11/07/2025
🟥🟥 FLASH INFO 🟥🟥
𝐓𝐀𝐙𝐎𝐌𝐎𝐊𝐀 𝐈𝐊𝐎𝐍𝐆𝐎: 𝗛𝗔𝗠𝗔𝗙𝗜𝗦𝗜𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗘𝗭𝗔𝗞𝗔 𝗘𝗙𝗔 𝗩𝗜𝗧𝗔, 𝗠𝗜𝗡𝗜𝗦𝗜𝗧𝗥𝗔 𝟰 𝗡𝗔𝗟𝗘𝗙𝗔 𝗠𝗔𝗡𝗢𝗞𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗡𝗬 𝗔𝗡-𝗧𝗢𝗘𝗥𝗔𝗡𝗔
Hanohy ny ezaka efa natao, sy hanamafy ny ady natomboka no antondian'izy 4 mianadahy mpikambana ao amin'ny governemanta ao Ikongo mandritra ny 2 andro.
Antony 3 mazava tsara ny antondian'ireto solotenan'ny Governemanta ireto,ny voalohany fanamarihana ny fanjakana manakaiky vahoaka, faharoa hijery sy hitondra vahaolana amin'ny tazomoka ary fahatelo hamaha ny olan'ny tsifanjariantsakafo izay mamparefo ny vahoaka ka manamora ny fazahoana ny otrikaretina tazomoka. Vahaolana avy hatrany no nentina fa tsy nitondra tanampolo izy ireo.
Notsindrin'ny Minisitry ny fahasalamana fa ho entitra ary ho mafy ny fanaraha-maso ny otrikaretina tazomoka aty Ikongo ary ny handresy izany anatin'ny fotoana fohy no tanjona.
Ankoatran'ny fanomezana toromarika hanatsarana ny fomba fiasan'ny CO na ny ivontoeram-pandrindrana ho an'ny tazomoka dia nidina avy hatrany nijery ny fandraisana antanana ara-pahasalamana ho an'ny vahoaka ireto delegasiona ireto, avy eo nizara ny sakafo masaka mafana ho an'ireo marefo miampy ny fanomezana fanampiana ara-tsakafo nahafahan'izy ireo mamita ny asa aman'andraikiny no nanomboka tamin'ny fomba Ofisialy ny asa tagnamaro fanadiovana ny tanàna ialana amin'ny lobolobo mitazona moka tao amin'ny fokontany Voninkazo.
Fa isany zava-dehibe tao Ikongo ihany koa ny fandalovana tao amin'ireo mpanjaka mitantana ara-drazana ny tanàna, nanaovana fanentanana ho an'ireto olobe ireto hisarika ny rehetra hamonjy mpitsabo rehefa mahatsiaro ho hafahafa ny vatana na mahatsapa fa marary.