Infoplus

Infoplus Vaovao eto Madagasikara sy any ivelany chanteur Afrot beat tropical originaire Madagasikara l'Afrique
(2)

Génération Z any Maroc🇲🇦Tanora amampolony no voasambotra ny Sabotsy teo, nandritry ny fihetsiketsehana nataon'ireo vondr...
30/09/2025

Génération Z any Maroc

🇲🇦Tanora amampolony no voasambotra ny Sabotsy teo, nandritry ny fihetsiketsehana nataon'ireo vondrona antsoina hoe GenZ 212, niforona tao amin'ny tambazotra.
Ny resaka fahasalamana, fampianarana ary ny fiadiana ny kolikoly no ventesin'izy ireo.

🔷Hanova ny fomba fiasa isika hoy ny filoha Andry Rajoelina nandritry ny kabary nataony teo, ireto avy ireo teboka noresa...
29/09/2025

🔷Hanova ny fomba fiasa isika hoy ny filoha Andry Rajoelina nandritry ny kabary nataony teo, ireto avy ireo teboka noresahany:

🔹Vonona hanangana governemanta vaovao lavitra ny kolikoly ary miantso ireo tsara sitrapo, vonona hampandroso ny firenena, tsy tia kolikoly, handefa na hanatitra ny CV-ny.
🔹Raisin'ny Fanjakana ny fandoavana ny zana-bola amin'ny findramam-bola ataon'ireo orinasa lasibatry ny fandrobana ny Alakamisy teo. Ary hisy ihany koa ny fanafohanan-ketra ho azy ireo.
🔹Efa eo andalam-panantanterahana ireo vahaolana amin'ny olan'ny delestazy; Ary tsy maintsy ho vita ao anatin'ny fotoana hitantanany ny famahana izany.
🔹 Vonona hifampihaino sy handray an-tanana ireo tanora mpandraharaha, tsy anasa,... Ary hametraka tetibola manokana ho an'ny Anjerimanontolo.
🔹Hisy ny cellule anti-pillage hanasaziana ireo mpandroba.
🔹Hatsangana ny ''Espace de concertation'' hahafahana mifanakalo hevitra mikasika ny raharaham-pirenena.
🔹Manao antso avo amin'ny tanora mba ho tony sy hiray fo hanangana indray ny firenena.

🔷Natsahatra tamin'ny asany ny Praiministra Ntsay Christian, rava ny governemanta notantaniny saingy mbola manohy ny asan...
29/09/2025

🔷Natsahatra tamin'ny asany ny Praiministra Ntsay Christian, rava ny governemanta notantaniny saingy mbola manohy ny asany aloha izy ireo mandram-panendrena ireo mpikambana vaovao.

🚨Olona 22 farafahakeliny no namoy ny ainy ary mahatratra amanjantony ireo naratra hatramin'ny nanombohan'ny fihetsiketse...
29/09/2025

🚨Olona 22 farafahakeliny no namoy ny ainy ary mahatratra amanjantony ireo naratra hatramin'ny nanombohan'ny fihetsiketsehana teto Madagasikara tamin'ny Alakamisy teo, raha ny antotanisa ofisialy navoakan'ny Haut commissaire avy amin'ny firenena mikambana (ONU), Volker Türk.
✝️Mpanao fihetsiketsehana, olon-tsotra nandalo, ary ireo nandray anjara tamin'ny fandrobana ireo namoy ny ainy ireo.
Tsy mbola namoaka tatitra ofisialy kosa ny fitondrana Malagasy.
Sary: 2424mg

🚨Mbola feno vahoaka ary misy sakan-dalana eny  amin'ny RN 1, miditra an'imerintsiatosika eny amin'izao.
29/09/2025

🚨Mbola feno vahoaka ary misy sakan-dalana eny amin'ny RN 1, miditra an'imerintsiatosika eny amin'izao.

