Malagasy Pixel

Malagasy Pixel Tongasoa eto amin'ny pejiko natokana manokana ho an'ny resaka kolotsaina sy ny zava-misy ety ivelany ✨🌸

Efa ho avy ndray zao ny vanim-potoanan'ny lanezy 😁 Za tsy tia andro ririnina mihitsy fa rehefa misy neige ihany no tiako...
30/09/2026

Efa ho avy ndray zao ny vanim-potoanan'ny lanezy 😁 Za tsy tia andro ririnina mihitsy fa rehefa misy neige ihany no tiako. Mahafinaritra be mijery ny tanàna rakotra fotsy, fa rehefa tsy misy neige dia otrany hoe maizimaizina fotsiny sady mangatsiaka be dia mampisy dépression be! Mifoha ianao handeha hiasa amin'ny 8 maraina mbola maizina, mody ianao amin'ny 4 na 5 hariva efa maizina. 💔
Fa hafa mihitsy ilay misy neige, otrany hoe madio be izany daholo ny tanàna satria rakotra fotsy! 😁

Amin'ny 25 Octobre 2026 no miova heure d'hiver indray ny ora aty Europe, amin'ny 3 maraina miverina 2 maraina, izany hoe lasa adin'ny 2 indray ny décalage horaire Madagascar-Pays-Bas sy ny firenena manodidina.

25/09/2026

VLOG Walibi Holland

Parc d'attraction iray eto Pays-Bas, hanao montagne russe no tena anton-dia fa dia tena natahotra tanteraka fa aleo ihany mba manao ny tsy fanao indraindray amin'ny fiainana e 😂
Misy ankizy kely tena à fond mihitsy anatin'ilay montagne russe sady tsy mitazona fa za tena nivavaka be mandrapa-tapitra an'ilay izy sady mitazona mafy dia mafy an'ilay seza 😂 soa ihany fa eo amin'ny iray minitra eo ihany dia vita 😂 tena miolankolana mihitsy eny ambony eny 🤣

Sendra nisavasava sary tato anaty phoneko tato za dia nahita an'ity! Za nanamboatra churros voalohany dia izao ny vokany...
21/09/2026

Sendra nisavasava sary tato anaty phoneko tato za dia nahita an'ity! Za nanamboatra churros voalohany dia izao ny vokany 🫣 tsy misy fahafantarana azy mihitsy hoe churros ity na hoe inona no saika namboariko teto!

Inona no zavatra namboarinareo voalohany ka tsy nety?

Tena tiako ny mi voyage sy mahita toerana vaovao dia mahita ny tsy fahita ✈️ Ny tena mahatsara ny manana visa na permis ...
16/09/2026

Tena tiako ny mi voyage sy mahita toerana vaovao dia mahita ny tsy fahita ✈️ Ny tena mahatsara ny manana visa na permis de résidence européen dia ny fanànana alàlana mitsidika firenena europeanina maro tsy mila visa hafa. Tsy ny firenena europeanina rehetra anefa an!
Isa-taona isaky ny anniversaire ako dia mitsidika firenena ray mbola tsy nalehako. Tamin'ny taona 2024 za nitsidika an'i Oslo, Norvège. Tena nahafinaritra tany fa ny andro dia najombona foana! ☁️

Anisan'ny mampiavaka an'ny Pays-Bas ihany koa ny miarahaba ny fianakaviana rehetra rehefa misy anniversaire. Ohatra hoe ...
16/09/2026

Anisan'ny mampiavaka an'ny Pays-Bas ihany koa ny miarahaba ny fianakaviana rehetra rehefa misy anniversaire.
Ohatra hoe anniversaire anao androany dia tsy maintsy harahabaina daholo ny mama, dada, tantine, cousine, dadabe ary ny bebe anareo.

"Gefeliciteerd" ny fiteny rehefa hiarahaba olona aty, na anniversaire, na mariage, na afaka fanadinana, na vao nifindra trano.🎂🧁

Storytime niara-nisakafo tamin'ny hollandais 🫢 Nandeha niaraka nisakafo tamina hollandais dia hoe hihinana TAPAS. Ny fah...
13/09/2026

