
03/05/2025
Miarahaba antsika rehetra mpanaraka ny pejy.
Tsy hitahita sy tsy henoheno tao anaty fotoana lavalava satria izao ny antony...
Nisy goavana natomboka ka tsy maintsy nofaranana tamin'ity taona ity. Ny 29 avril 2025 teo no tanteraka izany koa dia afaka antsoinao hoe Dr. Rakotonjanahary Fidèle amin'izay ny tenako izao, ary tsy ho tezitra fa tena ho fière. Saingy izany akory tsy hanova zavatra betsaka ny ho fifandraisana fa vao maika hanatsara azy bebe kokoa aza.
Eto ary dia haneho sy ireo , , , tamin'ny fomba mivantana na ankolaka tao anatin'ny fanatanterahana an'iny. Tena hery lehibe ny fisianareo. Na ny havana akaiky aza tsy mahavita mihoatra ny vitanareo koa dia antitranterina ny fisaorana sy fankasitrahana tompoko o.
Pejy vaovao sy tantara vaovao indray koa isika izao koa dia mbola manantena hatrany ny fiaraha-miasa sy fiaraha-mientana.
Ho an'ireo izay nanakivy tsy dia nahatoky loatra kosa dia isaorana ihany koa satria ireny no fotoana tena ahafantarana ny namana sy ireo namanamana. Ianareo ireny dia tena nilaiko ary nanampy ahy mihoatra nohon'ny fiheveranareo, satria nahafahako namantatra fetra-ko ka nampibaribary ny tsy mampitovy ny tsirairay. Ilaina tompoko ianareo ireny ary maromaroa ihany koa ny tahaka anareo.
Koa dia vita iny ary maromaro ny lesona notsoahina tao anatiny. Ho zaraina miandalana eto iahny izay tsapa sy hita fa mahasoa ny tsirairay satria mba satriko koa ianao tafa, satriko ianao hahatratra izay notanjoninao, satriko ianao ho mpandresy, satriko iana....