STEPIC INFOS

STEPIC INFOS Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from STEPIC INFOS, News & Media Website, Ruelle n°2, Tanambao I, Tulear.

KAOMININA AMBONIVOHITR'I TOLIARA: Araka ny Arrêté Municipal N°26-002/C.U/AGT/Org/Exc/Ar navoakan’ny Kaominina Ambonivohi...
19/02/2026

KAOMININA AMBONIVOHITR'I TOLIARA:

Araka ny Arrêté Municipal N°26-002/C.U/AGT/Org/Exc/Ar navoakan’ny Kaominina Ambonivohitr’i Toliara tamin’ny 17 Febroary 2026, dia nofoanana amin’ny fomba ofisialy ny fanendrena an’i LAMARRE Jacques Elie amin’ny maha Lefitra Voalohan’ny Ben’ny Tanàna azy sady mpikambana ao amin’ny Biraon’ny Mpanatanteraka.

Nosokafana androany 17 Febroary ny làlana mihazo ny Port-kely, ilay toerana fitsangatsanganana ao amoron-driaka eto Toli...
17/02/2026

Nosokafana androany 17 Febroary ny làlana mihazo ny Port-kely, ilay toerana fitsangatsanganana ao amoron-driaka eto Toliara.

Tonga nanala an'ireo fefy ny avy ao amin'ny Fiadidian'ny Kaomina Ambonivohitr'i Toliara niaraka tamin'ireo mpitandro filaminana.

📸John Henri

Tsy nirariravy tanana ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety ato amin’ny Faritra Atsimo-Andrefana fa nandray anjara mavitrika ta...
16/02/2026

Tsy nirariravy tanana ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety ato amin’ny Faritra Atsimo-Andrefana fa nandray anjara mavitrika tamin’ny hetsika “Tolotanana” izay notanterahina teto amin’ny Faritra Atsimo-Andrefana.

Ity hetsika ity dia natao hanangonam-bola sy fanampiana ho an’ireo mpiray tanindrazana tra-boina any amin’ny Faritra Atsinanana, nohon'ny takaitra navelan’ny rivo-doza GEZENI.

Nandritran'ny roa andro nanaovana ny hetsika dia nahatratra 12.201.400 Ariary ny fitambaran’ny vola voangona. Ity vola ity dia natokana manontolo hanohanana sy hanampiana ireo fianakaviana tra-boina any an-toerana

Tontosa androany 16 Febroary ny fitokanana ny orinasa famokarana zezika biolojika ao amin’ny Kaominina Belalanda, Distri...
16/02/2026

Tontosa androany 16 Febroary ny fitokanana ny orinasa famokarana zezika biolojika ao amin’ny Kaominina Belalanda, Distrikan’i Toliara II.

Laharam-pahamehana ho an’ny Fitondram-panjakana ny fanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Ao anatin’ny paikady stratejika napetraka amin’izany ny fampihenana ny vidin’ny zezika, ho fanohanana mivantana ny tantsaha sy hanamafisana ny famokarana ara-pambolena manerana ny faritra.

Ity tetikasa ity dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Emirà Arabo Mitambatra sy ny Fitondram-panjakana Malagasy.

Nanome voninahitra ny lanonam-panokafana ny Filoham-panjakana, Michaël RANDRIANIRINA, niaraka tamin’ireo mpikambana sasantsasany ao amin’ny Governemanta, ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena ary ny Ambasadaoron’ny Emirà Arabo Mitambatra. Maneho ny fahamatorana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta izany.

Nandray anjara mavitrika tamin’ny hetsika “Tolotanana” ho fanampiana ireo mpiray tanindrazana tra-boina vokatry ny fanda...
16/02/2026

Nandray anjara mavitrika tamin’ny hetsika “Tolotanana” ho fanampiana ireo mpiray tanindrazana tra-boina vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza GEZANI tany Toamasina ny Fitaleavam-paritry ny Fizahan-tany sy ny Asa Tanana ato amin’ny Faritra Atsimo-Andrefana, niaraka tamin’ireo mpandraharaha ara-pizahantany eto an-toerana.