Storytime niara-nisakafo tamin'ny hollandais 🫢

Nandeha niaraka nisakafo tamina hollandais dia hoe hihinana TAPAS. Ny fahalalàko an'ilay tapas otrany hoe tacos na sakafo espagnol otran'izany. Dia samy efa tafihaona teo ambony latabatra daholo izahay dia naroson'ny serveurs ny sakafo. Tonga avy any ny mofomofo kely, salade kely, hena kely, ovy kely amin'ny bôl kely daholo ireo. Izahay amin'io olon-dehibe anaky 6. Dia hitambarana samy maka kely amin'ilay bôl daholo. Dia za nieritreritra hoe entrée fotsiny zany ity fa aleo tsy maka bedebe fa sao dia tsy mahalany an'ilay tena plat. Sady mba hoe tsy tendakanina be izany. Za efa maika ny hihinana an'ilay tena plat. Vita amin'izay tsy nanatitra intsony ilay serveur dia nanomboka nanontany amin'izay ilay ray hoe haroso amin'izay ve ny dessert ?
Akory ny hatairako fa tena iny izany ilay tapas, za ilay efa niandry an'ilay tena sakafo dia tsy nihinana bedebe sady efa tena noana hoe aiza ihany ary ilay plat be.
Soa fa churros no nosafidiako tamin'ny dessert dia iny mba nahavoky kely fa tsy andriko mihitsy izay nahatongavana tany an-trano handrahoana vary be iray vilany. 😔🤣



Sary tsy misy idiran'ilay tantara ity sary ity.

Salama e! Mbola be dia be nareo mandefa message ahy momba ny resaka au pair Pays-Bas. Marihiko dieny voalohany aloha fa ...
12/09/2026

Salama e!
Mbola be dia be nareo mandefa message ahy momba ny resaka au pair Pays-Bas. Marihiko dieny voalohany aloha fa za efa tamin'ny taona 2024 no au pair teto Pays-Bas. Tsy aiko hoe efa misy fioavàna ve amin'izao.

Soratako eto daholo ny étapes rehetra manomboka tamin'ny fitadiavana famille hatramin'ny andro nahatongavako taty Pays-Bas ‼️

1- NITADY FAMILLE, tato amin'ny Facebook ihany no nahita. Famille 2 no nanao interview dia ny ray tsy raikitra fa ilay ray no raikitra.
2- Voaray an'ilay famille za dia lasa ilay famille niditra AGENCE. Tsy maintsy agence reconnu par le service d'immigration néerlandais. Noresahany tany dia nomeny tany ny contact ako.
3- 1 na 2jours après nandefasan'ilay agence email za nahazo invitation hanokatra compte ao amin'ilay pejin'ilay agence. Dia nanokatra compte dia nahazo invitation INTERVIEW.
4- Amin'ny teny anglais foana ny interview dia juste question 5 no nanontaniany dia tena tsy tadidiko hoe teo no ho eo ve za no voaray sa ny ampitson'iny fa à la fin voaray fotsiny.
5- Rehefa manana compte (na profil) ao amin'ilay agence amin'izay dia misy liste ny documents ilaina rehetra hahafahan'ilay agent (manana agent manokana ianao, ilay nanao interview taminao) manao demande de visa.
6- Anisan'ny taratasy tadidiko hoe nilaina tao amin'ilay liste de documents: copie, certificat médical, certificat de célibat, certificat de résidence, casier judiciaire. Copie sy certificat de célibat mila légaliséna any amin'ny ambassade de Madagascar any Tanzanie.
7- Rehefa azoko ilay copie sy certificat de célibat dia nankany amin'ny consulat des Pays-Bas tao Tanà dia zareo no mandefa ilay taratasy any Tanzanie. Naharitra teo amin'ny 1 volana teo izay. Rehefa légalisé sy tonga avy any Tanzanie ny taratasy dia miantso ny consulat hoe afaka alaina amin'izay.
8- Azo daholo ny taratasy rehetra dia no-scannéna dia natsofoka tsirairay tao amin'ilay compte ako ao amin'ilay agence. (En ligne daholo)
9- Vita izay dia nandefa message tamin'ilay agent ako za hoe complet ny dossier ako o!
10- Dia un jour après nangataka demande de visa amin'izay ilay agent.
11- 2 semaines taty aoriana nandefa message ilay agent hoe accepté ny visa anao dia izy ihany koa no naka rdv ho ahy hangalàna ilay visa any amin'ny ambassade any Tanzanie.
12- Azo ny rdv any Tanzanie dia novidiana ny billet mankany Tanzanie.
13- Nilaza ry zareo hoe eo amin'ny 2 à 3 jours eo no haverin'ny ambassade ny passeport après an'ilay maka empreinte digitale amin'ilay jour de rdv.
14- Dia tonga dia novidiana koa ny billet d'avion mankany Pays-Bas avy ao Tanzanie. Andro lundi ny rdv ambassade dia jeudi ny vol nankaty Pays-Bas.
15- Niainga tao Mada andro sabotsy ngamba izy zay, dia nanatrika rdv ny lundi dia nalain'zareo ny passeport sy ny empreinte digitale. Tsy nisy interview.
16- Nivaly ilay izy mercredi dia lasa naka passeport dia faly be fa nipetaka tao ilay visa 🤗.
17- Dia jeudi niainga avy tao Tanzanie nihazo an'ny Pays-Bas amin'izay. Notsenain'ny famille.

