ARB Madagasikara

  • Home
  • ARB Madagasikara

ARB Madagasikara Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from ARB Madagasikara, Media/News Company, .

❗Tsy misy vahaolana mahomby raha tsy hitoviana ny tanjona, dia fandraisana fanapahan-kevitra mifandray amin’ny hetahetam...
07/10/2025

❗Tsy misy vahaolana mahomby raha tsy hitoviana ny tanjona, dia fandraisana fanapahan-kevitra mifandray amin’ny hetahetam-bahoaka, ny hipoiran’ny marina sy ny fanasaziana, mikasika ny fampiasan-kery tsy ara-dalàna namono olona sy nandratra ny mpiray tanindrazana, ary ny fandrobàna naharava fananana maro.

🚫Mbola mitoetra eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara ny famoretana sy ny fampiasàna hery hanakànana ny fahafahan’ny malagasy rehetra maneho hevitra an-kalalahàna.

❌️Noho izany, tsy ao anatin’ny sori-dàlana hiraisan’ny hery velona rehetra, amin’izao fitakiana ara-drariny sy ara-dalàna ataon’ny vahoaka malagasy izao, ny amboletra fanendrena Praiminisitra notanterahina omaly.

⭕️Anterinay ary, fa tsy ekenay ny tery vay manta hanangànana governemanta sadasada satria famitahana indray ny vahoaka malagasy izany.

✊Koa manohana feno sy manontolo ny tolona fitakiam-panovàna lalina hijoroan’ny vahoaka malagasy ankehitriny izahay.








Maratra ny Firenena, maratra ny Vahoaka, ny Tanora ao aminy marary, mangina anaty fanaintainana, sakanan’ny hery famoret...
07/10/2025

Maratra ny Firenena, maratra ny Vahoaka, ny Tanora ao aminy marary, mangina anaty fanaintainana, sakanan’ny hery famoretana tsy hiteny ny marina.

Ireo sary ireo dia avy amin’ny olona nandray anjara tamin’ny fiofanana maimaimpoana omen’ny ARB amin'ny Fanamboarana Sav...
05/10/2025

Ireo sary ireo dia avy amin’ny olona nandray anjara tamin’ny fiofanana maimaimpoana omen’ny ARB amin'ny Fanamboarana Savony. Ankehitriny dia efa misokatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy ireo!

Tena porofo fa manampy sy manova fiainana tokoa ny fiofanana maimaimpoana omenay.
Mahalala izay ilain’ny vahoaka sy ny firenena Izahay. manampy amin’ny fiainana andavanandro, ary manampy koa amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Tena fanampiana avy amin’ny fo tokoa!

Nijoro sy Mijoro hanohana ny vahoaka hatrany ny Anjomara sy Rivo-baovao.
04/10/2025

Nijoro sy Mijoro hanohana ny vahoaka hatrany ny Anjomara sy Rivo-baovao.

🌍❤️Mijoro isika, am-po iray, hanohana ny vahoaka voa mafy amin’ny tsy rariny.🤝✊Mijoro isika, tanana mifandray, miaraka a...
03/10/2025

🌍❤️
Mijoro isika, am-po iray, hanohana ny vahoaka voa mafy amin’ny tsy rariny.
🤝✊
Mijoro isika, tanana mifandray, miaraka amin’ireo mitaky ny zony.
💞🇲🇬
Mijoro isika haneho fa mbola velona ao am-pontsika ny fifankatiavana eo amin’ny samy Malagasy,
🌟🙌
ary tsy ho faty mandrakizay ny fifanampiana eo amin’ny samy Malagasy.

💚 ASSISTANCE MÉDICALE ARB💚0382807777 ARB Tsy afaka mijery fotsiny.  Izay no antony itoerako ety an-kianja, miaraka amin’...
03/10/2025

💚 ASSISTANCE MÉDICALE ARB💚
0382807777 ARB

Tsy afaka mijery fotsiny.
Izay no antony itoerako ety an-kianja, miaraka amin’ny dokotera sy infirmiers volontaires, manao Assistance Médicale.
Manome fanampiana ara-pahasalamana ho an’izay sahy mijoro tratran’ny herisetra ataon'ny hery mpamoretana.

🚑 Misy ihany koa ny ekipa mandeha kodiaran-droa, manao premiers soins, manadio ratra, manome fanampiana vonjimaika ho an’izay mila azy, eny ifotony, amin’ny toerana vitsivitsy ilàna izany.

Raha marary ny firenena, dia tsaboina.
Raha mitolona ny tanora, dia tohanana.
Raha mangirifiry ny vahoaka, dia tsy miala, fa miara-mijoro.

✊ Raha mbola mitaky ny rariny ny vahoaka,
Raha mbola mijoro ny tanora, ho firaiketam-po amin’ny Malagasy dia miaraka aminareo foana ny ARB.

Ho an’ny fireneko.
Ho an’ny tanora.
Ho an’ny vahoaka.








