Kalo Ny Aina

Kalo Ny Aina Diampenina

Aritrao😢Aritrao tokoa ry nenyNy latsalatsa eso_tenyFandroahana sy vono,Opa,teny toa mandoroAritrao ny fijalianaNiaretana...
25/05/2025

Aritrao😢

Aritrao tokoa ry neny
Ny latsalatsa eso_teny
Fandroahana sy vono,
Opa,teny toa mandoro
Aritrao ny fijaliana
Niaretanao ny tsy fisiana,
Esoeso lava izao
Izany no iainanao
Aritrao ka dia niafy
Eny,na dia tena mafy
Ny niainanao izany
Saingy aritrao hatrany
Aritrao ka dia nandefitra
Ary niezaka nilefitra
Na dia mila tsy ho zaka
Tena efa hoe mandratra
Saingy mbola eo ianao
Niaritra hatramin'izao
Ka deraiko hombienihombieny
Izany toetranao ry neny
Fitiavanao anay izany
Ka na ngidy tsisy mamy sy fahoriana mampitomany
Dia izy tsy niala anay
Fa eny hatrany sy miahy
Tsy hisy havita raha ny vitany
Tsy gisy hasolo na dia singany
Ka adala izay tsy tia
Ilay reny be fitia
Ka hiriako ho azy izao
Mba ho fiainam_baovao
Fahasalamana avy amin'i Ray
Ka hiara_belona aminay.

KALO NY AINA

NENY💔Mbola miraikitra ato antsaikoTsy mety miala atramizaoIlay ora sy fotoanaMangidy iray teo anoloanaTsy nananana safid...
14/05/2025

NENY💔

Mbola miraikitra ato antsaiko
Tsy mety miala atramizao
Ilay ora sy fotoana
Mangidy iray teo anoloana
Tsy nananana safidy
Fa indrisy izay no didy
🖤
Fotoana iray mba nandrandraina
Ifaliana ikoranana
No indrisy fa nisaonana
Anao ry ilay reninay
🖤
Reny izay tsy ananampiry
Fa saingy indrisy lasa ianao
Lasa sy afa_mpanaintainana
Rehefa ela nitarainana
Sy nizakana irery ireny
Indrisy mantsy akia ry neny
🖤
Manembona aho ankehitriny
Hoe izay raha mbola teto ianao
Dia tsy ho zao ny zava_nisy
Fa mety mba ho hafa mihitsy ?
🖤
Fa indrisy re ry neny a!
Manembona no hany sisa
Mba azonay atao
Ary mirary fiadanana
Ho an'ny fanahinao
Tena tianay loatra ianao !

KALO NY AINA

Tsara ariva daholo ooo🥰Elaela izay tsy nitafana izay. Hiverina indray ny tonokalo rehefa niato fotoana maro☺Ampitiavana ...
14/05/2025

Tsara ariva daholo ooo🥰
Elaela izay tsy nitafana izay. Hiverina indray ny tonokalo rehefa niato fotoana maro☺
Ampitiavana be hatrany❤

Tratry ny taona daholo🥳Mirary vola be sy fahasalamana ary taona zina ho antsika mpanaraka ny pejy❤Tahin'Tompo daholo🙏🏻😇
25/01/2024

Tratry ny taona daholo🥳

Mirary vola be sy fahasalamana ary taona zina ho antsika mpanaraka ny pejy❤
Tahin'Tompo daholo🙏🏻😇

15/11/2023

Soava mandry aby de tahian'ny Tompo😇🙏🏻🫶🏻

29/10/2023

🙏🏻Hain'ny Tompo, eny haiNy😇
❤Ny manao mihoatra izay nofisiko💜

Aza atao ho fombaFadio tena fadioNy hoe mamohy foSy ny mivarilavoRaha sendra fahorianaSy olana mandaloDia fadio sy atsah...
20/10/2023

Aza atao ho fomba
Fadio tena fadio
Ny hoe mamohy fo
Sy ny mivarilavo
Raha sendra fahoriana
Sy olana mandalo
Dia fadio sy atsaharo
Fa tsy mahasoa anao
Ny ditra sy mimamo,
Tsy akory vahaolana
Irony fidorohana
Zava_mahadomelina
💜
Fa ndehanà rè miverina
Mifikitra amin'i Ray
Ilay hany mahay
Mampionona mamonjy
Anao anaty lavaka
Izy tsy mandao sy mitsimbina anao
Ka ndehana mibebaha
F'izay no hany endrasiNy,
Ny fiverenanao
Fa Izy tsy manavaka.😇

Kalo Ny Aina

12/10/2023

Alavirintsika ny atsiaka, enganie afana fö❤‍🔥
Fitia tsisy mahatsapa ny raha hiaignako aminö🥹

Ray ô, ekeko hoe mbola ho maroSy ho sarotsarotra aza,Ny lalana miandry sy ho lalovanay,Ekeko mbola ho mafySy tsy zaka ma...
03/10/2023

Ray ô, ekeko hoe mbola ho maro
Sy ho sarotsarotra aza,
Ny lalana miandry sy ho lalovanay,
Ekeko mbola ho mafy
Sy tsy zaka mahamay
Ny sedra,fitsapana mbola homeNao anay,
Fa nefa kosa Ray ô,
Herezo, ampio hahay
Mba hankasitraka izahay,
Eny na mahamay sy tena tsy zakanay
Dia tariho foana izahay
Mba hifikitra tsy anahy
Amin'izay alehanay,
💜
Fa indrindra koa ry Ray ô,
Ilay Reninay,
Tariho sy omeo hery
Amin'izay alehany eny,
Arovy mba tsy ho very
Sy ho kivikivy foana
Amin'ny ady eo anoloana,
Mba tahio re izy
Ary omeo izay tombon'andro
ItaNao fa mba sahaza,
Ka hiangaviako Ray ô,
Jereo ny fiainanay sy izato Reninay
Satria matoky Anao (i )zahay . 😇

KALO NY AINA

30/09/2023

Ilay tena izy mamihina mafy anao🫂
Na dia anaty ady mahamay mampite hitsoaka aza🥺
TSY IZY IZANY INY EEE!🙄

26/09/2023

Za ma nagnino anao e🙄 ? afodia vavanao🤐
Fa natah sôrany rahanao fa tsy tsaroako🥱
💜

Address


Telephone

+261343682912

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Kalo Ny Aina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Kalo Ny Aina:

Shortcuts

  • Address
  • Telephone
  • Alerts
  • Contact The Business
  • Claim ownership or report listing
  • Want your business to be the top-listed Media Company?

Share