Ny resaka visa refusé otrany tsy dia misy fa ny agence indraindray no mi refusé. Vao accepté avy ao amin'ny agence dia kely ny chance haha refusé ny visa.
Ilay liste de documents ireo arakaraka an'ilay agence fa tsy voatery hoe ireo ihany no documents ilaina. Tahak'izay koa Ilay mila légaliséna. Indraindray en français dia mety fa indraindray tsy maintsy avadika anglais. Tena hoe arakaraka an'ilay agence. TSY NISY FRAIS nalohako tamin'ny agence afatsy ny fikarakaràna taratasy légalisation sy taratasy ilay avy ao Mada ihany.
Nina Care no anaran'ilay agence tamin'izany fa efa tsy mandray intsony zareo zao fa otrany voarara.

Faly sahirana .... Ilay vao handeha hivoaka ao Mada voalohany, sady faly no sahirana, faly satria hoe lasa ihany, nefa m...
11/09/2026

Faly sahirana ....
Ilay vao handeha hivoaka ao Mada voalohany, sady faly no sahirana, faly satria hoe lasa ihany, nefa malahelo hoe handao ny fianakaviana sy ny namana 💔
Za sady nitsiky nefa nanganohano be taorianan'izay, sady eo enao vao mieritreritra hoe rovina indray izany vao hihaona amin'ireny olona ireny.
Nanao ahoana ny fihetsem-ponareo tamin'ny vao handeha voalohany ? (Ho an'izay efa nandeha) ✈️

10/09/2026

Aty aminay ny pôlisy mitaingina soavaly ihany koa eny an-dàlana. Tena mavitrika, tsara forme, maventy be ny soavalin'ny olona 🫢😂

Nareo koa ve efa nofinofinareo hatramin'izay mihitsy ny hoe handeha aty ivelany? Sa ilay zava-misy ao Mada no tsy mahata...
25/07/2026

Nareo koa ve efa nofinofinareo hatramin'izay mihitsy ny hoe handeha aty ivelany? Sa ilay zava-misy ao Mada no tsy mahatamàna dia aleo mifindra firenena mihitsy?

Zaho vao teo amin'ny 10 taona teo dia efa hoe vao afaka bacc dia "ho any an-dafy". 😂 Ilay mijery film ireny dia hoe fa maninona ary tsy otran'izao eto Mada 😂 Dia varivariana teny foana sady nianatra dia mbola tsy dia nalazalaza ny au pair tamin'izany fa mbola tany anaty film koa no nahitàko an'ilay izy. Misy ilay film drama sy suspense amin'ny TF1 ireny dia misy au pair foana Ilay film. Dia nanomboka tamin'izay no nanao recherche foana dia Au pair USA foana no nahaliana ahy tamin'izay. Fa tena otrany mbola tsy nisy ilay izy tamin'izany fa au pair Allemagne no nisy.

Vita bacc amin'izay dia nahita an'ilay au pair bedebe lasa any Allemagne dia nitsiriritra. Tamin'izay za mbola 0 en allemand. Tena hoe tsy nisy haiko na Bonjour aza 😁 nefa ilay motivation tena ambony dia lasa nianatra haingana tao amin'ny CGM. Nahavita A1 fotsiny dia nitady famille dia nahita dia nikarakara taratasy dia lasa.

Nisy niteny hoe faible be ny probabilité hoe accepté ny visa raha A1 fotsiny no ananana. Tsy nihaino vavan'olona za fa nino foana dia tena hoe nanao recherche be foana, manontany ankizy efa lasa, sns,...

Efa nanana préssentiment foana za anefa nandritra an'ny 3 mois niandry visa hoe accepté io. Volana aogositra ilay izy nivaly dia accepté soa amantsara! 🥰🥰

Ka raha vitako dia vitanao, raha vitan'ny hafa dia vitanao!
Rehefa tena miezaka tsara sy ambony be ny motivation anao ary positif foana ianao, dia manaraka anao koa ny positif rehetra.

Mazotoa foana mianatra langue dia manaova recherche foana dia miresaha amin'ny olona!
Aza miaingitraingitra!

Sariko tao Paris ireo tamin'ny 2021, rehefa mahazo mahazo visa Allemagne ianao dia afaka mivezivezy malalaka ny Espace Schengen ary mitsidika an'ilay toerana itanao tamin'ny film! 🤗

Adres

Rotterdam

Website

Meldingen

Wees de eerste die het weet en laat ons u een e-mail sturen wanneer Malagasy Pixel nieuws en promoties plaatst. Uw e-mailadres wordt niet voor andere doeleinden gebruikt en u kunt zich op elk gewenst moment afmelden.

Snelkoppelingen

Delen

Categorie