Ho mariky ny firaisankina sy fiombonana amin’ireo havana tra-boina ao amin’ny Faritra Atsinanana, dia nanolotra fanampiana ara-bola sy lamba izy ireo, entina hanamaivanana ny fahasahiranana atrehin’ireo fianakaviana voakasiky ny voina.

Ity hetsika ity dia manaporofo indray ny firaisankina sy ny fifanohanana eo amin’ny samy Malagasy amin’ny fotoan-tsarotra.

Dikan’ireo loko fampitandremana mandritra ny fotoana andalovan’ny rivodoza: Maitso, Mavo, Mena, Manga🚨Fantaro ny hevitr’...
31/01/2026

Dikan’ireo loko fampitandremana mandritra ny fotoana andalovan’ny rivodoza: Maitso, Mavo, Mena, Manga
🚨Fantaro ny hevitr’ireo loko fampitandremana fampiasa amin’ny rivodoza sy ireo fepetra tokony arahina?
Asaina ianao hamaky hatramin’ny farany ary zarao amin’ny manodidina anao hahafan’ny tsirairay miomana.
FILAZANA MILOKO MAITSO NO FILAZANA FANAIRANA
👉2 hatramin’ny 5 andro mialohan’ny hahatongavan’ny rivodoza
🟢Tsy miandriaka intsony
🟢Mioty sy mitahiry ny voly mba tsy ho simba
🟢Hamafisina ny trano
🟢Manao fantsona manakaiky ny trano mba hisorohana ny tondra-drano anaty tanàna
🟢Mampilaza ny tompon’andraikitra raha mahita hazo mety hitera-doza
🟢Tehirizina amin’ny toerana azo antoka ny antontan-taratasy sy ny fanafody
🟢Manaraka tsy tapaka ny vaovao momba ny RIVODOZA
🟢Mifampizara vaovao indrindra amin'ireo tsy mahazo izany sy ireo marefo
FILAZANA MILOKO MAVO NO LOZA MANAMBANA
👉 1 na 2 andro mialohan’ny hahatongavan’ny rivodoza
🟡 Hakarina an-tanety ny lakana sy ny baka
🟡 Manomana tahirin-tsakafo maharitra andro vitsivitsy
🟡 Manangona vatoharatra sy labozian-Jiro fanao am-paosy
🟡 Afindra amin'ny toerana azo antoka ny biby fiompy (akoho,gisa,saka,alika...)
🟡 Manara-maso ny zaza sy ny tanora
🟡 Vokisana ny vatoharatra
🟡 Mifampilaza ny isan-tokantrano amin'ny fandaharam-potoana rehetra
🟡 Mamonjy toerana efa voaomana raha tsy azo antoka ny fonenana(EPP, CEG,Lycée, Fiangonana)
🟡 Manaraka tsy tapaka ny fivoaran’ny andro ratsy
🟡 Mifampizara vaovao indrindra amin'ireo tsy mahazo izany sy ireo marefo
FILAZANA MILOKO MENA NO LOZA MITATAO
👉 Efa mihatra amin’ny toerana naharay azy ny loza
🔴Toniana ny saina
🔴Mipetraka amin’ny toerana azo antoka
🔴Tsy mivoaka ny trano intsony
🔴Tapahana ny herinaratra, hamafisina ny hidin’ny varavarana, ny fantsin-drano ary ny fizaran-jiro
🔴Mitandrina amin’ny mety ho fahatonian’ny andro tampoka fa hiverina hiharatsy izany avy eo
🔴Manaraka tsy tapaka ny vaovao momba ny rivodoza.
🔴Mifampizara vaovao indrindra amin'ireo tsy mahazo izany sy ireo marefo
FILAZANA MILOKO MANGA NO FILAZANA FAHAMAILONA
👉 Efa lasa ny rivodoza
🔵Malina hatrany
🔵Manaraka ny fivoaran’ny toetry ny andro
🔵Tandremana ny fahadiovan’ny sakafo sy ny rano
🔵Mitandrina amin’ny rano miandrona mety hiteraka aretina
🔵Mailo amin’ny tariby mitondra herinaratra izay tapaka eny an-dalambe
🔵Mifanampy amin’ny fanarenana ny simba isika
🔵Mifampizara vaovao indrindra amin'ireo tsy mahazo izany sy ireo marefo
Source: Météo Madagascar