🎙️HOY TOVO J'HAY MANOLOANA NY ZAVA-MISY ETO AMIN'NY FIRENENA :Ny tolona sy ny fijoroana amin'ny tsy rariny dia ady sarot...
29/09/2025

🎙️HOY TOVO J'HAY MANOLOANA NY ZAVA-MISY ETO AMIN'NY FIRENENA :

Ny tolona sy ny fijoroana amin'ny tsy rariny dia ady sarotra sy mampijaly, Tsy maintsy mijoro nefa, ary tsy maintsy mitraka. Ary tsy maintsy mandresy, Ny herim-po aseho ankehitriny dia mandrindra ny lalana ho an'ny maraina sy ny ho avy tsaratsara kokoa ho an’ny taranaka rehetra aoriana, . Ny ezaka rehetra, na dia kely aza, dia manana lanja lehibe foana koa.
Ny firaisan-kina , ny feon ny maro, sy ny finoana sy fiaraha mientana iraisana dia hery lehibe foana na ahona na ahoana, . fanoitra mahery vaika .
Mahereza hatrany! Ary mankahery ireo iza voaroba sy maratra noho ny tsy rariny. Tsy hilaozan ny ny fihevi-dratsy maloto sy fanararaotan’ny ratsy saina ny tolona fa mila mailo hatrany dia courage isika. Na dia GEN X ary aho dia miara mientana ary manohana ny GEN Z. Miaraka amin ‘ny vahoka Malagasy aho amin ‘ny fitakina ny MAHASOA ny firenena ary koa ny rariny sy ny itsiny…

‼️Tovolahy iray voalaza fa nangalatra tao anatin'ny mpianatra no nitsoaka nanantona ny mpitandro filaminana ary voasambo...
29/09/2025

‼️Tovolahy iray voalaza fa nangalatra tao anatin'ny mpianatra no nitsoaka nanantona ny mpitandro filaminana ary voasambotra tetsy Ankatso androany atoandro.

🔥 Hisehoana doro tanety eny Ambohidempona amin'izao. Mihezaka mifehy ny afo ny fokonolona mba tsy hihitatra amin'ny tran...
29/09/2025

🔥 Hisehoana doro tanety eny Ambohidempona amin'izao. Mihezaka mifehy ny afo ny fokonolona mba tsy hihitatra amin'ny trano manodidina.

Tsy fantatra mazava hatreto izay nahatonga ny afo.

⭕Hanao lahateny ho an'ny vahoaka Malagasy ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina anio alatsinainy 29 septambra 2025 ami...
29/09/2025

⭕Hanao lahateny ho an'ny vahoaka Malagasy ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina anio alatsinainy 29 septambra 2025 amin'ny 8 ora alina.

29/09/2025

Couvre-feu - Antananarivo
Niova @ 20h00 hatramin'ny 04h00 maraina

𝐄𝐒𝐏𝐀 𝐕𝐎𝐍𝐓𝐎𝐕𝐎𝐑𝐎𝐍𝐀 ‼️Mangataka ny hampitsaharana ny herisetra atao amin'ny mpianatra ny mpampianatra.
29/09/2025

𝐄𝐒𝐏𝐀 𝐕𝐎𝐍𝐓𝐎𝐕𝐎𝐑𝐎𝐍𝐀

‼️Mangataka ny hampitsaharana ny herisetra atao amin'ny mpianatra ny mpampianatra.

🇾🇹✊Big Mj manohana  ny tolona avy any Mayotte "ALIFASA JIRONAY ALIFASA RANONAY FA AZA VONOGNY ZAHAY."
29/09/2025

🇾🇹✊Big Mj manohana ny tolona avy any Mayotte

"ALIFASA JIRONAY ALIFASA RANONAY FA AZA VONOGNY ZAHAY."

Address

Toliara
Tulear
601

Telephone

+261344747802

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Infoplus posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Infoplus:

Share

Category