Télévision Le Buffet Toliara

Télévision Le Buffet Toliara Le Buffet TV Le Buffet TV_Officiel

✅"Tso-drano zava-mahery; lily tsy avono, lily tsy vonoe". Ireo teny ireo no mifono ny Fahendrena  sy Soatoavina maha Mal...
26/10/2024

✅"Tso-drano zava-mahery; lily tsy avono, lily tsy vonoe". Ireo teny ireo no mifono ny Fahendrena sy Soatoavina maha Malagasy izay nampitain'ireo razambetsika amintsika taranany.

✅Koa mendrika raha toa ka nangataka tso-drano avy amin'ireo Ray aman-dReny niteraka azy ao amin'ny Fokontany Andabizy i Andriamatoa RABEHAJA Jean, Kandida Ben'ny Tanàna natolotry ny Vovonana Isika Rehetra Miaraka amin'i Andry Rajoelina ato amin'ny Kaminina ambonivohitr'i Toliara ka tonga nanotrona azy ny Sekretera Nasionaly ny Antoko TGV Faritany Toliara no sady Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena misahana ny Faritanin'i Toliara, Andriamatoa TINOKA Roberto. Nanatrika an'izao fomba izao ihany koa ny Solombavambahoakan'i Ambovombe sy Tsihombe, ary ny Solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Distrikan'i Betioky Atsimo.

✅Isany fihetsika miavaka ahitana taratra ny firaisankina sy fifankatiavana ny asehon'ireo Mpitondra amin'izao: dia ny fifamangiana misy eo amin'ny samy Parlemantera sy Mpanatanteraka eny rehetra eny mba ho fampandrosoana hatrany ny Firenena iaraha-manana.

✅Nahitana zaza mena vao teraka nisy nanary ny teo amin'ny toerana fanariam-pako ambadiky ny fasam-bazaha eto Toliara.✅Ma...
24/10/2024

✅Nahitana zaza mena vao teraka nisy nanary ny teo amin'ny toerana fanariam-pako ambadiky ny fasam-bazaha eto Toliara.

✅Marihina fa efa vatana tsy misy aina intsony no tazan'ilay tompon'andraikitry ny fanadiovana io toerana io tokony tamin'ny 6ora maraina teo raha izy handeha hanao fizahana an'ireo daba-pako ireo iny.

🚨Vao nahita an'ity tranga ity izy ireo dia niantso ny tompon'andraikitra avy ao amin'ny BMH ka taorian'ny fizahana dia nalevina tao am-pasam-bazaha ihany ilay zaza rano

Hatreto, mbola tsy fantatra ny tompon'antoka amin'ity trangan-javatra ity.

🎯Tanteraka omaly Alahady faha 20 Oktobra ny fametahana amin'ny fomba ofisialy  ny Samboadin'ireo Solombavambahoakan'i Ma...
21/10/2024

🎯Tanteraka omaly Alahady faha 20 Oktobra ny fametahana amin'ny fomba ofisialy ny Samboadin'ireo Solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao amin'ny Faritra Anosy izay notronin'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Andriamatoa TOKELY Justin sy ny Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena misahana ny Faritany Toliara, Andriamatoa TINOKA Roberto.

✅Tonga nanome voninahitra an'ity lanonana ara-panjakana ity ihany koa ny Filohan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, ny Filoha lefitry ny Antenimieran-doholona, ny Minisitry ny Fizahan-tany sy ny Asa-tanana, Ramatoa VIVIANE Dewa, ny Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena misahana ny Faritany Fianarantsoa, Ramatoa Haingo Nambinina, ny Mpampaka-teny Jeneralin'ny Antenimieram-pirenena Andriamatoa Milavonjy Andriasy Philobert ary ireo Solombavambahoaka naman'izy ireo.

🏅Isany nampiavaka an'ity lanona ity ny fahitana taratra ny Firaisankinan'ireo Parlemantera sy ny fahatongavan'ireo vahoaka maro be.

🎯Tanteraka omaly faha 12 Oktobra 2024 tao Ambovombe ny fampisalorana amin'ny fomba ofisialy ny samboadin'ny Solombavamba...
13/10/2024

🎯Tanteraka omaly faha 12 Oktobra 2024 tao Ambovombe ny fampisalorana amin'ny fomba ofisialy ny samboadin'ny Solombavambahoakan'i Madagasikara lany tao amin'ity Distrika ity, Andriamatoa MILAVONJY Andriasy Philobert sy ireo Solombavambahoaka namany voafidy tao amin'ny Faritra Androy.

✅Ny Filohan'ny Antemieram-pirenena, Andriamatoa TOKELY Justin sy ny Filoha Lefitra misahana ny Faritanin'i Toliara, Andriamatoa TINOKA Roberto no nanatanteraka an'izao lanonana izao, notronin'ny VPAN Faritanin'i Fianarantsoa sy ireo Solombavambahoaka namany. Tonga nanome voninahitra an'izao lanonana izao ihany koa ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena manga, Andriamatoa MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert.

✅Niavaka ity lanonana ity nohon'ny fahatongavan'ireo vahoaka maro tsy tamboisaina nanafana ny Kianja.

🎯Tontosa  io marainan’ny faha 24 Septambra io ny fametrahana ireo antontataratasy filatsahan-kofidiana Ben’ny Tanàna nat...
24/09/2024

🎯Tontosa io marainan’ny faha 24 Septambra io ny fametrahana ireo antontataratasy filatsahan-kofidiana Ben’ny Tanàna natolotrin’ny Vovonana IRMAR (Isika Rehetra Miaraka amin'i Andry Rajoelina) ato amin’ny Kaominina Toliara Renivohitra izay ahitana an’i Andriamatoa RABEHAJA Jean sy ireo kandidà amin’ireo Kaominina mandrafitra ny Distrikan’i Toliara II.