🎯Androany, ny STEPIC INFOS dia manolotra antsika ny mombamomba an’i Ramatoa ANNE MIHERSON Sylvia, Talem-paritry ny Fizah...
29/01/2026

🎯Androany, ny STEPIC INFOS dia manolotra antsika ny mombamomba an’i Ramatoa ANNE MIHERSON Sylvia, Talem-paritry ny Fizahan-tany sy ny Asa tànana ato amin’ny Faritra Atsimo-Andrefana.

📌FIANARANA SY LALAM-PIOFANANA

✅Ny fianarana sy ny lalam-piofanana nodiaviny no hanombohantsika ity fampahafantarana ity. Tao amin’ny Lycée Laurent Botokeky no nahazoan’i Ramatoa Sylvia ny diplaoma voalohany, Baccalauréat. Nanohy ny fianarany izy taty aoriana ka nahazo ny mari-pahaizana Licence en Administration des Entreprises et Commerce, option Commerce International, tao amin’ny Institut de Management des Arts et Métiers (IMGAM), Antananarivo. Roa taona taorian’izany dia nahazo ny mari-pahaizana Master II tao amin’io Institut io ihany izy, ka « Marketing et Administration » no Option nosafidiany.

📌NY ASA SY ANDRAIKITRA NOSAHANINA

✅Taorian’ireo fianarana ireo dia niditra tanteraka teo amin’ny sehatry ny asa Ramatoa Sylvia. Nitàna andraikitra roa sosona tao amin’ny Ministeran’ny Asa tanana, ny Kolontsaina ary ny Vakoka izy, dia:
Chargée d’études tao amin’ny Service de la Planification et de la Programmation eo anivon’ny Direction Générale de la Culture et de l’Artisanat ;
Chargée d’études sur les données artistiques et culturelles tao amin’io Ministera io ihany koa. Manaraka izany dia efa nitazona ny andraikitra Responsable Communication et Marketing teo anivon’ny Direction du Fonds « LOVAKO » ao amin’ny Ministeran’ny Kolontsaina sy ny Asa tànana izy. Taorian’izay dia voatendry ho Chef de Service de la Culture tao amin’ny Direction Régionale de la Culture, de la Promotion de l’Artisanat et de la Sauvegarde du Patrimoine ato amin’ny Faritra Atsimo-Andrefana. Tao anatin’izany ihany koa no nitantanany ny Centre Régional de l’Enseignement de la Musique et de la Danse.

✅Talohan’ny nanendrena azy ho Talem-paritry ny Fizahan-tany sy ny Asa tànana, dia efa Tomponandraikitra ny Mozea tao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina izy.

Ankoatra ireo andraikitra ireo dia mampianatra Vacataire ao amin’ny Domaine des Sciences de la Société, ao amin’ny Anjerimanontolon’i Toliara, Ramatoa Sylvia.

📌FIKAROHANA SY FIANARANA AMBONY

✅Na teo aza ireo andraikitra marolafy nosahaniny, dia tsy nitsahatra nanohy ny fianarany izy ka afaka niaro am-pahibemaso ny « thèse en Management des Organisations » tao amin’ny CNTEMAD. Amin’izao fotoana izao kosa dia eo am-panomanana ny thèse de Doctorat faharoa izy, option Marketing, ao amin’ny Oniversiten’i Toliara.

📌FIOFANANA SY FIROTSAHANA AN-TSEHATRA

✅Maro ihany koa ireo fiofanana nahazoany traikefa momba ny serasera, ny haino vaky jery, ary ny zon’olombelona, izay niarahana tamin’ireo mpiaramiombonantoka iraisam-pirenena toa ny FES sy ny UNICEF. Mpikambana mavitrika ao amin’ny Soroptimist Club de Toliara sy ny Fikambanana « Solidarité des Jeunes Intellectuels pour l’Avenir de Madagascar » izy.

