Trace Sud info

Trace Sud info Fifampizara ty raha malaza noho maresaky amy faritsy Antimo toy

‼️Ankizy maromaro  izay anisan'ireo misitraka ny asa soa sahanin'ilay teratany turque, izay filohana  fikambanana mpanao...
18/08/2024

‼️Ankizy maromaro izay anisan'ireo misitraka ny asa soa sahanin'ilay teratany turque, izay filohana fikambanana mpanao asa soa eto toliara no voalaza fa nitokona nanoloana ny zandary teo sanfily ny maraina teo.
🎯Nanambara moa ireto ankizy ireto fa efa nanomboka omaly ity teratany vahiny ity no tsy tonga nizara sakafo ka nahagaga azy ireo. Rehefa nanao fanadihadiana izy ireo vao nahafantatra fa voatazona ao @ zandary sanfily ny olona andrasan'izy ireo.
✅Raha ny fantatra dia toerana dimy eto Toliara no izaran'izy io sakafo dia Betaindambo , Ankininy , Andonjy ,Ankiliberenge ary ankazontrano
👉Hatreto dia mbola tsy fantatra ny antony hitazomana azy io ao, miandry ny tohin'ny tantara isika

ISALO 😭
18/08/2024

ISALO 😭

FAHAFATESANA MANAMBONINAHITRA ZANDARIMARIA.- Ny alin'ny  31 marsa 2024  tamin'ny folo ora sasany no namoy ny ainy teny a...
02/04/2024

FAHAFATESANA MANAMBONINAHITRA ZANDARIMARIA.
- Ny alin'ny 31 marsa 2024 tamin'ny folo ora sasany no namoy ny ainy teny amin'ny Clinique Saint Paul Andaboly Toliara, ny capitaine RATALATA Norbert, niasa tao amin'ny Vondrotobom-pileovana Zandarimaria Atsimo Andrefana , noho ny aretina izay efa nitaiza azy nandritra ny volana maromaro .
- Noentina tao amin'ny etamazaoro CIRGN Toliara ny vatana mangatsiaka ny alina iny ihany ary nanaovana fiaretan-tory . Nikarakara manontolo ny fiaretan-tory ny FIZAVA Toliara izay notarihan'ny ramatoa vadin'ny kôlônely komandin'ny faripiadidian'ny Zandarimaria Toliara.
- Nanao tohy vakana ny famangiana sy ny fitsapana alahelo tamin' ny fianakavian'ny tompolahy, anisan'ny tonga nirodorodo ireo rahalahy avy amin'ny tafika malagasy sy pôlisy.
- Ny maraina ny 02 aprily 2024 , tamin'ny 6 ora 40 minitra, no niainga ny fiara mitondra ny nofo mangatsiaka ho any Ambalavohimay, kaominina ambanivohitra Andranovorivato, distrika Vohibato, faritra Matsiatra Ambony, toerana izay misy ny fasandrazany.
- Marihana fa hatao any an-tanindrazany ny fanaovam-beloma ara-miaramila , araky ny fangatahan'ireo fianakaviany.
" MANDRIA AM-PIADANANA MON CAPITAINE "

⚠️🥺 Lozam-pifamovlizana Semi remorque nivadika vo afaka kelin'ny Manjakandrina lalana mankany Moramanga ...🔥  Waren
25/02/2024

⚠️🥺 Lozam-pifamovlizana

Semi remorque nivadika vo afaka kelin'ny Manjakandrina lalana mankany Moramanga ...
🔥

Waren

POISSON GÉANT 300 kg 🐟Dzamandzar Nosy Be.Izy irery no nanjono azy, wow mafy izy !😮👏👏👏👏📸 EF Rabe
04/10/2023

POISSON GÉANT 300 kg 🐟
Dzamandzar Nosy Be.
Izy irery no nanjono azy, wow mafy izy !😮👏👏👏👏

📸 EF Rabe

❕😶Fiara roa (Porsche sy 4*4 Prado) no nifandona teny Analakely io atoandro io. Samy potika ny lohan'ireo fiara roa ireo....
24/09/2023

❕😶Fiara roa (Porsche sy 4*4 Prado) no nifandona teny Analakely io atoandro io.
Samy potika ny lohan'ireo fiara roa ireo.

