavatra iny.

14. Fiainana ara-panahy sy fahombiazana
Manomboka amin’ny fonao sy ny fifandraisanao amin’Andriamanitra ny tena fahombiazana.

15. Fanohanan’Andriamanitra
Rehefa miantehitra amin’Andriamanitra ianao, dia tsy irery amin’ny lalanao. Mandehana amin’ny finoana!

Maninona ary ity mbola novakianao? Satria te ho Tafa ianao Ary hoy aho hoe ampiaro ireo fa tsy maintsy Tafa ianao…😊😊

Manaraha hatrany ny pejy fa hifanampy isika Ary hifampitarika mankany aminy fahombiazana.
Eh! Tsy maintsy Tafa isika, tsy maintsy tafita ianao🏆

👋Bienvenue Mai !👋5 mois se sont déjà écoulés cette année… Le temps passe, mais chaque jour est une nouvelle chance d’agi...
01/05/2025

👋Bienvenue Mai !👋
5 mois se sont déjà écoulés cette année… Le temps passe, mais chaque jour est une nouvelle chance d’agir, de progresser, de devenir meilleur qu’hier.
Mai, c’est le moment d’accélérer, de transformer les intentions en actions, les rêves en réalités.
Ne laisse pas passer ce mois comme les autres : avance, ose, construis !
Ta meilleure version t’attend… à toi de la rattraper
Alors n'attendez plus suivez-nous et ensemble entraînons nous pour atteindre le succès
Tsy maintsy Tafa isika.... Dr succès ☀️

célébration de la journée mondiale du livre et du droit d'auteur au Masôva 501 - Toamasina.thème:" loharanony kolontsain...
30/04/2025

célébration de la journée mondiale du livre et du droit d'auteur au Masôva 501 - Toamasina.

thème:" loharanony kolontsaina ny Boky"
Ny Boky moa dia anisany loharano Azahoana fahalalana Ary ny olona mahomby dia anisany manana fahazarana mamaky Boky.
📖tsy maintsy Tafa isika fa Ndao hamaky boky📖

Address

Toamasina
501

Telephone

+261322216775

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Doris Rabemanantsoa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share