"Raha hanao omelety dia tsy maintsy mamaky atody..."Noho ny fitiavan-tanindrazana sy faniriana fiovana marina dia nitsan...
03/10/2025

"Raha hanao omelety dia tsy maintsy mamaky atody..."

Noho ny fitiavan-tanindrazana sy faniriana fiovana marina dia nitsangana ny vahoaka malagasy — vahoaka reraka, vahoaka leo, fa vahoaka tapa-kevitra.

Nihevitra ve fa tsy hisy fiantraikany ny:
- fangalaram-bato sy fanitsakitsahana ny safidim-bahoaka?
- fampahantrana ny vahoaka malagasy?
- famotehana sy fanakanana ireo orinasa malagasy ?
- fanaovana ampihimamba ny harena sy sehapihariana rehetra?
- tsy fahaiza-mitantana sy fandraisana fanapahan-kevitra tsy mahomby?
- fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena ?
- famotehana ny toekarena?
- famoretana ny vahoaka?
- fanalambaraka atao amin'ny firenena?
- fanimbazimbana ny fahalalahana sy zo fototra?
-....sns sns

Ireo rehetra ireo dia manan-kery, ary tsy maintsy hisy valiny.

Hetsi-bahoaka mitranga manerana an’i nosy izao ary tsy azo sakanana ny herim-bahoaka rehefa mifoha.
Manentoento nefa ny fanonganam-panjakana, ary raha izay ve no niakarana teo, mety ho izay ihany koa ve no hidinana eo? Asa..
Raha tsy azonao androany nefa zany, ho azonao ihany rahampitso e...

Ho an’ny Fahamarinana.
Ho an’ny Rariny.
Ho an’ny Tanindrazana.
Ho an'ny Taninjanaka.








Melohiko tanteraka ny herisetra sy ny fanaovana tsinotsinona ny zon’ny vahoaka.Fa nahoana ianareo no mandratra ny zanaka...
01/10/2025

Melohiko tanteraka ny herisetra sy ny fanaovana tsinotsinona ny zon’ny vahoaka.
Fa nahoana ianareo no mandratra ny zanakay ?

Naratra ny Bombe Lacrymogène anareo Téo RASALAMA ..

🎉 1 Oktobra 2015 – 1 Oktobra 2025 : i-BC feno 10 taona! 🎉10 taona lasa izay, teraka tamim-pinoana sy fahavononana ny i-B...
01/10/2025

🎉 1 Oktobra 2015 – 1 Oktobra 2025 : i-BC feno 10 taona! 🎉

10 taona lasa izay, teraka tamim-pinoana sy fahavononana ny i-BC (i-Broadcasting Company) — 📻 onjam-peo sy 📺 fahitalavitra natao hanehoana hevitra, hizara fahalalana, hanabe sy hampiala voly, ary hanaja ny soatoavina maha-malagasy.

Voalohany indrindra, misaotra sy manandratra ny anaran’Andriamanitra lehibe sy mahery izahay, noho ny fahasoavana sy fitahiana tsy tambo isaina nandritra izay folo taona izay. Raha tsy Izy, dia tsy ho vitanay.

-10 taona niarahana taminareo.
-10 taona nanandratana feo tsy re, nanome sehatra ireo tsy mba manana.
-10 taona nitondra ny tenin’ny vahoaka, nijoro, tsy nivadika amin’ny soatoavina.

Misaotra anareo rehetra — mpihaino, mpijery, mpiara-miasa, namana, sy mpiara-dia — izay nanome hery anay hanohy hatrany, na dia teo aza ny sakana sy sedra maro.

i-BC dia ianareo. Ary ianareo no herinay.

Mbola lavitra ny dia, fa hijoro hatrany izahay :

-Ho amin’ny fanehoan-kevitra malalaka sy tompon'andraikitra.
-Ho amin’ny fahalalahana sy fahamarinana.
-Ho an’i Madagasikara.

Ho ela velona ny i-BC!
Isaorana hatrany Andriamanitra !



30/09/2025

💚💪💪💚

Ny fahefana dia an’ny vahoaka, ary tsy misy manan-jo haka izany.
30/09/2025

Ny fahefana dia an’ny vahoaka, ary tsy misy manan-jo haka izany.

🪧 Nitolona indray andro: lasa ny Ministry ny Angovo.🧳 Nitolona efatra andro: lasa ny Governemanta manontolo  🤔 Dia raha ...
29/09/2025

🪧 Nitolona indray andro: lasa ny Ministry ny Angovo.
🧳 Nitolona efatra andro: lasa ny Governemanta manontolo
🤔 Dia raha mitolona fito andro zany, sao lasa ny...? 😏

Izay aloha no antsoina hoe “fahefana avy amin’ny vahoaka” e.

Ny ARB dia miaraka aminareo hatrany, mifanohana, mijoro, mitaky amin’ny fomba mendrika, tsy amin'ny kabary fotsiny, fa hatreny an-kianja eny.

💪 Mankahery antsika rehetra !


Address


Telephone

+261348396836

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ARB Madagasikara posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to ARB Madagasikara:

  • Want your business to be the top-listed Media Company?

Share