(Sary nindramina)

❗🕊️Olona iray no efa hita faty,4 hafa kosa mbola tadiavina vokatry ny faharendrehan'ilay lakana "TRANS LAN" tany Amboana...
23/09/2023

❗🕊️Olona iray no efa hita faty,4 hafa kosa mbola tadiavina vokatry ny faharendrehan'ilay lakana "TRANS LAN" tany Amboanato, Mananjary Nosy Varika androany maraina. Andrasana ny mety ho tohiny.

(Loharano:Fanomezantsoa)

AMBALATAVOANGY.VOAFONJA 110  NAHAZO MARI-PAHAIZANAVoafonja miisa 110 mianadahy izay nahavita fianarana mamaky teny sy ma...
05/09/2023

AMBALATAVOANGY.
VOAFONJA 110 NAHAZO MARI-PAHAIZANA
Voafonja miisa 110 mianadahy izay nahavita fianarana mamaky teny sy manoratra ary mikajy no nahazo mari-pahaizana androany teny anivon'ny fonjaben'Ambalatavoangy Toamasina, fampianarana izay niarahana tamin'ny ONG St Gabriel. Nisy ihany koa ny fanomezana loka hoan'ireo nandresy tamin'ny ara-panatanjahatena baolina kitra.

Tafiditra anatin'ny herinandro fankalazana ny ady amin'ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra ary mikajy isika izao, ka amin'ny 6 Septambra hoavy izao no hotanterahina ny fanokafana izany amin'ny fomba ôfisialy ka isan'ireo nahazo tombony amin'izany ireo voafonja eto amintsika.
Izao hetsika izao no tanteraka nohon'ny fiaraha- miasa eo anivon'ny fandraharahana ny fonja sy ONG St Gabriel ary ireo mpitondra eto ant-toerana.
Ny lefitra fahatelon'ny Ben'ny tanàna no nisolotena ny Commune Urbaine Toamasina nanome voninahitra izao lanonana izao

© Commune urbaine Toamasina

ANDRY BIAHARY: Vita tamin'ny 18h 45mn ny fitsarana azy.Ireto ny didy nivoaka ny fitsarana ambaratonga voalohany. 1.Sazy ...
20/12/2022

ANDRY BIAHARY: Vita tamin'ny 18h 45mn ny fitsarana azy.

Ireto ny didy nivoaka ny fitsarana ambaratonga voalohany.
1.Sazy MIHATONA 18 volana fitarihana hanongam-panjakana
2.sazy MIHATONA 06 volana famoriam-bahoaka tsy nahazoana alalana
3.Afaka madiodio tamin'ny fiampana fa nanala baraka tamin'ny haino radio sy télévision ary tamin'ny Facebook.
Nilaza ny mpisolo vava fa tsy nahafam-po ny didy ary mbola HAMPIAKATRA izy ireo

Tsy hay sasy ty marina amy raha toy...😥😭Resaky Andry BIAHARY ilay raha...
19/12/2022

Tsy hay sasy ty marina amy raha toy...😥😭

Resaky Andry BIAHARY ilay raha...

💥Mitaky ny famotsorana an'Atoa Andry Biahary ihany koa ny  Toko bey Telo Tsimanavake izay tarihin'Atoa Torimana Evaharan...
19/12/2022

💥Mitaky ny famotsorana an'Atoa Andry Biahary ihany koa ny Toko bey Telo Tsimanavake izay tarihin'Atoa Torimana Evaharane dit efombiby, io no Fanambarana nataon'izy ireo tao @ toeram-pivoriana Sanfily io hariva io.

💥Nambarany fa tsy mankasitraka korontana izy ireo ka miangavy ny fitondram-panjakana mba hamotsotra an'Atoa Andry Biahary.

Address

Toliara
Tulear
601

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Trace Sud info posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share