05/04/2026
❌❌Fivadihana lakana niala avy teto Toliara hoany Soalara Sud :
⚠️Razana 4 no efa hita , iray kosa mbola karohina.
👉Raha tsiahivina : Olona dimy niara-nandeha lakana avy eto Toliara hihazo an’i Solara Sud no natelin’ny rano, vokatry ny faharendrehan’ny lakana. Tamin’ny alin’ny Zoma hifoha Sabotsy.
👉Araka ny loharanom-baovao azo, efa hita ny razana efatra amin’ireo niharam-boina. Marihina fa zanak’olona iray ihany ny telo amin’ireo efa hita.
Tsy mbola fantatra mazava amin’izao fotoana izao ny tena antony nahatonga ny loza.
Vaovaon'i Toliara