23/07/2026
Mpanao Gazety sy olom-pirenena misehatra eny anivon'ny fiarahamonim-pirenena miisa 15 no nisitraka fampiofanana avy amin’ny MALINA, Fikambanana Mpanao Gazety misehatra amin’ny Fanadihadiana Lalina sy Fanatsikafonana.
Naharitra telo andro ity hetsika ho fanatsarana ny fahaizamanaon'ny mpanao gazety sy fanamafisana ny fametrahana tambazotran'ny mpanao gazety sy ny olom-pirenena miara-miasa amin'ny Malina ity. Ao anatin’ny tetikasa Manehoa, izay tohanan’ny Internews no nanatanterahana izany.
Nifantoka tamin'ny fanamafisana ny fahaiza-manao amin'ny fikarohana antontan-kevitra an'habaka (OSINT), ny fanamarinana vaovao (fact-checking), ny etika amin'ny asa fanaovan-gazety ary ny fiarovana nomerika sy ny fifandraisana voaaro ny fiofanana.
Anisan'ny fanamby apetraky ny MALINA ny fanamafisana ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara, na ho an'ireo mpikambana ao aminy izany na ho an'ireo mpanao gazety sy haino vaky jery mpiara-miasa aminy.
Nifarana anio 23 Jolay 2026 ny hetsika teto Toliara, ka ny fampisehoana horonantsary fanadihadiana momba ny vehivavy sy ny politika ary ny fandraisany anjara amin'ny fifidianana no nanamarika izany. Nisy ihany koa ny adihevitra nifanaovan'ny olom-pirenena, ny mpanao gazety, ny fiarahamonim-pirenena ary ireo mpandray anjara avy amin'ny sehatra isan-karazany.