Izahay eto amin’ny STEPIC INFOS dia mirary fahombiazana, faharetana, mba hahaleo, hahalasana amin’ny fanatanterahana ireo adidy aman’andraikitra sahaninao, Ramatoa Talé ANNE MIHERSON Sylvia, ho fampandrosoana ny Faritra Atsimo-Andrefana.

‎Tontosa anio tolakandron'ny 26 Janoary ny famindram-pitantanana teo amin'ny Talem-paritry ny Fizahan-tany sy Asa-tànana...
26/01/2026

‎Tontosa anio tolakandron'ny 26 Janoary ny famindram-pitantanana teo amin'ny Talem-paritry ny Fizahan-tany sy Asa-tànana Mpisolo toerana, Andriamatoa TONGANIRINA Andrianasivelo sy ny Talé vaovao, Ramatoa ANNE MIHARSON Sylvia, izay voatendry mandritran'ny filan-kevitry ny ministra, ny 20 Janoary lasa teo.

‎Tonga nanatrika an'izao famindram-pahefana izao ny Prefet-n'i Toliara sy ny Lehiben'ny Faritra Atsimo-Adrefana Mpisolo toerana ary ireo olobe an-tanà eto Toliara.

24/01/2026

Nisehoana tranga horohoron-tany ny ao an-drenivohitra Antananarivo ny androany 24Janoary, tamin'ny 11ora sy 30minitra teo ho eo

Tontosa io marainan'ny Sabotsy faha 24 Janoary ny famindram-pitantanana teo amin'ny Talem-paritry ny Rano, ny Fidiovana ...
24/01/2026

Tontosa io marainan'ny Sabotsy faha 24 Janoary ny famindram-pitantanana teo amin'ny Talem-paritry ny Rano, ny Fidiovana sy ny Fanadiovana Atsimo Andrefana, ANDRIANAIVOKELY Ricot sy ny SAF-n'ny Fitaleavam-paritrin'ity departemanta ity.

Tontosa io marainan'ny Zoma faha 23 Janoary io teny amin'ny Lapan'ny Faritra Atsimo-Andrefana ny famindram-pitantanana t...
23/01/2026

Tontosa io marainan'ny Zoma faha 23 Janoary io teny amin'ny Lapan'ny Faritra Atsimo-Andrefana ny famindram-pitantanana teo amin'ny Talem-paritry ny Serara sy ny Kolotsaina teo aloha, Ramatoa RAVOLOLONJANAHARY Marcelia sy ny Talé vaovao, Andriamatoa RANDRIANIRIKO Christian, izay voatendry arakin'ny Filankevitry ny Minisitra, ny 15 Janoary 2026 lasa teo.

Noho ny hamehana sy ny fahasahiranana sedrain'ny kaominina ambonivohitr'i Toliara dia notendrena ho Filohan'ny Fiaraha-m...
21/01/2026

Noho ny hamehana sy ny fahasahiranana sedrain'ny kaominina ambonivohitr'i Toliara dia notendrena ho Filohan'ny Fiaraha-mitantana vonjimaika i VITAL Serge .

Voatendry ho filoha lefitra ihany koa i RAZAHA Tondraha sy LAMARRE Jacques Elie.

Mbola manohy ny asany kosa ireo Ben’ny tanàna lefitra, dia i TSIHOAIA Ravelosoa sy LEDA Tovonasy.

Nandritran’ny fivoriana niarahana tamin’ny Mpanolontsaina avo ny fanavaozana, ZAFITASONDRY Marcellin niaraka amin’ireo tomponandraikitra ara-panjakana sy sivily eto Toliara, androany alarobia faha 21 janoary no nandraisana ny fanapahan-kevitra mba hiantohana ny fitohizan’ny raharaham-panjakana.

Address

Ruelle N°2, Tanambao I
Tulear
601

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when STEPIC INFOS posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share