26/05/2026
🙏🇲🇬 Miarahaba antsika mpanaraka ny pejy,
✅ Tanteraka soamantsara ny 🎤 conférence nokarakarain’ny teto Paris 🇫🇷, omaly Alatsinainy 25 mey 2026. ✨
🤝 Nihaona sy nifanakalo hevitra tamin’i Laza Razafiarison, filoha nasionalin’ny antoko RCR / TOLONA ✊🇲🇬, ireo mpanatrika nandritra izany fotoana izany.
🔹 Ny tapany voalohany dia nifantoka tamin’ny 📚 famelabelaran-kevitra momba ny Fanovan-drafitra ⚙️, ny anjara toeran’ny olom-pirenena 👥 ao anatin’ny rafitra, ary koa ny fandinihana ireo vahaolana maharitra 🌱 ho an’i Madagasikara 🇲🇬.
🔹 Ny tapany faharoa kosa dia natokana ho an’ny 🗣️ fifanakalozan-kevitra sy ny famaliana ireo ❓ fanontaniana maro napetraky ny mpanatrika.
🔥🧠 Nahafinaritra sy nahavelombolo ny adihevitra, ary hita taratra ny fahalianan’ireo mpanatrika tamin’ireo lohahevitra nodinihina. Nisy ny 🤝 fifampizarana traikefa sy 👀 fomba fijery isan-karazany, izay nanamafy hatrany ny maha-zava-dehibe ny fifanakalozana sy ny fandraisana andraikitra.
🙏 Koa isaorana manokana ianareo rehetra nanatrika sy nanao ezaka tonga teto Paris 🇫🇷, ary koa ireo Olon'Andraikitra rehetra nandray anjara tamin’ny fikarakarana sy ny fanatanterahana ity conférence ity. 💙
🌱 Santatra ihany ireny, fa mbola maro ny dingana 🚶♂️ sy ny asa 🛠️ miandry antsika.
🤝 Isika no hanohy ny fanentanana 📢 sy ny fanovàna ilain’i Madagasikara 🇲🇬.
🇲🇬 Misaotra indrindra tompoko. 🙏✨
🔗🛜Plateforme RCR: www.rcr-tolona.com
🇲🇬🌍✊