Malagasy Aho

Malagasy Aho Fizarana vaovao • Fifampitaizana • Fialamboly ✨
(11)

‼️⚠️ FANGATAHANA FAMINDRAM-PO HO AN’I COLONEL PATRICKNangataka tamin’ny Filohan’ny Fanavaozana, Colonel Michael Randrian...
06/09/2026

‼️⚠️ FANGATAHANA FAMINDRAM-PO HO AN’I COLONEL PATRICK

Nangataka tamin’ny Filohan’ny Fanavaozana, Colonel Michael Randrianirina, i Antoine Rajerison mba haneho famindram-po amin’i Colonel Patrick.

📌 Nangatahiny ihany koa ny hanomezana fahafahana ny vadin’i Colonel Patrick hamangy, hanome sakafo ary hikarakara azy any am-ponja, noho ny olana ara-pahasalamana mahazo azy. Raha ilaina, dia tokony hoentina any amin’ny hopitaly ihany koa izy mba hahazo fitsaboana sahaza.

🙏 Niantso manokana ny Filohan’ny Fanavaozana i Antoine Rajerison mba hamela izay mety ho helok’i Colonel Patrick, amin’ny maha « frère d’arme » sy mpiara-nitolona azy ireo.

🗣️ « Mamelà azy. Efa nigadra ihany koa ianao teo aloha, ary nisy namindra fo taminao. Koa mba omeo azy koa izany famindram-po izany ankehitriny. »

©️ Antoine Rajerison

🚨🔴 KIMONY : LEHILAHY IRAY VOASAMBOTRA NOHO NY FIKASANA HIDITRA AN-KERINY!😱 NANODIDINA TOKOTANY ARY NIKASA HIDITRA TAO AN...
06/09/2026

🚨🔴 KIMONY : LEHILAHY IRAY VOASAMBOTRA NOHO NY FIKASANA HIDITRA AN-KERINY!

😱 NANODIDINA TOKOTANY ARY NIKASA HIDITRA TAO AN-TRANO!

📌 Nanao antso vonjy ny marainan’ny 5 Septambra 2026 ny mponina tao Kimony, Morondava, noho ny lehilahy iray voalaza fa nanodidina tokotany ary nikasa hiditra an-keriny tao an-tranon’olona.

👮‍♂️ Tonga haingana teny an-toerana ny Hery Vonjy Taitra FIP Morondava, ka lehilahy iray no voasambotra ary nentina tao amin’ny Kaomisaria hanaovana fanadihadiana.

⚠️ Efa nisy fifandonana tamin’ny mpiambina ihany koa, ka naratra ilay mpiambina ary nentina tany amin’ny hopitaly.

🔎 Mitohy ny fanadihadiana momba ny raharaha.

📸 Polisim-pirenena Malagasy

🚨 AMPAHIHIKAMBANA : BIRAOM-POKONTANY VAO NAMBOARINA, EFA NISY NANIMBA SAHADY!😔 Vao 4 andro monja izay no nanatsarana sy ...
06/09/2026

🚨 AMPAHIHIKAMBANA : BIRAOM-POKONTANY VAO NAMBOARINA, EFA NISY NANIMBA SAHADY!
😔 Vao 4 andro monja izay no nanatsarana sy nanamboarana ny Biraon’ny Fokontany Amparihikambana, saingy efa nisy nanimba izany nandritra ny alina.
⚠️ Mampalahelo ny zava-misy, satria fananana iombonana natao ho tombontsoan’ny mponina rehetra io birao io, fa tsy fananan’olona iray na olom-bitsy.
🙏 Tokony hiova ny toe-tsaina: hajaina, arovana ary karakaraina ny fananana iombonana.
📻 Top Radio 102.8 FM

🚨🔥 BETROKA : RONGONY MANODIDINA NY 700 KG TRATRA! OLONA ROA VOASAMBOTRA💥 62 GONY feno rongony, milanja manodidina ny 700...
06/09/2026

🚨🔥 BETROKA : RONGONY MANODIDINA NY 700 KG TRATRA! OLONA ROA VOASAMBOTRA

💥 62 GONY feno rongony, milanja manodidina ny 700 KG, no sarona sy tratran’ireo Zandary ao amin’ny Tobim-paritra Betroka, ny 4 Septambra 2026, tany amin’ny ambanivohitry ny Kaominina Ianabinda, Distrikan’i Betroka.