☝️Hentitra dia hentitra ny Sekretera Nasionaly ny Antoko TGV ato amin’ny Faritanin’i Toliara sady Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena misahana ny Faritanin'i Toliara, Andriamatoa TINOKA Roberto, amin’ny fitandroana ny mangarahara mba tsy hiverenan’ireny tranga tsy fanarahan-dalàna sy hosoka maro isan-karazany izay hita nandritran’ireny fifidianana Solombavambahoaka ireny mba ho fifidianana madio sy mangarahara ary itokisan’ny vahoaka no misy eto Toliara.

✅Mitaky ihany koa izy ny hanoloana olom-baovao an’ireo olona nanao zavatra tsy ara-dalàna tao anatin’ity rafitra Mpikarakara Fifidianana eto Toliara ity, izay nahatonga an’ireny trangan-javatra tsy ara-dalàna ireny mba ho Fifidianana madio ka izay tena safidim-bahoaka marina no mivoaka eo.

⚠️Tsara marihina fa betsaka ireo kara-pifidianana notazomin’ireo izay nividy safidim-bahoaka nandritran’iny fifidianana Solombavambahoaka iny ka tsy ho avela an-javony fotsiny izany hoy hatrany Andriamatoa TINOKA Roberto fa hisy ny fitsirihana izay arahina fandraisana fepetra hentitra.

🎯Tontosa soa aman-tsara ny fihaonan' Andriamatoa Roberto Tinoka Solombavambahoakan'i Toliara Voalohany sady Filoha lefit...
09/09/2024

🎯Tontosa soa aman-tsara ny fihaonan' Andriamatoa Roberto Tinoka Solombavambahoakan'i Toliara Voalohany sady Filoha lefitry ny Antemieram-pirenena misahana ny Faritanin'i Toliara, tamin'ireo vahoaka teto amin'ny Fokontany 3, Kiembe haut sy Kiembe bas ary Mahavatse I Ouest. Na teo aza izany dia tonga maro nanotrona an'izao lanonana izao ihany koa ireo vahoaka tamin'ireo Fokontany maro eto an-tampotanana.

✅Fisehoana voalohany tamin'ny vahoaka eto Toliara taorian'ny nahalany azy izao tanteraka ny Alahady faha 8 Septambra izao, izay nitodihana manokana mba hanamaivanana ny fahasahiranan'ireo Ray amandReny amin'izao fidiran'ny mpianatra izao ka nisy araka izany ny fizarana fitaovam-pianarana ho an'ny mpianatra sy kojakoja an-dakozia maro isan-karazany ho an'ireo Ray amandReny. Araka ny fomba amam-panaontsika manao hoe "LILY AVONO, LILY TSY VONOE" dia nanolotra omby ihany koa izy mba ho nofon-kena mitam-pihavanana.

✅Marihina fa mbola santatra am-bavarano ihany ity hetsika ity fa mbola hitohy amin'ny manaraka.

✅Iaraha-mahita ny fahasahiranantsika Ray amandReny amin'izao fiatrehana ny fidiran'ny mpianatra izao. Ka mba hanamoràna ...
07/09/2024

✅Iaraha-mahita ny fahasahiranantsika Ray amandReny amin'izao fiatrehana ny fidiran'ny mpianatra izao. Ka mba hanamoràna an'izany dia mila mifanampy isika mpiara-belona, mila mifampitolitolike amy ty sarotse.

❤️Mahatsapa an'izany fahasarotana lalovantsika izany i Andriamatoa TINOKA Roberto, Solombavambahoakan'i Toliara Voalohany sady Filoha lefitry ny Antemieram-pirenena misahana ny faritanin'i Toliara, ka ho entiny misantatra ny fisehoany voalohany amintsika vahoaka eto Toliara taorian'ny nahalany azy ny fizarana kojakoja sy fitaovam-pianarana ary hisy ihany koa fitaovana an-dakozia isan-karazany, ka tsy hadino amin'izany ny fomba ampanaontsika toy ny fizarana omby ho nofon-kena mitam-pihavanana.

🎯Fokontany 3 manaraka ireto no hisantarany an'izany fizarana fanomezana izany:
👉Mahavatse Ier Ouest
👉Ankiembe haut sy 👉Ankiembe bas ka eny amin'ny toerana malalaka eny Ankiembe bas ny rendez-vous-tsika Fokontany voalaza ireo rahampitso faha 🗓️8 Septambra 2024, manomboka amin'ny 🕒3ora Tolakandro.

Izay e!
Aza hadino:
🗓️🕒Fotoana: rahampitso 8 Septambra 2024 amin'ny 3ora Tolakandro
👉Toerana: Kianja malalaka eny Ankiembe bas
🧾Antony: Fizarana fitaovam-pianarana sy kojakoja an-dakozia, hanalana fahahiranantsika Ray amandReny arahina nofon-kena mitam-pihavanana

Marihina fa mbola santatra am-bavarano ihany ity fa ny manetsabe mbola ho avy

🎤🎺🥁🔊Haresaky io fa hisy lamozika hanafana ny lanonana.

26/05/2024

FIDIO TINOKA ROBERTO
Candidat n°2
@29 MAI

Address

Tulear

Telephone

+261342889956

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Télévision Le Buffet Toliara posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category