👮‍♂️ Olona roa no voasambotra, raha mbola mitohy ny fikarohana ireo olona hafa voarohirohy.

👏 Noderain’ny Solombavambahoaka voafidy tao Betroka ny ezaka ataon’ireo Zandary amin’ny ady amin’ny zava-mahadomelina, ary nangatahiny ny hanomezana valisoa sy mari-pankasitrahana manokana ho an’ireo nahavita izao fisamborana izao.

⚠️ Mahatratra 2 taonina latsaka ny rongony efa sarona tao amin’ny faritra, tao anatin’ny 5 andro monja.

©️ Fernand Cello

😭💔 OMALY TANY MANAKARA : JIRO TAPAKA FOLO MINITRA, AINA NAFOY« Niditra tao amin’ny bloc opératoire omaly, Asabotsy 5 Sep...
06/09/2026

😭💔 OMALY TANY MANAKARA : JIRO TAPAKA FOLO MINITRA, AINA NAFOY

« Niditra tao amin’ny bloc opératoire omaly, Asabotsy 5 Septambra 2026, tolakandro teo, ny zanakay vavy, izay avy any ambanivohitra ary nampidirina hopitaly tao Manakara.

Efa vonona ny mpandidy sy ny mpiara-miasa aminy rehetra. Vita ny fampatoriana nataon’ny anesthésiste, ary saika hiroso tamin’ny fandidiana ny dokotera mpandidy, tampoka teo anefa dia tapaka ny jiro. 😭😭

Olona efa nampatoriana lalina sy tsy nahatsiaro tena intsony ilay marary. Noho ny fahatapahan-jiro dia voakasika ireo fitaovana nampiasaina tamin’ny fikarakarana azy, anisan’izany ny fitaovana namatsy oxygène. 😭😭

Naharitra folo minitra teo ho eo ny fahatapahan-jiro, vao niverina ny herinaratra.

Indrisy anefa fa tsy tana intsony ny ainy. 😭💔

Tamin’ny 3 ora maraina no niaingana, nitondra azy tamin’ny filanjana ho any Manakara, noho ny fitadiavam-pahasalamana. Kanefa, vatana mangatsiaka no nentin’ity fianakaviana ity nody tamin’ny 9 ora alina latsaka teo. 😭🖤

Fitadiavam-pahasalamana no niaingana, saingy fahoriana sy ranomaso no nentin’izy ireo nody. 💔😭

Ontsa sy maharary ny fonay, ry fianakaviana. Tsy misy teny afaka hilaza ny alahelo sy ny fahoriana tsapanareo amin’izao fotoana izao.

Indrisy… mbola mipetraka ny fanontaniana maro momba izay tena nitranga tao amin’ny bloc opératoire. Manantena ny fianakaviana fa hivoaka ny marina rehetra momba ity tranga mampalahelo ity. 😭💔

🙏 Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana manontolo.

📌 Loharano : Andriamamonjy Sengolain

‼️🚴‍♂️ AVY ANY MAHAJANGA HATRAMIN’ANTANANARIVO AMIN’NY BISIKILETA! 😱🔥👉 Coljah dia nilaza fa niala avy any Mahajanga ary ...
05/09/2026

‼️🚴‍♂️ AVY ANY MAHAJANGA HATRAMIN’ANTANANARIVO AMIN’NY BISIKILETA! 😱🔥

👉 Coljah dia nilaza fa niala avy any Mahajanga ary nandeha bisikileta hatrany Antananarivo, tanjona ny hangataka asa amin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kolonely Michaël Randrianirina.

💥 Dia lavitra noho ny fitadiavana asa! 🇲🇬

🚨💸 ANTSIRABE — VOLA SANDOKA 3,04 TAPITRISA AR NO TRATRA, LEHILAHY 26 TAONA VOASAMBOTRA!😱 Tena mitobaka ny vola sandoka! ...
05/09/2026

🚨💸 ANTSIRABE — VOLA SANDOKA 3,04 TAPITRISA AR NO TRATRA, LEHILAHY 26 TAONA VOASAMBOTRA!

😱 Tena mitobaka ny vola sandoka! Lehilahy 26 taona no voasambotry ny Polisy tao Mahazoarivo, Antsirabe, ny 31 Aogositra 2026.

💵 Voalaza fa nividy sigara izy ka nandoa 20.000 Ar sandoka. Rehefa tsikaritry ny mpivarotra izany dia nenjehina ka tratra.

🔎 Teny aminy no nahitana vola sandoka 20.000 Ar miisa 152, mitentina 3.040.000 Ar.

⚖️ Natolotra ny Fampanoavana izy taorian’ny fanadihadiana ary voatazona any am-ponja.

⚠️ MITANDREMA AMIN’NY VOLA 20.000 AR! Jereo tsara ny vola raisinao. 🇲🇬

🚨🐂 VOHIMASY – OMby 12 HALATRA TAFAVERINA, DAHALO IRAY LAVON’NY BALAN’NY ZANDARY🇲🇬 Nahomby ny hetsika nataon’ny Zandarima...
05/09/2026

🚨🐂 VOHIMASY – OMby 12 HALATRA TAFAVERINA, DAHALO IRAY LAVON’NY BALAN’NY ZANDARY

🇲🇬 Nahomby ny hetsika nataon’ny Zandarimariam-pirenena tao Vohimasy, Distrikan’i Farafangana, ny alin’ny 4 Septambra 2026.

🐂 Omby 12 halatra no tafaverina tamin’ny tompony rehefa tratra ireo dahalo nitondra azy ireo teo amin’ny Kizo Analavelo.

🔫 Nandritra ny fifandonana, dahalo iray no lavon’ny balan’ny Zandary.

🤝 Ny fiaraha-mientan’ny Zandary sy ny vahoaka no antoky ny fandriam-pahalemana! 🇲🇬

🛑 ZAZAVAVY 14 TAONA NIALA TAO AN-TRANO, HITA REHEFA 5 ANDRO!😱 Niala tao an-tranon-dray aman-dreniny tao Betafo ny 31 Aog...
05/09/2026

🛑 ZAZAVAVY 14 TAONA NIALA TAO AN-TRANO, HITA REHEFA 5 ANDRO!

😱 Niala tao an-tranon-dray aman-dreniny tao Betafo ny 31 Aogositra ilay tovovavy, taorian’ny fananaran’ny ray aman-dreniny azy.

🔎 Nandeha tany Fianarantsoa nitady asa izy, saingy tsy nahita noho ny fahatanorany.

🙏 Hita soa aman-tsara ny 4 Septambra ary tafaverina any amin’ny fianakaviany.

📸 Sary: Cirg Antananarivo

🚨 FIANARANTSOA : VOALAZA FA NOROASIN’NY SEKOLY NY ZAZA NOHO NY VAOVAO NIVOAKA🛑 Mpanao gazety iray ao Fianarantsoa no nit...
05/09/2026

🚨 FIANARANTSOA : VOALAZA FA NOROASIN’NY SEKOLY NY ZAZA NOHO NY VAOVAO NIVOAKA

🛑 Mpanao gazety iray ao Fianarantsoa no nitaraina fa voalaza fa tsy noraisin’ny sekoly katolika iray intsony ny zanany amin’ity taom-pianarana 2026-2027 ity.

💥 Raha ny fanazavana, vaovao navoakan’ilay mpanao gazety momba ilay sekoly no voalaza fa antony. Nambarany fa nitory mikasika ny resaka convocation Bacc sy ny fandoavana 25.000 Ar ho an’ny dabilio izy.

📚 Milaza ihany koa ilay ray aman-dreny fa mpianatra nahay ny zanany, ary efa nahazo laharana voalohany imbetsaka sy lettre de félicitation.

⚠️ Raha voamarina izany, dia mampametra-panontaniana lehibe momba ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny zo haneho hevitra.

🗞️ Vaovao nindramina.

Adresse

Oslo
6006

Nettsted

Varslinger

Vær den første som vet og la oss sende deg en e-post når Malagasy Aho legger inn nyheter og kampanjer. Din e-postadresse vil ikke bli brukt til noe annet formål, og du kan når som helst melde deg av.

Snarveier

Del